Hijery ny anatiny

Mitory Isan-trano ve ny Vavolombelon’i Jehovah mba ho Voavonjy?

Mitory Isan-trano ve ny Vavolombelon’i Jehovah mba ho Voavonjy?

 Mitory isan-trano matetika izahay Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mieritreritra anefa izahay hoe tsy maintsy ho voavonjy satria manao an’izany. (Efesianina 2:8) Nahoana?

 Aoka hatao hoe misy lehilahy tsara fanahy iray, mampanantena fanomezana lafo vidy ho an’izay tonga any amin’ny toerana iray, amin’ny fotoana omeny. Raha tena mino an’izany fampanantenany izany ianao, dia azo antoka fa hanaraka ny teniny. Tsy maintsy mba hilazanao koa ny namanao sy ny havanao, amin’izay ry zareo mahazo an’ilay fanomezana koa. Tsy noho ny nanarahanao ny tenin’ilay lehilahy anefa akory no mahatonga anao hahazo an’ilay fanomezana, fa noho izy tsara fanahy.

 Toy izany koa fa mampanantena Andriamanitra hoe hiaina mandrakizay izay mankatò azy. (Romanina 6:23) Mino izany izahay ka miezaka miresaka an’izany amin’ny olon-kafa. Tianay hiaina mandrakizay koa mantsy izy ireny. Tsy mieritreritra anefa izahay hoe tsy maintsy ho voavonjy satria mitory. (Romanina 1:17; 3:28) Tsy mendrika ny hahazo an’izany fitahiana avy amin’Andriamanitra izany mantsy isika olombelona, na inona na inona ataontsika. “Tsy noho ny nanaovantsika izay mahitsy” no antony hamonjeny antsika, fa “noho ny famindram-pony.”—Titosy 3:5.