Hijery ny anatiny

Fampidirana ny Boky ao Amin’ny Baiboly

Misy video fohy maromaro ato. Hazavaina ao ny zava-nisy tamin’ny fotoana nanoratana ny boky ao amin’ny Baiboly sy izay raketin’ireo boky ireo. Azonao ampiasaina ireo video ireo rehefa mamaky sy mianatra samirery ny Baiboly ianao.

Fampidirana ny Bokin’ny Genesisy

Hazavaina ao amin’ny Genesisy hoe ahoana no niandohan’ny olombelona ary ahoana no nampisy ny fijaliana sy ny fahafatesana.

Fampidirana ny Bokin’ny Eksodosy

Nafahan’i Jehovah tamin’ny fanandevozana tany Ejipta ny Israelita, ary nataony lasa firenena voatokana ho azy.

Fampidirana ny Bokin’ny Levitikosy

Asongadina ao amin’ny bokin’ny Levitikosy hoe masina Andriamanitra ary tokony ho masina koa isika.

Fampidirana ny Bokin’ny Nomery

Resahina ao fa tena zava-dehibe ny mankatò an’i Jehovah sy manaja izay notendreny hitarika ny vahoakany.

Fampidirana ny Bokin’ny Deoteronomia

Hita amin’ny Lalàna nomen’i Jehovah ho an’ny Israelita hoe tena tiany ny vahoakany.

Fampidirana ny Bokin’i Josoa

Jereo hoe ahoana no nandresen’ny Israelita ny firenena tao amin’ilay tany nomen’Andriamanitra azy ireo, ary ahoana no nifampizarany an’ilay tany.

Fampidirana ny Bokin’ny Mpitsara

Tantaraina ao amin’io boky io ny zavatra nataon’ireo mpitsara nampiasain’i Jehovah mba hanafaka ny Israelita tamin’ny fahavalony. Nanam-pinoana sy be herim-po ireny mpitsara ireny.

Fampidirana ny Bokin’i Rota

Tantaraina ao amin’ny bokin’i Rota hoe tena tian’i Rota i Naomy rafozambaviny, dia nafoiny ny zavatra sarobidy taminy mba hiarahana tamin’i Naomy. Samy notahin’i Jehovah izy mianaka.

Fampidirana ny Bokin’ny 1 Samoela

Jereo hoe nahoana no nifarana ny andron’ny Mpitsara ary nanomboka ny andron’ny mpanjaka teo amin’ny Israely.

Fampidirana ny Bokin’ny 2 Samoela

Ho hitanao ato hoe nahoana ny fanetren-tena sy ny finoan’i Davida, ilay tantarain’ny Baiboly, no mahatonga ny tantarany ho anisan’ny be mpahafantatra sy be mpitia indrindra.

Fampidirana ny Bokin’ny 1 Mpanjaka

Ho hitanao ao amin’io boky io ny tantaran’ny Israely. Niadana sy nilamina izy ireo tamin’i Solomona nanjaka. Nikorontana be ny fiainan’izy ireo rehefa nizara roa ilay fanjakana.

Fampidirana ny Bokin’ny 2 Mpanjaka

Ho hitanao ato hoe tena nanimba ny fanjakan’Israely tany avaratra ny fivavahana tamin’ny andriamani-diso. Nisy vitsivitsy ihany anefa tsy nivadika tamin’i Jehovah dia notahiny.

Fampidirana ny Bokin’ny 1 Tantara

Natahotra an’Andriamanitra i Davida Mpanjaka. Fantaro ny razambeny sy ny fiainany nanomboka tamin’izy lasa mpanjakan’ny Israely mandra-pahafatiny.

Fampidirana ny Bokin’ny 2 Tantara

Ho hitanao amin’ny tantaran’ny mpanjaka tao Joda fa tena zava-dehibe ny hoe tsy mivadika amin’i Jehovah.

Fampidirana ny Bokin’i Ezra

Nanatanteraka ny teniny i Jehovah ka nanafaka ny vahoakany, sady namerina ny fivavahana marina tao Jerosalema indray.

