Hijery ny anatiny

Ranabavy Hermine Schmidt

18 APRILY 2024
ALEMAINA

Nodimandry teo Amin’ny Faha-98 Taonany i Hermine Schmidt, Farany Tamin’ireo Vavolombelona Fantatra hoe Tany Amin’ny Toby Fitanan’ny Nazia

Nodimandry teo Amin’ny Faha-98 Taonany i Hermine Schmidt, Farany Tamin’ireo Vavolombelona Fantatra hoe Tany Amin’ny Toby Fitanan’ny Nazia

Hermine talohan’ny nandefasana azy tany amin’ny toby fitanan’i Stutthof

Maty tamin’ny 31 Martsa 2024 ny Ranabavy Hermine Schmidt, tamin’izy 98 taona. Izy no Vavolombelon’i Jehovah farany fantatra hoe nampijalina noho ny finoany tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia.

Teraka tamin’ny 13 Novambra 1925 i Hermine, tany amin’ny tanànan’i Gdansk, izay anisan’ny faritr’i Polonina amin’izao. Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-dreniny. Oskar sy Frieda Koschmiederno no anaran-dry zareo. Nampian-dry zareo hanana finoana matanjaka sy hatoky an’i Jehovah ny zanany vavy. Lasan’ny Nazia ny tanànan’i Gdansk tamin’ny 1939, dia nanomboka nanenjika mafy ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitondrana nazia tany. Nanokan-tena ho an’i Jehovah i Hermine nandritra an’izay fotoana izay, dia natao batisa tamin’ny 2 Mey 1942, tamin’izy 16 taona.

Nosamborin’ny Nazia dia notanan-dry zareo am-ponja i Hermine tamin’izy 17 taona, tamin’ny Jona 1943. Mbola nosamborina indray izy tamin’ny Aprily 1944, ary nalefa tany amin’ny toby fitanana tany Stutthof. Hoy i Hermine rehefa nieritreritra an’iny fotoana nampahatahotra be iny: “Tena tsy mora iny zava-nitranga iny. Nalam-baraka izahay sady nahatsapa hoe nijaly be. Nanao izay ho afany ny Gestapo mba hanakiviana tanteraka ahy. Tsy hoe vao teraka aho dia efa be herim-po. Hoatran’ny ankizivavy rehetra ihany mantsy aho. Tsy nisalasala mihitsy anefa aho, fa efa haiko hoe inona ny tokony hataoko. Tsy hivadika aho sady tapa-kevitra ny hanao zavatra mifanaraka amin’ny feon’ny fieritreretako. Hilamin-tsaina sy hihavana tsara amin’Andriamanitra ianao rehefa manao zavatra mifanaraka amin’ny feon’ny fieritreretanao.”

Horst sy Hermine tamin’ny Martsa 1995

Nihananatona an’ilay toby tao Stutthof ny miaramila rosianina, herintaona tatỳ aoriana, tamin’ny Aprily 1945. Tsy tian’ny miaramila alemà hanafaka an’ireo voafonja ny miaramila rosianina, dia be dia be ny voafonja noteren-dry zareo hiakatra tao anaty sambo maromaro, dia navelany teny afovoan-dranomasina. Avotra anefa i Hermine sy ireo 370 hafa niaraka taminy satria nisy nitarika hatrany amin’ny nosy Møn any Danemark ilay sambo nitondra an-dry zareo, tamin’ny Mey 1945. Tafahaona tamin’ny ray aman-dreniny indray i Hermine taoriana kelin’izay.

Nanambady an’i Horst Schmidt i Hermine tamin’ny 1947. Tsy nety nanao miaramila i Horst. Efa mpitatitra boky sy gazety ara-baiboly koa izy tamin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah voarara. Notsaraina izy, dia nomelohina ho faty ary nogadraina tany amin’ny fonjan’i Brandenburg-Görden avy eo. Nafahana tao amin’ilay fonja izy sy ny voafonja hafa rehetra tao, tamin’ny 27 Aprily 1945, fotoana fohy talohan’ny hamonoana azy. Nivady nandritra ny 63 taona latsaka kely i Horst sy Hermine, mandra-pahafatin’i Horst tamin’ny 2010.

Tia nitantara ny zavatra niainany i Horst sy Hermine, nandritra ny taona maro. Izao no noresahin’i Hermine tamin’ny fanadinadinana iray tamin’ny 1998, rehefa nitantara izy hoe tsy nivadika mihitsy: “Tena tsy mora aloha ny fiainako e! Hoatran’ny hoe nandeha teo amina lalana iray sarotra aleha aho. Tena nahafinaritra anefa ilay izy. Tsy hivily lalana izany mihitsy aho na inona na inona hitranga.”

Tena faly isika hoe tsy nivadika i Hermine na dia niaritra fitsapana aza. Andao koa isika hanahaka ny finoany, ka ho tapa-kevitra ny ho be herim-po sy hanatanjaka ny fontsika, sady hatoky hoe harovan’i Jehovah foana izay olona tsy mivadika aminy.​—Salamo 31:23, 24.