Hijery ny anatiny

Manohana ny Jiosy ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Manohana ny Jiosy ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

 Tsia. Kristianina ny Vavolombelon’i Jehovah ary miorina amin’ny Soratra Masina ny zavatra inoany. Misy fivavahana milaza fa manatanteraka faminaniana ao amin’ny Soratra Masina ny fanangonana ny Jiosy any Palestina. Tsy miombon-kevitra amin’izany anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mino izy ireo hoe misy faminaniana momba an’izany ao amin’ny Soratra Masina. Ny Soratra Masina aza tsy manindrahindra fitondram-panjakan’olombelona sady tsy milaza hoe misy foko na firenena ambony noho ny hafa. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana, gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Tsy manohana ny hetsika ara-politika ataon’ny Jiosy mihitsy ny Soratra Masina.”

 Milaza Ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) fa ny hanangana sy hanohana ny fanjakana jiosy any Palestina no tanjona amin’ilay hetsika ho fanohanana ny Jiosy. Sady hetsika ara-pivavahana ilay izy no ara-politika. Tsy anisan’ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ny fanohanana ny Jiosy, ary tsy momba ny atsy na ny aroa mihitsy izy ireo amin’io hetsika io.

 Fikambanana ara-pivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah ka tsy manohana hetsika ara-politika, anisan’izany ny fanohanana ny Jiosy. Tsy manao politika mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah ary betsaka ny porofo manamarina izany. Misy amin’izy ireo aza enjehina mafy any amin’ny tany sasany noho izany antony izany. Mino izy ireo fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hitondra fiadanana maharitra eto an-tany. Tsy misy fitondran’olombelona na hetsika ara-politika mahavita izany.

 Mankatò ny lalàn’ny fitondram-panjakana ny Vavolombelon’i Jehovah, na aiza na aiza tany misy azy. Tsy mikomy amin’ny fitondrana izy ireo sady tsy mandray anjara amin’ny ady.