Fampidirana ny Bokin’i Nehemia

Misy lesona tsara be ho an’ny olona tia fivavahana ao amin’ny bokin’ i Nehemia.

Fampidirana ny Bokin’i Estera

Manatanjaka ny finoantsika ny zava-nitranga resahin’ny bokin’i Estera. Lasa matoky isika fa vitan’i Jehovah ny manampy ny vahoakany na inona na inona olana mitranga.

Fampidirana ny Bokin’i Joba

Mety hiharam-pitsapana ireo tia an’i Jehovah. Rehefa mamaky ny tantaran’i Joba anefa isika, dia matoky fa ho vitantsika ny tsy hivadika mihitsy sy hanohana foana ny zon’i Jehovah hitondra.

Fampidirana ny Bokin’ny Salamo

Manohana ny zon’i Jehovah hitondra ny bokin’ny Salamo. Asongadiny koa fa manampy sy mampahery an’ireo tia azy i Jehovah, ary hanova an’izao tontolo izao ny Fanjakany.

Fampidirana ny Bokin’ny Ohabolana

Jereo ny tari-dalana avy amin’Andriamanitra momba ny fiainana andavanandro, ohatra momba ny varotra na momba ny fianakaviana.

Fampidirana ny Bokin’ny Mpitoriteny

Noresahin’i Solomona Mpanjaka hoe inona no tena zava-dehibe eo amin’ny fiainana. Noresahiny koa hoe ahoana no ahitana fa tsy manana fahendrena ny olona iray.

Fampidirana ny Tononkiran’i Solomona

Resahina hoe “lelafo avy amin’i Jah” ny fitiavan’ny tovovavy solemita an’ilay mpiandry ondry. Fa nahoana?

Fampidirana ny Bokin’i Isaia

Mirakitra faminaniana maro ny bokin’i Isaia. Efa tanteraka ny faminaniana sasany, ary azo antoka fa ho tanteraka koa ny hafa. Manome toky antsika izany fa tsy maintsy hotanterahin’i Jehovah daholo ny fampanantenany, ary hamonjy antsika izy.

Fampidirana ny Bokin’i Jeremia

Naminany foana i Jeremia na dia nisy nanohitra mafy aza. Tokony haka tahaka azy ny Kristianina.

Fampidirana ny Bokin’ny Fitomaniana

Nosoratan’i Jeremia mpaminany ny Fitomaniana. Nolazainy ao ny alahelony rehefa rava i Jerosalema. Noresahiny koa fa mamindra fo amin’izay mibebaka i Jehovah.

Fampidirana ny Bokin’i Ezekiela

Nanetry tena i Ezekiela sady be herim-po rehefa nanao izay rehetra nasain’i Jehovah nataony, na sarotra aza ilay izy. Ohatra tsara ho antsika izy.

Fampidirana ny Bokin’i Daniela

Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy i Daniela sy ireo namany. Mahasoa antsika velona amin’izao andro farany izao ny modelin’izy ireo sy ny faminaniana tanteraka.

Fampidirana ny Bokin’i Hosea

Misy lesona tsara be azontsika ianarana amin’ny faminanian’i Hosea, ohatra hoe tena mamindra fo amin’ny olona nanota nefa tena mibebaka i Jehovah. Hita amin’io koa hoe inona no karazana fanompoana ekeny.

Fampidirana ny Bokin’i Joela

Naminany momba ny “andron’i Jehovah” i Joela. Nilaza koa izy hoe inona no tokony hatao raha te ho voavonjy. Efa tena akaiky izao ny farany, araka ny faminaniany.

Fampidirana ny Bokin’i Amosa

Olona ambany saranga i Amosa nefa nofidin’i Jehovah hanao asa lehibe. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Amosa?

Fampidirana ny Bokin’i Obadia

Izy io ny boky fohy indrindra ao amin’ny Soratra Hebreo. Resahiny ao hoe ho voaporofo fa mendrika ny hitondra i Jehovah.

