Hijery ny anatiny

TAHAFO NY FINOAN’IZY IREO | MARIA MAGDALENA

“Nahita ny Tompo Aho!”

“Nahita ny Tompo Aho!”

Niandrandra ny lanitra i Maria Magdalena, sady namafa ny ranomasony. Nalahelo be izy satria tena tiany ny Tompo nefa io fa nahantona teo amin’ny tsato-kazo. Lohataona tany tamin’izay, sady antoandro be tamin’ny 12 ora teo ho eo, nefa “nisy haizina nanarona ny tany manontolo”! (Lioka 23:44, 45) Namboamboarin’i Maria teo amin’ny sorony ilay lamba nanaovany, dia lasa izy nitampify teo akaikin’ireo vehivavy teo akaiky teo. Tsy fanakona-masoandro no nahatonga an’ilay haizina. Minitra vitsy ihany mantsy no maizina etỳ an-tany rehefa misy fanakona-masoandro, nefa adiny telo be izao no maizina ny andro tamin’io. Mety ho naheno feom-biby mpivoaka amin’ny alina mihitsy aza ry Maria tamin’izay. Nisy olon-kafa koa nahita an’ilay zava-nitranga, dia “natahotra be” dia niteny hoe: “Zanak’Andriamanitra tokoa io.” (Matio 27:54) Mety ho nieritreritra ny mpianatr’i Jesosy sy izay olona teo hoe avy amin’i Jehovah ilay haizina, satria nalahelo i Jehovah sady tezitra tamin’izay olona nampijaly an’ilay Zanany.

Tsy zakan’i Maria ny nahita an’i Jesosy nijaly teo, nefa tsy vitany ny hoe hamela azy irery eo. (Jaona 19:25, 26) Nanaintaina be tsy nisy hoatr’izany mantsy i Jesosy. Tsy vitan’i Maria koa ny hoe hamela ny maman’i Jesosy irery eo, satria tena nila nampiononina sy nampaherezina izy.

Be dia be ny zavatra nataon’i Jesosy ho an’i Maria, dia tsapany hoe tena tokony hamaly fitia azy izy. Tsy mba nisy dikany mantsy ny fiainany taloha sady tsy nohajain’ny olona izy. Niova anefa izany satria nampian’i Jesosy izy. Nataon’i Jesosy izay hahatonga azy hohajain’ny olona indray. Lasa nisy dikany koa ny fiainany, dia lasa nanam-pinoana be izy. Fa inona moa no nataon’i Jesosy taminy? Ary inona no azontsika ianarana avy amin’ny tantarany?

“Nampiasa ny fananany hikarakarana an’i Jesosy sy ny mpianany” izy ireo

Resahin’ny Baiboly hoe nanao soa be tamin’i Maria Magdalena i Jesosy. Nisy zavatra tena ratsy be mantsy nahazo azy, dia nafahan’i Jesosy tamin’izany izy. Nisy demonia fito be izao niditra tao aminy, dia nampijalijaly azy. Be dia be ny olona nampijalin’ny demonia tamin’izany. Niditra tao amin’ny olona sasany mihitsy aza izy ireny, dia nobaikoiny hanao izay tiany ilay olona. Tsy tena fantatsika hoe nanao ahoana i Maria rehefa nidiran’ireo demonia ireo. Ny fantatsika fotsiny dia hoe tena nahery setra be sady vetaveta saina ry zareo, sady amin’izay fito be izao! Soa ihany fa nesorin’i Jesosy tao aminy izy rehetra!—Lioka 8:2.

Afaka ihany ilay zavatra nampijaly an’i Maria! Fiainam-baovao amin’izay ny azy nanomboka teo! Tena nankasitraka an’i Jesosy izy. Ahoana no nampisehoany an’izany? Lasa mpianatr’i Jesosy izy, dia tsy niala taminy mihitsy. Rehefa nila fanampiana koa i Jesosy sy ny mpianany, dia vonona hanampy izy. Nisy fotoana, ohatra, ry Jesosy tsy nanana sakafo sy akanjo ary toerana hatoriana, satria tsy nanam-bola be sady tsy niasa. Nila olona hikarakara ry zareo, amin’izay afaka nifantoka tanteraka tamin’ny fanompoany.

