Hijery ny anatiny

TAHAFO NY FINOAN’IZY IREO | MIRIAMA

“Mihirà ho An’i Jehovah”!

“Mihirà ho An’i Jehovah”!

Niafina teny lavidavitra ilay ankizivavy mba tsy ho hitan’ny olona, sady nijery tsara an’ilay toerana teo anelanelan’ny bararata. Tsy nihetsiketsika mihitsy izy na dia nitaintaina aza. Nikoriana moramora teo akaikiny teo ny Reniranon’i Neily. Niandry ela be teo izy, sady niezaka tsy nifantoka tamin’ireo bibikely nanidintsidina teo aminy. Misy harona tsy tafiditry ny rano eo amin’ilay toerana jereny, ary ny zandriny lahy no ao anatin’ilay izy. Nalahelo be izy nieritreritra hoe irery ao ilay zandriny sady tsy afaka manao na inona na inona. Fantany anefa hoe nandray fanapahan-kevitra tsara ny ray aman-dreniny nametraka an’ilay zazalahikely tao, satria izay ihany no azo natao mba hanavotana azy.

Hita hoe tena be herim-po io ankizivavy io, ary mbola nampiseho an’izany izy tsy ela taorian’izay. Mbola kely izy nefa efa be finoana ka natoky an’Andriamanitra. Vao mainka nampiseho ny finoany izy taoriana kelin’io, ary nanova ny fiainany manontolo ny zavatra nataony. Na dia efa antitra aza izy, taona maro tatỳ aoriana, dia mbola ny finoany ihany no nitarika azy tamin’ny fotoana niavaka indrindra teo amin’ny tantaran’ny fireneny. Io toetra io koa no nanampy azy rehefa nanao fahadisoana lehibe izy. Iza io ankizivavy io? Ary inona no ianarantsika avy amin’ny finoany?

Andevo Nandritra ny Fahazazany

Tsy milaza ny anaran’ilay ankizivavy ny Baiboly eo amin’io tantara io. Fantatsika anefa hoe i Miriama izy io. Izy no zanaka voalohany naterak’i Amrama sy Jokebeda, andevo hebreo tany Ejipta. (Nomery 26:59) Nantsoina hoe Mosesy ilay zandriny kely indrindra, tatỳ aoriana. Nanana zandrilahy iray hafa atao hoe Arona koa izy, ary mety ho telo taona teo ho eo izy io tamin’io fotoana io. Tsy fantatra kosa hoe firy taona i Miriama tamin’io, fa azo inoana hoe tsy nihoatra ny folo taona izy.

Tsy mora ny fiainan’i Miriama tamin’izany. Tena natahoran’ny Ejipsianina ny Hebreo, ka nataony andevo sady nampijaliny. Nitombo foana anefa ny isan’ny Hebreo, ka vao mainka nanao tetika nahatsiravina ny Ejipsianina. Nobaikoin’i Farao ny mpampivelona roa atao hoe Sifra sy Poha mba hamono ny zazalahikely hebreo vao teraka rehetra. Tsy nanaraka an’ilay didy anefa izy ireo. (Eksodosy 1:8-22) Azo inoana hoe nahafantatra momba ny finoana nasehon’ireo vehivavy ireo i Miriama.

Hitan’i Miriama koa hoe nanam-pinoana ny ray aman-dreniny. Rehefa teraka ny zanak’izy ireo fahatelo, dia nafenin’izy ireo nandritra ny telo volana izy. Tsy natahotra ny didin’ny mpanjaka izy ireo, ka tsy namela an’ilay zaza hovonoina. (Hebreo 11:23) Tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra sarotra anefa izy ireo, satria tsy mora ilay hoe manafina zazakely. Fantatr’i Jokebeda hoe tokony hisaraka amin’ilay zanany izy, ary hamela azy amin’ny toerana iray mety hisy olona afaka miaro sy mitaiza azy. Alao sary an-tsaina izy mivavaka mafy sady manamboatra harona kely, mametaka godorao amin’ilay izy mba tsy hidiran’ny rano, mametraka ny zanany ao, ary mamela an’ilay zanany tsy foiny eny amin’ny Reniranon’i Neily. Azo antoka hoe niteny an’i Miriama izy mba hanara-maso an’ilay harona sy hijery ny zava-mitranga.—Eksodosy 2:1-4.