Fampidirana ny Bokin’i Jona

Nanaiky hahitsy ilay mpaminany, dia lasa nandeha nitory ihany. Nampianarina azy koa hoe maneho hatsaram-panahy feno fitiavana sy mamindra fo Andriamanitra. Tena manohina ny fo ny tantarany.

Fampidirana ny Bokin’i Mika

Rehefa mamaky an’io faminaniana io isika, dia matoky hoe tsy be loatra sady mahasoa ny zavatra asain’i Jehovah ataontsika.

Fampidirana ny Bokin’i Nahoma

Manome toky antsika ilay faminaniana hoe tanterahin’i Jehovah foana ny teniny, ary ampahereziny izay te ho sambatra sy te ho voavonjy rehefa mitondra ny Fanjakany.

Fampidirana ny Bokin’i Habakoka

Matoky isika fa hain’i Jehovah foana ny fotoana mety indrindra sy ny fomba tsara indrindra hamonjena ny vahoakany.

Fampidirana ny Bokin’i Zefania

Nahoana isika no tsy tokony hieritreritra hoe mbola ho ela ny andron’i Jehovah?

Fampidirana ny Bokin’i Hagay

Asongadina ao amin’io faminaniana io fa tena tokony hataontsika amin’ny toerana voalohany foana ny fanompoana an’Andriamanitra, izay isika vao manao an’izay tiantsika manokana.

Fampidirana ny Bokin’i Zakaria

Nampahery ny mpanompon’Andriamanitra fahiny ny fahitana sy faminaniana maro avy amin’Andriamanitra. Mbola mampahery antsika koa izy ireny, sady manome toky hoe hanampy antsika foana i Jehovah.

Fampidirana ny Bokin’i Malakia

Resahin’ilay faminaniana fa tsy miova mihitsy ny toro lalan’i Jehovah, mamindra fo izy, ary be fitiavana. Misy lesona tena ilaina amin’izao koa ao amin’ilay faminaniana.

Fampidirana ny Bokin’i Matio

Ho tianao ny hijery an’ireo lafiny mampiavaka an’io boky voalohany amin’ny Filazantsara io!

Fampidirana ny Bokin’i Marka

Ny bokin’i Marka no fohy indrindra amin’ny Filazantsara. Hita taratra ao hoe hanao ahoana ny fiainana rehefa hitondra ny tany i Jesosy.

Fampidirana ny Bokin’i Lioka

Inona ny fitantarana tsy hita afa-tsy ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka?

Fampidirana ny Bokin’i Jaona

Notantarain’i Jaona fa tena tia ny olombelona i Jesosy, nanetry tena, ary izy no Mesia, ilay voatendry ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Fampidirana ny Bokin’ny Asan’ny Apostoly

Hanampy anao hazoto kokoa hitory sy hampianatra ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Tantaraina ao mantsy hoe modely ho antsika ny Kristianina voalohany satria niezaka mafy nampianatra olona avy tany amin’ny firenena rehetra.

Fampidirana ny Bokin’ny Romanina

Hita ao hoe tsy manavakavaka i Jehovah. Voalaza ao koa hoe nahoana isika no mila mino an’i Jesosy Kristy.

Fampidirana ny Bokin’ny 1 Korintianina

Resahin’i Paoly ao amin’ny taratasiny hoe inona no tokony hataontsika raha te hiray saina sy hadio fitondran-tena ary ho be fitiavana isika. Resahiny ao koa hoe mila mino isika hoe tena misy ny fitsanganana amin’ny maty.

Fampidirana ny Bokin’ny 2 Korintianina

Mampahery sy manohana ny mpanompony foana i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra.”

Fampidirana ny Bokin’ny Galatianina

Mbola mahasoa ny Kristianina hatramin’izao ny taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ny Galatianina, satria manampy azy ireo tsy hivadika amin’Andriamanitra.

Fampidirana ny Bokin’ny Efesianina

Asongadina ao amin’ny taratasy ho an’ny Efesianina hoe nisy zavatra nataon’Andriamanitra mba hahatonga ny olona hihavana sy hiray saina. Tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy no nanaovany an’izany.