Nikarakara an’izay nilain-dry Jesosy àry i Maria, dia nisy vehivavy hafa koa niaraka taminy. “Samy nampiasa ny fananany hikarakarana an’i Jesosy sy ny mpianany” izy ireo. (Lioka 8:1, 3) Nanan-karena be angamba ny sasany tamin’ireo vehivavy ireo. Tsy resahin’ny Baiboly hoe inona marina no nataon-dry zareo. Nikarakara sakafo angamba ry zareo, na nanasa lamba, na nitady trano hipetrahan-dry Jesosy tany amin’izay tanàna nandalovany. Nisy 20 teo ho eo ry Jesosy no niaraka nitety tanàna, dia ireo vehivavy ireo no nikarakara an’izay nilaina. Tena nanampy be an’i Jesosy sy ny apostoliny ry zareo, dia mba afaka nifantoka tsara tamin’ny fitoriana ry Jesosy. Tsy ho voavalin’i Maria mihitsy aloha raha ny zavatra nataon’i Jesosy taminy e! Nanao izay azony natao anefa izy! Izay dia efa nahafaly azy.

Be dia be amin’izao no mieritreritra hoe asa ambany izany hoe manao raharaha ho an’olona izany, dia ambany koa izay olona manao asa hoatr’izany. Izany koa ve no fahitan’Andriamanitra an’ireny olona ireny? Tsy izany mihitsy! Azo antoka fa faly be izy nahita hoe niezaka be mihitsy i Maria nikarakara an’i Jesosy sy ny apostoliny. Misy Kristianina be dia be manao hoatr’izany koa amin’izao. Manao asa heverina hoe ambany izy ireo mba hanampiana olona, sady tena mahafinaritra an-dry zareo ny manao an’izany. Tsy voatery hoe zavatra miavaka be no tsy maintsy atao, fa na zavatra kely na teny kely mampahery fotsiny aza dia efa misy vokany be. Faly be koa i Jehovah rehefa manao an’izany ny mpanompony.—Ohabolana 19:17; Hebreo 13:16.

“Teo akaikin’ny hazo fijalian’i Jesosy”

Nandeha nankany Jerosalema niaraka tamin-dry Jesosy i Maria sy ny vehivavy maromaro, tamin’ny taona 33. Hamonjy ny Paska ry zareo tamin’izay. (Matio 27:55, 56) Rehefa tonga tany anefa ry zareo, dia zava-doza no niseho. Nosamborin’ny olona i Jesosy, dia notsaraina tamin’ny andro alina. Nihorohoro be angamba i Maria tamin’izay. Tsy tapitra hatreo anefa, fa henony koa hoe nasain’i Pontio Pilato Governora nofantsihana teo amin’ny tsato-kazo i Jesosy. Ny mpitondra fivavahana jiosy sy ny vahoaka nanaraka azy ireo no nanery an’i Pilato hanao an’izany. Eritrereto ange e! Iny fa tazan’i Maria ilay Tompony, efa reraka be sady nihosin-dra. Efa nila tsy ho afa-mandeha intsony izy, nefa mbola nibata hazo navesatra be ihany. Io hazo io no hanantonana azy avy eo, dia eo izy no ho faty.—Jaona 19:6, 12, 15-17.

Maizina be tampoka ny andro tamin’ny 12 ora antoandro teo ho eo. Tsy niala “teo akaikin’ny hazo fijalian’i Jesosy” i Maria sy ireo vehivavy namany tamin’izay, fa nijanona teo foana. (Jaona 19:25) Teo foana i Maria hatramin’ny farany. Teo izy rehefa niangavian’i Jesosy hikarakara ny reniny ny apostoly Jaona. Henony koa i Jesosy niantsoantso ny Rainy sady nitaraina taminy. Dia henony tsara koa ny zavatra farany notenenin’i Jesosy tamin’izy niala aina. Hita hoe tena afa-po tamin’ny zavatra vitany i Jesosy, satria niteny izy hoe: “Vita!” Tena nalahelo be mihitsy i Maria. Mbola tsy niala teo ihany izy, na dia efa maty aza i Jesosy. Nalevin’ny lehilahy iray avy any Arimatia tao amina fasana vaovao i Jesosy avy eo. Josefa no anaran’ilay lehilahy, ary nanankarena be izy. Mbola nankany amin’ilay fasana indray i Maria, dia nijanona teo akaiky teo foana.—Jaona 19:30; Matio 27:45, 46, 57-61.

