Hijery ny anatiny

Sekta ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Sekta ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

 Tsia. Tsy sekta ny Vavolombelon’i Jehovah. Kristianina kosa izahay, ka manao izay tsara indrindra vitanay izahay mba hanahaka ny modely nomen’i Jesosy Kristy ary manaraka ny fampianarany.

Inona no atao hoe sekta?

 Tsy mitovy ny fomba amaritan’ny olona an’io teny io. Andeha isika handinika famaritana roa, sady hijery hoe nahoana ilay izy no tsy mihatra aminay.

  •   Misy milaza fa fivavahana vaovao no atao hoe sekta. Tsy namorona fivavahana vaovao anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny fivavahana narahin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany kosa no alainay tahaka, ary voaresaka ao amin’ny Baiboly ny ohatra navelan’izy ireo sy ny fampianarany. (2 Timoty 3:16, 17) Mino izahay fa ny Soratra Masina ihany no afaka mamaritra izay fivavahana marina.

  •   Misy indray milaza fa fivavahana mampidi-doza ny sekta, ary olona no mitarika azy. Tsy olombelona no mitarika ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny fitsipika nasain’i Jesosy arahin’ny mpanara-dia azy no arahinay. Hoy izy: “Iray ny Mpitarika anareo, dia i Kristy.”​—Matio 23:10.

 Tsy sekta mampidi-doza mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Mandray soa avy amin’ny fivavahany kosa izy ireo sy ny fiaraha-monina. Noho ny fitoriana ataonay, ohatra, dia olona maro no afaka tamin’ny fahazaran-dratsy. Nisy, ohatra, lasa tsy nidoroka zava-mahadomelina sy tsy niboboka toaka intsony. Mampianatra mamaky teny sy manoratra koa izahay, ka olona an’arivony no mandray soa amin’izany eran-tany. Mazoto manampy ny tra-boina koa izahay. Miezaka mafy izahay mba hisy vokany tsara amin’ny hafa ny fitondran-tenanay sy ny zavatra ataonay, araka ny tenin’i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy.​—Matio 5:13-16.