Hijery ny anatiny

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Mbola Miresaka Amin’ny Olona Efa Niteny hoe Tsy Liana Izy?

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Mbola Miresaka Amin’ny Olona Efa Niteny hoe Tsy Liana Izy?

 Tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy ny Vavolombelon’i Jehovah, ka faly mitory amin’ny olona rehetra, anisan’izany ireo efa niteny hoe tsy liana izy. (Matio 22:37-39) Tia an’Andriamanitra izy ireo ka mankatò ny didin’ny Zanany mba hitory na “hanazava tsara” ny Tenin’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 10:42; 1 Jaona 5:3) Miverimberina mitory àry izy ireo, hoatran’ny nataon’ny mpaminanin’Andriamanitra fahiny. (Jeremia 25:4) Tia ny mpiara-belona aminy koa izy ireo, dia mitory ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” amin’ny olona rehetra, na dia amin’ny olona efa niteny aza hoe tsy liana. Mamonjy aina mantsy io vaovao tsara io.—Matio 24:14.

 Matetika izahay no mahita olona liana rehefa miverina ao amin’ny trano nisy olona efa niteny hoe tsy liana izy. Ireto misy antony telo mahatonga an’izany:

  •   Mifindra trano ny olona.

  •   Liana amin’ny hafatra torinay ny olona hafa ao amin’ilay trano.

  •   Miova ny olona. Lasa “mahatsapa fa mila an’Andriamanitra” ny olona sasany, noho ny zava-mitranga eran-tany na ny zavatra manjo azy. Lasa liana amin’ny Baiboly àry ry zareo. (Matio 5:3) Mety hiova koa na ny mpanohitra aza, hoatran’ny apostoly Paoly.—1 Timoty 1:13.

 Tsy manery ny olona hihaino anay anefa izahay. (1 Petera 3:15) Mihevitra mantsy izahay fa anjaran’ny tsirairay no mifidy izay fivavahana tiany.—Deoteronomia 30:19, 20.