Inona no ianarantsika avy amin’i Maria? Inona no azontsika atao rehefa miatrika fitsapana ny mpiara-manompo amintsika? Ahoana, ohatra, raha nisy loza nahazo azy? Marina aloha hoe tsy mahavita manakana an’izany tsy hitranga isika. Tsy mahavita manasitrana ny ratram-pon’izy ireo koa isika. Azontsika atao tsara anefa ny mangoraka azy ireo, sady miara-miatrika an’ilay izy aminy, na dia mafy aza izany. Na mahita anao eo fotsiny aza izy dia efa mahazo hery. Aza avela ho irery àry ny namanao rehefa miaritra ny mafy. Ho hita amin’izay hoe tena tia azy ianao sady tia an’Andriamanitra. (Ohabolana 17:17) Hahavita hiaritra koa izy raha ampianao.

Azo antoka fa nampionona ny maman’i Jesosy ny nahita hoe tsy namela azy ho irery i Maria Magdalena fa teo foana

‘Halaiko izy’

Rehefa voalevina i Jesosy, dia nandeha nanomana zavamaniry mani-pofona ry Maria sy ireo vehivavy namany, mba hosorana tamin’ny vatan’i Jesosy. (Marka 16:1, 2; Lioka 23:54-56) Nifoha maraina be i Maria avy eo, rehefa vita ny Sabata. Alao sary an-tsaina ange e! Mbola maizimaizina ny andro, dia efa iny izy sy ny namany fa nandeha nankany amin’ilay fasan’i Jesosy. Nifampiresaka ry zareo teny an-dalana hoe ahoana no hanosehana an’ilay vato be ho afaka amin’ny varavaram-pasana. (Matio 28:1; Marka 16:1-3) Mbola nandeha ihany anefa ry zareo satria te hanao an’izay azony natao. Nino ry zareo hoe raha misy zavatra tsy vitany, dia tsy maintsy hanampy azy i Jehovah.

Toa i Maria no tonga voalohany teny amin’ilay fasana. Taitra be izy rehefa tonga teny, dia nijanona tampoka. Fa naninona? Efa nisy nanala ilay vato be teo amin’ilay fasana, dia efa tsy tao intsony ny fatin’i Jesosy! Tonga i Maria dia nihazakazaka be niverina, dia notantarainy tamin’i Petera sy Jaona ilay izy. I Maria rahateo tsy mba niandriandry izany mihitsy rehefa nisy zavatra nila natao. Eritrereto ange e! Ilay izy mbola sempotra avy nihazakazaka iny no niteny hoe: “Nisy naka tao am-pasana ny Tompo, ary tsy fantatray izay nametrahany azy.” Vao naheno an’izay i Petera sy Jaona dia nihazakazaka nankeny am-pasana, dia nahita hoe tena marina ny tenin’i Maria. Nandeha nody ry zareo avy eo. *Jaona 20:1-10.

Niverina tany amin’ilay fasana indray i Maria avy eo. Izy irery sisa no teo, fa efa lasa daholo ny olona. Dia teo izy dia teo! Alao sary an-tsaina ange e! Nangina be ny manodidina azy satria mbola maraina be tamin’izay. Ilay fasana anefa etsy tazany hoe foana tanteraka! Tsy tanany intsony ny ranomasony, dia nigogogogo be izy. Mbola tsy nino ihany izy hoe tsy tao am-pasana intsony ny fatin’ny Tompo, dia lasa izy nitsirika tao. Kanjo inona no hitany? Anjely anankiroa manao akanjo fotsy be! Nipetraka teo amin’ilay nasiana an’i Jesosy ry zareo. Nanontanian-dry zareo izy hoe fa maninona no mitomany. Mbola tsy tonga saina tsara i Maria, dia niteny indray hoe: “Nisy naka ny Tompoko, ary tsy fantatro izay nametrahany azy.”—Jaona 20:11-13.