Nanavotra ny Zandriny Izy

Niandry teo àry i Miriama. Nisy olona nanatona an’ilay toerana ihany tamin’ny farany, sady tsy Ejipsianina tsotsotra ry zareo. Ny zanakavavin’i Farao sy ireo vehivavy mpikarakara azy no tonga teo mba handro tao amin’ny Reniranon’i Neily . Natahotra be angamba i Miriama rehefa nahita azy ireo. Mety ho nieritreritra izy hoe ‘ny zanakavavin’i Farao indray ve no tsy hanaraka ny didin’ny rainy, ka hiaro zazakely hebreo!’ Azo antoka hoe nivavaka mafy izy tamin’io fotoana io.

Ny zanakavavin’i Farao no nahatazana voalohany an’ilay harona, ary nasaina naka an’ilay izy ireo mpanompovaviny. Mitantara ny Baiboly hoe: “Nosokafany ilay vata, ka hitany ilay zazalahikely nitomany.” Tonga dia azon’ny zanakavavin’i Farao hoe nisy reny hebreo iray niezaka nanavotra ny zanany. Nangoraka an’ilay zaza anefa izy. (Eksodosy 2:5, 6) Nijery tsara ny zava-nitranga i Miriama, ka hitany hoe te hanampy an’ilay zaza ilay zanaky ny mpanjaka. Fantatr’i Miriama hoe teo izy no nila nampiseho ny finoany an’i Jehovah. Niezaka ny ho be herim-po àry izy, ka nanatona an’ireo olona teo.

Tsy fantatsika hoe inona no mety ho nitranga tamin’izany, raha nisy ankizivavy hebreo sahy niresaka tamin’ny olona iray anisan’ny fianakavian’ny mpanjaka. Tonga anefa i Miriama dia nanontany ny zanakavavin’ny mpanjaka hoe: “Tianao ve ny hiantsoako vehivavy hebreo mpampinono, mba hampinono azy?” Nety tsara ilay fanontaniana napetrany. Fantatr’ilay zanaky ny mpanjaka hoe tsy ho afaka hikarakara an’ilay zazakely izy. Nieritreritra angamba izy hoe tsara kokoa aloha raha Hebreo no mikarakara an’ilay zazakely, fa rehefa lehibe kokoa izy vao hatsangany ho zanany sy hotezainy ary hampianariny. Azo antoka fa faly be i Miriama rehefa namaly ilay zanaky ny mpanjaka hoe: “Mandehana àry!”—Eksodosy 2:7, 8.

Be herim-po i Miriama rehefa nanara-maso ny zandriny

Nihazakazaka nody haingana i Miriama. Efa nitaintaina ny ray aman-dreniny hoe inona no nitranga. Faly erỳ i Miriama avy eo nitantara tamin’izy ireo. Azo antoka fa resy lahatra i Jokebeda hoe i Jehovah no nahatonga an’izany. Nankany amin’ny zanakavavin’i Farao niaraka tamin’i Miriama àry izy. Niezaka nifehy ny hafaliana angamba izy rehefa nilaza ny zanakavavin’i Farao hoe: “Ento any aminao ity zaza ity ka ampinonoy, fa homeko karama ianao.”—Eksodosy 2:9.

Nianatra zavatra be dia be momba an’i Jehovah Andriamaniny i Miriama tamin’iny andro iny. Hitany hoe tena tia ny mpanompony i Jehovah ary mihaino ny vavak’izy ireo. Nianarany koa hoe tsy ny olon-dehibe na ny lehilahy ihany no afaka ny ho be herim-po sy hanam-pinoana. Mihaino ny mpanompony tsy mivadika rehetra i Jehovah. (Salamo 65:2) Mila mitadidy an’izany isika rehetra amin’izao fotoan-tsarotra izao, na tanora isika na be taona, na lehilahy na vehivavy.

Nanam-paharetana Izy

Nampinono an’ilay zaza i Jokebeda sady nikarakara azy. Azo antoka fa lasa tena tia an’ilay zandriny navotany i Miriama. Mety ho nampianatra azy hiteny izy, ary faly be angamba izy rehefa nahavita niteny ny anarana hoe Jehovah ilay zaza. Tsy maintsy naterina tany amin’ny zanakavavin’i Farao ihany ilay zaza rehefa nihalehibe. (Eksodosy 2:10) Azo antoka fa nalahelo be i Miriama sy ny fianakaviany rehefa tsy niaraka tamin-dry zareo intsony ilay zandriny. Nantsoin’ny zanakavavin’i Farao hoe Mosesy ilay zaza tatỳ aoriana. Tsy andrin’i Miriama erỳ ny hahita hoe ho lasa olona hoatran’ny ahoana i Mosesy. Mbola ho tia an’i Jehovah foana ve izy na dia miara-miaina amin’ny fianakavian’ny mpanjaka aza?

