Hijery ny anatiny

Blue Planet Archive/Mark Conlin

NISY NAMORONA VE?

Mahavariana ny Fanatodin’ny Grunion

Mahavariana ny Fanatodin’ny Grunion

 Trondro kely ny grunion de Califorinie, dia eny amin’ny torapasiky ny Oseana Pasifika any Kalifornia any Etazonia, sy any Baja Kalifornia any Meksika izy no manatody. Hain’ilay trondro tsara hoe rahoviana ny andro sy ny fotoana tokony hanatodizany, amin’izay vanona ilay atody.

 Diniho izao: Rehefa diavolana na tsinam-bolana no miakatra ambony indrindra ny haavon’ny ranomasina. Dia mandritra an’ireo alina anankitelo na anankiefatra aorian’izay ihany ny grunion no manatody. Raha mandritra an’ireo alina alohan’ny diavolana na tsinam-bolana ry zareo no manatody, dia mety ho lasan’ny rano miaraka amin’ny fasika fotsiny ny atodiny, dia very any an-dranomasina. Aoriana kelin’ilay ranomasina miakatra faran’izay ambony iny anefa ry zareo no manatody. Manomboka misintona tsikelikely mantsy ny ranomasina amin’izay, dia matevina kokoa ny fasika miaro an’ilay atody.

Wally Skalij/Los Angeles Times via Getty Images

 Mandritra ny lohataona sy fahavaratra koa ny grunion no manatody. Miakatra ambony kokoa mantsy ny ranomasina mandritra ny alina amin’ireo fotoana ireo, raha oharina amin’ny antoandro. Afaka milomano lavitra kokoa eny amin’ny torapasika àry ilay trondro, dia voaro ny atodiny rehefa ho tonga indray ilay fiakaran’ny rano manaraka.

 Rehefa hanatody ny grunion dia miandry onja ngeza be mba hitondra azy eny amin’ny torapasika, hatreny amin’izay lavitra indrindra tongany. Rehefa midina ny rano, dia mampiasa ny vatany ilay trondro mba handavahana lavaka ao anatin’ny fasika mando, dia ny rambony no atsofony voalohany. Dimy hatramin’ny valo santimetatra ny halalin’ilay lavaka ametrahan’ny trondro vavy ny atodiny. Dia mandritra an’izay fotoana izay, misy trondro lahy iray na mihoatra mandonaka an’ilay atody. Miandry an’ilay onjan-dranomasina manaraka ilay trondro vavy avy eo mba hitondra azy miverina any an-dranomasina.

 Ao anaty fasika mando ilay atody no mitombo, kanefa ilainy ilay onjan-dranomasina mihetsiketsika iny mba hanampy azy ho foy. Tapa-bolana eo ho eo àry dia foy ilay atody, rehefa tafakatra amin’ny ambony indrindra indray ny haavon’ny ranomasina. Afaka mijanona iray volana ao anaty fasika anefa ilay atody mandra-piakatry ny ranomasina ho amin’ny ambony indrindra indray.

 Ahoana ny hevitrao? Tongatonga ho azy ve ny fahaizan’ny grunion manatody, sa nisy namorona?