Nitodika kely i Maria avy eo, dia nahita hoe nisy lehilahy nijoro teo aoriany. Tsy fantany ilay olona, dia noheveriny hoe mpanao zaridaina nikarakara an’ilay toerana. Nanontany azy moramora ilay lehilahy hoe: “Nahoana no mitomany ianao, ravehivavy? Fa iza no tadiavinao?” Niahiahy i Maria hoe ilay lehilahy no naka ny fatin’i Jesosy, dia tonga izy dia niteny hoe: “Mba lazao amiko, tompoko, izay nametrahanao azy hakako azy, raha ianao no naka azy.” (Jaona 20:14, 15) Mba eritrereto ange izany zavatra saika hataon’i Maria izany e! Izy irery, hono, no handeha haka ny fatin’i Jesosy Kristy dia hibata an’ilay izy, nefa izy vehivavy. I Jesosy anefa lehilahy natanjaka sady mety hoe navesatra be! Tsy nandany fotoana nieritreretana an’izany i Maria, na kely aza. Ny masaka tao an-tsainy dia hoe tsy maintsy mitady an’i Jesosy izy satria izay no mba azony natao.

‘Halaiko izy’

Inona no azontsika ianarana avy amin’i Maria Magdalena? Mila tsy ho zakantsika indraindray ny zavatra mahazo antsika. Mety hieritreritra isika hoe tsy ho vitantsika mihitsy ny haharesy an’ilay izy, na mahatsiaro isika hoe tsy afa-manoatra mihitsy. Raha izay foana no mibahana ao an-tsaintsika, dia tsy hahavita na inona na inona isika fa hatahotra be eo foana sady hisalasala. Tsy aleo ve miezaka manao an’izay azontsika atao, dia apetraka amin’Andriamanitra izay tsy vitantsika? Mety hahavita zavatra tsy ampoizintsika mihitsy isika, raha manao an’izany! (2 Korintianina 12:10; Filipianina 4:13) Tsy vitan’izay fa ho faly i Jehovah. Azo antoka fa faly izy nahita ny nataon’i Maria, dia nanome azy valisoa hafakely.

“Nahita ny Tompo aho!”

Hay tsy mpanao zaridaina ilay lehilahy nijoro tao aorian’i Maria, fa mpandrafitra taloha, dia avy eo lasa mpampianatra, dia lasa Tompo izao. Izy ilay Tompo tsy foin’i Maria, fa mbola tsy fantatr’i Maria hoe izy io, dia tsy taitra izy. Mbola tsy fantany hoe efa natsangana tamin’ny maty i Jesosy, sady efa lasa anjely mahery. I Jesosy koa moa rehefa niseho taminy, dia tsy hoatran’ilay taloha intsony ny paoziny. Nitafy vatan’olombelona ihany izy fa tsy ilay vatany taloha intsony, dia izay no tsy nahalalan’i Maria azy. Tsy i Maria ihany no tsy nahafantatra azy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, fa na ny mpianany hafa koa aza.—Lioka 24:13-16; Jaona 21:4.

Inona no nataon’i Jesosy mba hahafantaran’i Maria azy? Niteny fotsiny izy hoe “Maria!”, dia tonga dia fantatr’i Maria izy. Hafa mihitsy mantsy ny fomba fanononan’i Jesosy ny anarany. Niverina nitodika tany amin’i Jesosy i Maria, dia namaly hoe: “Rabôny!” Teny hebreo io, ary efa fiantsoany an’i Jesosy hatramin’izay. Hay ilay Mpampianatra tsy foiny io hitan’ny masony io! Faly be tsy nisy hoatr’izany izy! Notazoniny mafy be i Jesosy dia saika tsy havelany mihitsy.—Jaona 20:16.

Fantatr’i Jesosy hoe nitady tsy hamela azy handeha i Maria, dia noteneniny hoe: “Aza mamikitra amiko.” Azo antoka fa tsy hoe nasiaka izy rehefa niteny an’izany, fa nitsikitsiky sady nesoriny moramora ny tanan’i Maria. Nomeny toky izy hoe mbola tsy tonga dia hiakatra any an-danitra izy. Hoy izy: “Mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray aho.” Mbola nisy asa nila nataony mantsy teto an-tany. Tiany hanampy azy amin’ilay asa i Maria, dia nirahiny ho any amin’ny mpianany. Dia nihaino tsara mihitsy i Maria. Hoy i Jesosy taminy: “Mandehana any amin’ny rahalahiko ary lazao aminy hoe: ‘Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.’”—Jaona 20:17.