Nivaly io fanontaniany io tatỳ aoriana. Azo antoka fa nirehareha erỳ i Miriama rehefa nihalehibe ny zandriny. Nisafidy ny hanompo an’Andriamanitra mantsy i Mosesy, ary nandà ny tombontsoa mety ho azony noho izy fianakavian’i Farao. Nanao zavatra ho an’ny mpiray firenena taminy i Mosesy tamin’izy 40 taona. Namono Ejipsianina iray nampijaly andevo hebreo iray izy. Fantatr’i Mosesy hoe hovonoina ho faty izy noho ny nataony, ka nandositra niala tany Ejipta izy.—Eksodosy 2:11-15; Asan’ny Apostoly 7:23-29; Hebreo 11:24-26.

Taorian’izay, dia mety ho tsy naheno na inona na inona momba ny anadahiny intsony i Miriama nandritra ny efapolo taona. Lasa mpiandry ondry tany Midianina, toerana lavitra an’i Ejipta, mantsy i Mosesy. (Eksodosy 3:1; Asan’ny Apostoly 7:29, 30) Nihantitra i Miriama tao anatin’izay fotoana izay, ary hitany fa vao mainka nampijalina ny Hebreo.

Mpaminanivavy

Mety ho 80 taona mahery i Miriama rehefa niverina tany Ejipta i Mosesy. Nirahin’i Jehovah izy mba hanafaka ny vahoakany. I Arona no mpitondra tenin’i Mosesy, ary niteny an’i Farao izy mirahalahy mba hanafaka ny vahoakan’Andriamanitra. Azo antoka hoe nanohana an’ireo anadahiny foana i Miriama, rehefa tsy nihaino azy ireo i Farao. Nanohana azy ireo koa izy rehefa niverimberina tany amin’i Farao izy ireo. Nandefa an’ireo loza folo i Jehovah tao anatin’izay mba hampitandremana an’ireo Ejipsianina. Navela handeha ihany ny Israelita taorian’ny loza fahafolo, izay nahafaty ny lahimatoa rehetra tao Ejipta. Eritrereto i Miriama miezaka mafy manampy an’ireo mpiray firenena aminy, rehefa miala an’i Ejipta ry zareo ary tarihin’i Mosesy.—Eksodosy 4:14-16, 27-31; 7:1–12:51.

Hoatran’ny hoe tapi-dalan-kaleha ny Israelita, tatỳ aoriana. Ny Ranomasina Mena mantsy no teo alohan’izy ireo, ary ny tafika ejipsianina no tao aoriana. Tamin’izay i Miriama no nahita an’i Mosesy nitsangana teo alohan’ilay ranomasina ary nanatsotra ny tehiny. Nisaraka avy eo ilay ranomasina! Notarihin’i Mosesy ireo Israelita, ary nandeha teo amin’ny tany maina teo afovoan’ilay ranomasina. Mbola tsy natanjaka hoatr’izany ny finoan’i Miriama an’i Jehovah! Andriamanitra mahavita manao izay tiany sy mahavita manatanteraka ny fampanantenany rehetra no notompoiny.—Eksodosy 14:1-31.

Tonga teny ampita daholo ny Israelita rehetra ary nanarona an’i Farao sy ny tafiny ilay ranomasina. Hitan’i Miriama hoe mahery noho ny tafika olombelona mahery indrindra i Jehovah. Nanao hira ho an’i Jehovah ilay vahoaka taorian’izay. Nitarika an’ireo vehivavy israelita hihira toy izao i Miriama: “Mihirà ho an’i Jehovah, fa nisandratra avo dia avo izy. Natsipiny tao an-dranomasina ny soavaly mbamin’ny mpitaingina azy.”—Eksodosy 15:20, 21; Salamo 136:15.

Miriama mitarika an’ireo vehivavy Israelita manao hiram-pandresena, eo amoron’ny ranomasina mena

Anisan’ny zavatra niavaka indrindra teo amin’ny fiainan’i Miriama iny, ary tsy hohadinoiny mihitsy. Antsoin’ny Baiboly hoe mpaminanivavy i Miriama eo amin’io tantara io. Izy no vehivavy voalohany lazaina hoe mpaminanivavy ao amin’ny Baiboly. Vitsy ihany ireo vehivavy mpanompon’i Jehovah nahazo an’izany tombontsoa izany.—Mpitsara 4:4; 2 Mpanjaka 22:14; Isaia 8:3; Lioka 2:36.

