Hijery ny anatiny

Novan’ny Vavolombelon’i Jehovah ve ny Baiboly?

Novan’ny Vavolombelon’i Jehovah ve ny Baiboly?

 Tsia. Mifanohitra amin’izany aza no ataonay. Ny zavatra inoanay no ovanay rehefa hitanay hoe tsy mifanaraka tsara amin’izay lazain’ny Baiboly.

 Tamin’ny 1950 izahay no nanomboka namoaka Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny teny anglisy. Efa ela be talohan’izay anefa izahay no nandinika tsara izay lazain’ny Baiboly. Nampiasainay daholo izay fandikan-teny rehetra nisy, ary nampifanarahinay tamin’izay hitanay tao amin’izy ireny ny zavatra ninoanay. Ireto, ohatra, ny zavatra ninoanay Vavolombelon’i Jehovah efa hatramin’ny ela, ka aleo ianao mihitsy no mandinika raha mifanaraka amin’izay ampianarin’ny Baiboly izy ireo na tsia.

  1.   Ny zavatra inoanay: Tsy telo izay iray Andriamanitra. Hoy Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Jolay 1882, (anglisy): “Fantatry ny mpamaky anay fa raha mino an’i Jehovah sy Jesosy ary ny fanahy masina izahay, dia lavinay ny fampianarana tsy araka ny Baiboly ilazana fa hoe misy Andriamanitra telo mahaforona persona iray, na, araka ny ilazana azy indraindray, Andriamanitra iray misy persona telo.”

      Izay lazain’ny Baiboly: “Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.” (Deoteronomia 6:4, Fandikan-teny Protestanta) “Iray ihany no Andriamanitra amintsika, dia ny Ray izay nihavian’ny zavatra rehetra, ary ho azy isika; iray ihany no Tompo, dia Jeso-Kristy, izay nahariana ny zavatra rehetra sy nahariana antsika koa.” (1 Korintianina 8:6, Fandikan-teny Katolika) I Jesosy mihitsy aza no nilaza hoe: “Ny Ray dia lehibe noho Izaho.”—Jaona 14:28, Prot.

  2.   Ny zavatra inoanay: Tsy hampijalina mandrakizay any amin’ny afobe ny olona. Nalaina avy ao amin’ny Romanina 6:23, tao amin’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques (anglisy), ny lohatenin’ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Jona 1882 hoe: “Fahafatesana no Tambin’ny Ota.” Voalaza tao amin’io gazety io fa “tsotra sady mazava ireo teny ireo. Mahagaga anefa fa maro amin’ny olona milaza fa mino ny Baiboly ho Tenin’Andriamanitra no mbola miziriziry ihany hoe fampijalijaliana mandrakizay no sazin’izay manota. Lazainy fa izany, hono, no ampianarin’ny Baiboly.”

      Izay lazain’ny Baiboly: Tsy fampijaliana mandrakizay no miandry ny olona manohitra an’Andriamanitra, fa “fandringanana mandrakizay.”—2 Tesalonianina 1:9, MJ.

  3.   Ny zavatra inoanay: Tena fitondram-panjakana ny Fanjakan’Andriamanitra, fa tsy hoe ao am-po fotsiny. Hoy Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Desambra 1881, momba ny Fanjakan’Andriamanitra: “Ho rava ny fanjakana rehetra eto an-tany, raha vao miorina io fanjakana io.”

      Izay lazain’ny Baiboly: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.”—Daniela 2:44, Prot.

Ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ihany ve no ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanohanana ny zavatra inoany?

 Tsia. Mbola mampiasa fandikan-teny maro hafa izahay rehefa mitory sy mampianatra. Afaka mahazo ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao maimaim-poana ny olona, satria nataonay hampianarana Baiboly maimaim-poana izy io. Rehefa mampianatra anefa izahay, dia tsy mampaninona anay koa raha te hampiasa Baiboly hafa ilay olona iresahanay.