Voninahitra be mihitsy izany hoe irahin’ny Tompo izany! Eritrereto ange e! Vao tafatsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia i Maria no anisan’ireo mpianatra nahita azy voalohany, nefa tsy izay ihany fa mbola nirahin’i Jesosy koa izy mba hilaza an’izany vaovao tsara izany tamin’ny mpianatra hafa. Faly be izy dia maika erỳ hitady an-dry zareo. Alao sary an-tsaina hoe io izy fa mihaona amin-dry zareo, dia sempotsempotra be miteny hoe: “Nahita ny Tompo aho!” Azo antoka fa mbola niverimberina tao an-tsainy foana ireo teny ireo, na dia ela be tatỳ aoriana aza. Mbola tsy maty tao an-tsain’ny mpianatra hafa mihitsy koa ilay izy. Nampitain’i Maria tamin-dry zareo daholo avy eo ny hafatr’i Jesosy, sady nientanentana be izy. (Jaona 20:18) Efa henon’ny mpianatra ihany ilay zavatra nitranga satria efa notantarain’ireo vehivavy hafa, fa i Maria no nanamafy azy.—Lioka 24:1-3, 10.

“Nahita ny Tompo aho!”

‘Tsy nino’ an’ireo vehivavy ny mpianatra

Nino an’izay notantarain-dry Maria ve ny mpianatra hafa? Tsy nino ry zareo tamin’ny voalohany. “Noheveriny fa niteniteny foana ... ireo vehivavy ireo, ka tsy ninoany.” (Lioka 24:11) Tsy natoky vehivavy ny lehilahy israelita tamin’izany satria efa izay no nitaizana an-dry zareo. Nampianarin’ny mpitondra fivavahana, ohatra, hoe tsy mahazo manao vavolombelona any amin’ny fitsarana ny vehivavy. Tsy olona ratsy fanahy ny apostoly, saingy nisy vokany taminy ny fomba fisainan’ny olona nanodidina azy. I Jehovah sy Jesosy anefa tsy mba mitsaratsara olona. Natokisan-dry zareo i Maria, dia nirahiny hilaza hafatra lehibe.

Tsy nampaninona an’i Maria anefa na dia tsy nino azy aza ny apostoly. Rehefa natoky azy fotsiny ilay Tompony, dia efa faly izy. Asaina milaza hafatra tena lehibe koa ny mpianatr’i Jesosy rehetra amin’izao. Antsoina hoe “vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra” io hafatra io. (Lioka 8:1) Efa nilaza i Jesosy hoe tsy ny olona rehetra no hino an-dry zareo, na ho tia an’ilay hafatra toriny. (Jaona 15:20, 21) Mila manao hoatran’i Maria àry ny Kristianina. Ny apostoly mihitsy no tsy nino azy tamin’ny voalohany, nefa mbola nazoto foana niresaka momba ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty izy!

Niseho tamin’ny apostoly i Jesosy tatỳ aoriana, dia avy eo tamin’ny mpianany hafa. Nihabetsaka foana ny mpianatra nahita azy. Nisy fotoana aza izy niseho tamin’olona 500 mahery. (1 Korintianina 15:3-8) Azo antoka fa nahita an’i Jesosy imbetsaka i Maria, na naheno olona nitantara hoe nahita azy. Nihanatanjaka àry ny finoany. Vao mainka aza izy lasa nanam-pinoana rehefa lasa tany an-danitra i Jesosy. Nandatsaka fanahy masina tamin’ny mpianatra maromaro mantsy i Jesosy tamin’ilay fivoriana tany Jerosalema tamin’ny Pentekosta, dia azo inoana fa iray tamin’ireo vehivavy nahazo fanahy masina i Maria.—Asan’ny Apostoly 1:14, 15; 2:1-4.

Azo antoka fa tsy nihena mihitsy ny finoan’i Maria Magdalena mandra-pahafatiny. Aza avela hihena mihitsy koa ny finoanao! Tahafo koa i Maria, ka ankasitraho izay rehetra nataon’i Jesosy ho anao. Manetre tena, dia ampio izay olona mila ampiana. Matokia foana koa hoe hanampy anao i Jehovah.

^ feh. 12 Nisy anjely niseho tao anatin’ilay fasana, dia nanazava hoe efa natsangana i Kristy. Izay vehivavy tavela teo no naheno an’ilay izy, fa i Maria efa lasa matoa izy tsy nitantara tamin’i Petera sy Jaona hoe nahita anjely. Nitantara fotsiny izy hoe efa tsy tao am-pasana intsony ny fatin’i Jesosy.—Matio 28:2-4; Marka 16:1-8.