Fampidirana ny Bokin’ny Filipianina

Rehefa tsy mivadika isika na dia misy fitsapana aza, dia mandrisika ny hafa tsy hivadika koa.

Fampidirana ny Bokin’ny Kolosianina

Mampifaly an’i Jehovah isika raha mampihatra ny zavatra ianarantsika, mifamela heloka tanteraka, ary manaiky ny fahefan’i Jesosy.

Fampidirana ny Bokin’ny 1 Tesalonianina

Tokony hitandrina amin’izay zavatra mety hampihena ny finoantsika isika, ‘hamantatra tsara ny zava-drehetra’, ‘tsy hitsahatra hivavaka’, ary hifampahery.

Fampidirana ny Bokin’ny 2 Tesalonianina

Nahitsin’i Paoly ny hevi-diso nananan’ny Kristianina sasany momba ny andron’i Jehovah. Nampirisika azy ireo koa izy mba ho mafy orina ao amin’ny finoana.

Fampidirana ny Bokin’ny 1 Timoty

Noresahin’i Paoly ao amin’ny 1 Timoty ny fomba fiasa tokony harahina eo anivon’ny fiangonana. Nilaza koa izy fa ilaina ny mitandrina amin’ny fampianaran-diso sy ny fitiavam-bola.

Fampidirana ny Bokin’ny 2 Timoty

Nampirisihin’i Paoly i Timoty mba hanatanteraka tsara ny fanompoany.

Fampidirana ny Bokin’i Titosy

Ny olana tany amin’ny fiangonana tany Kreta sy ny fepetra takina amin’ny anti-panahy no resahina ao.

Fampidirana ny Bokin’i Filemona

Fohy ilay taratasy nefa mampirisika antsika mba hanetry tena sy ho tsara fanahy ary hamela heloka.

Fampidirana ny Bokin’ny Hebreo

Tsara lavitra noho ny tempoly sy ny sorona biby ny zavatra mampiavaka ny fivavahana kristianina.

Fampidirana ny Bokin’i Jakoba

Nanao fanoharana mora azo i Jakoba mba hanazavana hoe ahoana no tokony ho fomba fiainan’ny Kristianina.

Fampidirana ny Bokin’ny 1 Petera

Mandrisika antsika hiasa mafy sy hiresaka an’izay mampanahy antsika amin’Andriamanitra ny taratasy voalohany nosoratan’i Petera.

Fampidirana ny Bokin’ny 2 Petera

Mampirisika antsika ny taratasy faharoa nosoratan’i Petera mba tsy hivadika mihitsy mandra-pahatongan’ilay lanitra vaovao sy tany vaovao.

Fampidirana ny Bokin’ny 1 Jaona

Mampitandrina antsika amin’ny antikristy ny taratasin’i Jaona sady manampy antsika hahita hoe inona no tokony ho tiantsika sy tsy tiantsika.

Fampidirana ny Bokin’ny 2 Jaona

Mampahatsiahy antsika ny taratasy faharoa nosoratan’i Jaona hoe mila mandeha ao amin’ny fahamarinana foana isika ary mila mitandrina amin’ny mpamitaka.

Fampidirana ny Bokin’ny 3 Jaona

Mampianatra antsika mba ho tia mandray vahiny ny taratasy fahatelo nosoratan’i Jaona.

Fampidirana ny Bokin’i Joda

Resahin’i Joda hoe misy olona mitady hamitaka ny Kristianina sady mitady hitaona azy ireo hanao ratsy.

Fampidirana ny Bokin’ny Apokalypsy

Asehon’ny fahitana ao amin’ny Apokalypsy hoe hotanterahin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fikasany momba ny tany sy ny olombelona.

Fampidirana ny Baiboly

Jereo ato ny foto-kevitry Baiboly hoe hanamarina ny anaran’i Jehovah ilay Fanjakana tarihin’i Kristy Jesosy. Miresaka an’izany ny boky tsirairay ao amin’ny Baiboly.

Mety ho Tianao Koa

BOKY & BOKIKELY

Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?

Inona no votoatin’ny Baiboly?