Mampahatsiahy antsika àry ny Baiboly hoe mijery antsika i Jehovah, ary vonona hamaly soa antsika izy noho ny ezaka ataontsika, ny fiaretantsika, ary ny faniriantsika hidera azy. Afaka maneho finoana an’i Jehovah daholo isika, na antitra na tanora, na lehilahy na vehivavy. Tena faly i Jehovah mahita ny finoantsika ary tsy hohadinoiny mihitsy izany. Faly koa izy mamaly soa antsika. (Hebreo 6:10; 11:6) Tsy mandrisika antsika hanam-pinoana hoatran’i Miriama ve izany?

Nirehareha Izy

Mahazo fitahiana ny olona iray rehefa mahazo fanendrena manokana na manana toerana miavaka. Mety hisy vokany ratsy koa anefa izany. I Miriama angamba no vehivavy nalaza indrindra teo amin’ny Israelita, taorian’ny nanafahana azy ireo tany Ejipta. Nahatonga azy hirehareha ve izany? (Ohabolana 16:18) Nampalahelo fa nisy fotoana izy nirehareha.

Volana vitsivitsy taorian’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta, dia tonga avy any lavitra i Jetro rafozandahin’i Mosesy sy i Zipora vadin’i Mosesy ary ny zanany roa lahy. Nanambady an’i Zipora i Mosesy, tamin’izy nijanona efapolo taona tany Midianina. Niaraka tamin’i Mosesy nankany Ejipta i Zipora rehefa nirahin’i Jehovah i Mosesy. Niverina tany amin’ny fianakaviany tany Midianina anefa i Zipora, mba hitsidika ny rainy angamba. Nitondra azy tao amin’ny tobin’ny Israelita indray izao ny rainy. (Eksodosy 18:1-5) Tena variana angamba ny Israelita rehefa tonga i Zipora. Betsaka no te hahita hoe hoatran’ny ahoana ny vadin’ilay lehilahy nofidin’Andriamanitra mba hanafaka azy ireo.

Mba faly koa ve i Miriama? Mety faly angamba izy tamin’ny voalohany. Niova anefa izy taorian’izay. Natahotra angamba izy hoe i Zipora indray no ho lasa vehivavy malaza indrindra eo amin’ny firenena. Na inona na inona antony, dia nahatonga azy sy Arona hilaza zavatra tsy nety izany. Lasa be fanakianana koa izy ireo. Nitaraina aloha ry zareo hoe tsy Israelita i Zipora fa Kosita. * Nanakiana an’i Mosesy mihitsy izy ireo avy eo. Nilaza izy ireo hoe: “Amin’ny alalan’i Mosesy ihany angaha no itenenan’i Jehovah, fa tsy amin’ny alalanay koa?”—Nomery 12:1, 2.

Lasa Boka Izy

Hita tamin’ny tenin’izy ireo fa lasa nanana toe-tsaina ratsy i Miriama sy Arona. Tsy tian’izy ireo ny fomba nampiasan’i Jehovah an’i Mosesy, ka nitady fahefana bebe kokoa sy naniry halaza kokoa izy ireo. Lasa hoatr’izany ve izy ireo satria nanambony tena i Mosesy? Azo inoana fa nanao fahadisoana maro i Mosesy. Tsy olona mpirehareha mihitsy anefa izy. Milaza ny Baiboly hoe: “Tamin’ny olona teto ambonin’ny tany, dia i Mosesy no lehilahy be fandeferana indrindra.” Na ahoana na ahoana, dia tsy nety ny zavatra nolazain’i Miriama sy Arona momba an’i Mosesy. Ary ratsy ny vokany, satria tantarain’ny Baiboly hoe: “Nihaino i Jehovah.”—Nomery 12:2, 3.

Tampoka teo dia nasain’i Jehovah nankany amin’ny tranolay fihaonana izy telo mianadahy. Nidina teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay ilay andry rahona nampiseho hoe nanatrika teo i Jehovah. Nanomboka niteny i Jehovah avy eo. Nanitsy an’i Miriama sy Arona izy, ka nampahatsiahy azy ireo fa tena natokisany i Mosesy ary hafa mihitsy ny fifandraisany aminy. Azo antoka fa natahotra be i Miriama sy Arona. Hitan’i Jehovah hoe tena tsy nanaja an’i Mosesy izy ireo sady tsy nanaja azy koa.—Nomery 12:4-8.

