Hijery ny anatiny

Mino An’i Jesosy ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Mino An’i Jesosy ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

 Eny. Mino an’i Jesosy, izay niteny toy izao, izahay: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6) Mino izahay fa avy any an-danitra i Jesosy ary tonga teto an-tany sy nanao sorona ny ainy lavorary. (Matio 20:28) Noho izy maty sy natsangana tamin’ny maty, dia ho afaka hiaina mandrakizay izay mino azy. (Jaona 3:16) Mino koa izahay fa efa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra izao i Jesosy, ary tsy ho ela izy dia hitondra fiadanana ho an’ny tany manontolo. (Apokalypsy 11:15) Ekenay anefa ity tenin’i Jesosy ity: “Ny Ray dia lehibe noho izaho.” (Jaona 14:28) Tsy mivavaka amin’i Jesosy àry izahay satria tsy izy no Andriamanitra Mahery Indrindra.