Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?

Inona no votoatin’ny Baiboly?

Ilaina ve ny Mandinika ny Baiboly?

Ny Baiboly no boky be mpanana indrindra eran-tany. Diniho ny zavatra sasany tsara ho fantatra momba azy io.

FIZARANA 1

Tao Amin’ny Paradisa ny Olona

Inona no lazain’ny Baiboly momba ny famoronana ny olombelona sy ny paradisa? Inona avy ny didy nomen’Andriamanitra ny mpivady voalohany?

FIZARANA 2

Voaroaka tao Amin’ny Paradisa

Nahoana ny taranak’i Adama sy Eva no afaka manantena hoavy tsara?

FIZARANA 3

Voavonjy Tamin’ny Safodrano

Ahoana no nielezan’ny faharatsiana? Ahoana no nanehoan’i Noa fa tsy nivadika izy?

FIZARANA 4

Nanao Fifanekena Tamin’i Abrahama Andriamanitra

Nahoana i Abrahama no nifindra tany Kanana? Inona no fifanekena nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama?

FIZARANA 5

Notahina i Abrahama sy ny Taranany

Inona no tian’Andriamanitra haseho rehefa nasainy nataon’i Abrahama sorona i Isaka? Inona no faminaniana nolazain’i Jakoba, talohan’ny hahafatesany?

FIZARANA 6

Tsy Nivadika Mihitsy i Joba

Raha jerena ny bokin’i Joba, dia inona no mampiseho fa afaka manaporofo ny olona sy ny anjely rehetra hoe i Jehovah no manana zo hitondra?

FIZARANA 7

Nanafaka ny Israelita Andriamanitra

Inona no nasain’i Jehovah nataon’i Mosesy mba hanavotana ny Israelita tsy ho andevo tany Ejipta? Nahoana izy ireo no nankalaza ny Paska?

FIZARANA 8

Niditra ny Tany Kanana ny Israelita

Nahoana i Jehovah no nitsimbina an’i Rahaba sy ny fianakaviany rehefa niditra ny tany Kanana ny Israelita?

FIZARANA 9

Nangataka Mpanjaka ny Israelita

I Saoly no nofidin’i Jehovah rehefa nangataka mpanjaka ny Israelita. Nosoloan’i Jehovah an’i Davida anefa izy. Nahoana?

FIZARANA 10

Mpanjaka Hendry i Solomona

Inona no nampiseho fa hendry i Solomona? Inona no vokany rehefa nivadika tamin’i Jehovah izy?

FIZARANA 11

Hira Mampahery sy Ianaran-javatra

Aiza avy ny salamo mampiseho fa manampy sy mampahery an’ireo tia azy Andriamanitra? Mampianatra antsika inona ny Tononkiran’i Solomona?

FIZARANA 12

Torohevitra Manatsara ny Fiainana

Diniho hoe nahoana no mahasoa sy manampy antsika hatoky an’Andriamanitra ny torohevitra ao amin’ny Ohabolana sy Mpitoriteny.

FIZARANA 13

Mpanjaka Tsara sy Mpanjaka Ratsy

Ahoana no nahatonga ny fanjakan’ny Israely hizara roa?

FIZARANA 14

Naniraka Mpaminany Andriamanitra

Inona avy ny hafatra nampitain’ny mpaminany? Diniho ireo loha hevitra lehibe efatra noresahin’izy ireo.

FIZARANA 15

Nahazo Fahitana Momba ny Hoavy ny Mpaminany Iray

Inona no nolazaina tamin’i Daniela momba ny Mesia sy ny Fanjakan’Andriamanitra?

FIZARANA 16

Tonga ny Mesia!

Ahoana no nampiasan’Andriamanitra an’i Jaona Mpanao Batisa sy ny anjely mba hampahafantarana fa i Jesosy no Mesia? Ahoana no nilazan’i Jehovah mivantana fa i Jesosy no Mesia?

FIZARANA 17

Nampianatra Momba ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy

Inona no foto-kevitry ny fitorian’i Jesosy? Ahoana no nampisehoany fa ho mpitondra be fitiavana sy manao ny rariny izy?

FIZARANA 18

Nanao Fahagagana i Jesosy

Inona no asehon’ireo fahagagana nataon’i Jesosy, momba ny heriny sy ny zavatra hataony rehefa hitondra ny tany izy?

FIZARANA 19

Naminany Momba ny Hoavy i Jesosy

Inona no dikan’ny famantarana nomen’i Jesosy ny apostoliny?

FIZARANA 20

Novonoina i Jesosy Kristy

Inona ny fankalazana vaovao natombok’i Jesosy talohan’ny namadihana azy sy namantsihana azy teo amin’ny hazo fijaliana?

FIZARANA 21

Velona i Jesosy!

Ahoana no nahalalan’ny mpianatr’i Jesosy fa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty izy?

FIZARANA 22

Sahy Nitory ny Apostoly

Inona no nitranga tamin’ny Pentekosta taona 33? Ahoana no nataon’ny fahavalo rehefa nahita ny mpianatr’i Jesosy nitory?

FIZARANA 23

Niely ny Vaovao Tsara

Inona no nitranga rehefa nanasitrana lehilahy iray tany Lystra i Paoly? Ahoana no nahatonga azy tany Roma?

FIZARANA 24

Ireo Taratasin’i Paoly

Inona no torohevitra nomen’i Paoly momba ny fandaminana ny fiangonana? Inona no nolazainy momba an’ilay taranaka nampanantenaina?

FIZARANA 25

Torohevitra Momba ny Finoana sy Fitondran-tena ary Fitiavana

Ahoana no tokony hanehoana finoana? Ahoana no hampisehoantsika fa tena tia an’Andriamanitra isika?

FIZARANA 26

Ho Lasa Paradisa Indray ny Tany!

Nahoana no mifameno tsara amin’izay lazain’ny boky hafa rehetra ao amin’ny Baiboly ny bokin’ny Apokalypsy?

Famintinana Izay Voalazan’ny Baiboly

Inona no nataon’i Jehovah mba hampahafantarana tsikelikely fa i Jesosy ilay Mesia hamerina ny tany ho paradisa?

Taona Manan-tantara ao Amin’ny Baiboly

Ho hitanao ato ireo taona manan-tantara ao amin’ny Baiboly nanomboka tamin’ny taona 4026 T.K. ka hatramin’ny taona 100 A.K.