I Miriama no nahatonga an’ilay olana, satria izy no nitarika an’i Arona hanohitra ny zaobavin’izy ireo. Azontsika àry hoe nahoana no i Miriama no nosazin’i Jehovah, ka nataony boka. Tratran’ilay aretina i Miriama ka lasa “fotsy be” ny hodiny. Tonga dia niala tsiny tamin’i Mosesy i Arona, ary nangataka taminy mba hitalaho amin’i Jehovah hoe havela ny helok’izy ireo. Olona be fandeferana i Mosesy, ka nitaraina mafy tamin’i Jehovah hoe: “Mba miangavy re, Andriamanitra ô! Mba sitrano re izy e!” (Nomery 12:9-13) Tena nalahelo an’i Miriama izy mirahalahy ary nangataka mba ho sitrana izy. Hita avy amin’izany hoe tena tian’izy ireo ilay zokiny na dia nanao fahadisoana aza.

Namela ny Helony Andriamanitra

Namela ny helok’izy ireo i Jehovah. Nibebaka i Miriama ka nanaiky hanasitrana azy i Jehovah. Nasain’i Jehovah natokan-toerana fito andro tany ivelan’ny toby anefa izy. Azo antoka hoe sarotra be tamin’i Miriama ny hankatò an’ilay izy, satria ho fantatry ny olona hoe nananatra azy i Jehovah. Soa ihany anefa fa nanam-pinoana izy. Azo antoka fa fantany hoe nanao ny rariny i Jehovah Rainy, ary ny fitiavana no nahatonga an’i Jehovah hanitsy azy. Nankatò àry izy. Nijanona ho irery izy nandritra ny fito andro, ary niandry azy ny tao an-toby. Mbola nampiseho ny finoany indray izy taorian’izay, rehefa nanetry tena ka nanaiky ‘horaisina indray tao an-toby.’—Nomery 12:14, 15.

Anarin’i Jehovah izay olona tiany. (Hebreo 12:5, 6) Tena tian’i Jehovah i Miriama, ka izany no nahatonga azy hanitsy an’i Miriama rehefa nirehareha izy. Tsy mora tamin’i Miriama ilay nanarina, nefa izay no nanavotra azy. Nankasitrahan’i Jehovah indray izy, satria nanetry tena ka nanaiky hanarina. Maty izy taloha kelin’ny nialan’ny Israelita tany an-tany efitra. Mety ho 130 taona latsaka izy rehefa maty tao Kadesy, tany an-tany efitr’i Zina. * (Nomery 20:1) Nanome voninahitra an’i Miriama i Jehovah, taonjato maro tatỳ aoriana, noho izy tsy nivadika. Nampahatsiahy ny mpanompony izy, tamin’ny alalan’i Mika mpaminany, hoe: “Avy tao amin’ny trano fanandevozana no nanavotako anao. Ary naniraka an’i Mosesy sy Arona ary Miriama aho mba handeha teo alohanao.”—Mika 6:4.

Nanam-pinoana i Miriama, ka nanetry tena foana izy rehefa nanarin’i Jehovah

Betsaka ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Miriama. Mila miaro an’ireo tsy misy mpiaro isika ary sahy manohana ny rariny, hoatran’i Miriama tamin’izy mbola kely. (Jakoba 1:27) Tokony hanao hoatr’azy isika, ka hazoto hampianatra ny hafa momba an’izay lazain’Andriamanitra. (Romanina 10:15) Mila fantarintsika izay tokony hataontsika mba tsy hahatonga antsika hialona. (Ohabolana 14:30) Tokony hanetry tena hoatr’azy koa isika, ka hanaiky hanarin’i Jehovah. (Hebreo 12:5) Tena manahaka ny finoan’i Miriama isika rehefa manao an’ireo.

^ feh. 21 Ilay teny hoe “Kosita” eto dia mety hidika fa avy any Arabia, hoatran’ny Midianita hafa rehetra, i Zipora, fa tsy avy any Etiopia.

^ feh. 26 I Miriama no maty voalohany, avy eo i Arona, ary i Mosesy no farany. Toa nifanelanelana herintaona ny fotoana nahafatesan’izy ireo.