Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ahoana no Atao Raha Te Hamono Tena ny Zanakao?

Ahoana no Atao Raha Te Hamono Tena ny Zanakao?

 Mitombo be mihitsy ny isan’ny tanora mamono tena any amin’ny tany sasany tato ho ato. Fa inona no antony? Manahy koa ve ianao sao dia te hamono tena ny zanakao?

Ho hitantsika ato hoe:

 Nahoana no tokony hahaliana ny ray aman-dreny ny momba ny ankizy mamono tena?

 Teo anelanelan’ny taona 2009 sy 2019, dia nitombo 40 isan-jato ny isan’ny mpianatra any amin’ny lise any Etazonia ahitana soritr’ilay aretina hoe dépression, izany hoe hakiviana be. Nitombo be koa ny isan’ny namono tena teo anelanelan’ireo taona ireo. a

 “Tena hafa mihitsy ny olana atrehin’ny tanora amin’izao ... Ratsy be mihitsy ny vokatr’ireny olana ireny eo amin’ny fahasalaman’izy ireo ara-tsaina.”​—Vivek H. Murthy, Minisitry ny Fahasalamana any Etazonia.

 Torolalan’ny Baiboly: “Mandany hery ... ny hakiviana.”​—Ohabolana 17:22.

 Ahoana no ahafantaranao raha te hamono tena ny zanakao?

 Diniho ireto:

  •   Zava-nitranga: Nisy zavatra nampalahelo be nahazo ny zanakao ve, ohatra hoe nisy nanilikilika izy, na nisarahan’ny namany, na tsy afa-panadinana, na nisy olona akaiky azy maty? Sao dia mba ratsy noho ny nieritreretanao azy ve ny vokatr’ilay izy aminy?

  •   Zavatra ataony: Lasa tsy miaraka amin’ny namany na ny fianakaviany intsony ve izy, na nisy zavatra nahafinaritra azy taloha nefa tsy ataony intsony izao? Nisy zavatra tena sarobidy taminy ve nefa nomeny olona ilay izy?

  •   Zavatra teneniny: Miresadresaka momba ny hoe te ho faty ve ny zanakao, na miteny zavatra toy ny hoe: ‘Hoatran’ny aleoko maty’? Sa izy miteny aminao hoe tsy te ho enta-mavesatra ho anao?

     Marina aloha fa mety ho ‘rediredy’ fotsiny ny zavatra sasany tenenin’ny zanakao. (Joba 6:3) Mety ho efa te hila vonjy anefa izy indraindray matoa miteny zavatra hoatr’izany. Na inona na inona àry zavatra tenenin’ny zanakao momba ny hoe te ho faty izy, dia aza avela amin’izao fotsiny izany.

 Raha miteny ny zanakao hoe efa nieritreritra ny hamono tena izy, dia azonao anontaniana izy hoe: “Dia rahoviana no noeritreretinao hanaovana an’ilay izy dia hoatran’ny ahoana no saika hanaovanao azy?” Ho hitanao amin’ny valiny omeny eo raha efa misy zavatra mila ataonao haingana.

 Indraindray isika ray aman-dreny tsy te hametraka fanontaniana amin’ny zanatsika satria matahotra an’izay havalin-dry zareo. Raha avy amin’ny zavatra avaliny anefa no ahafantarana an’izay any am-pony, tsy aleo ve manontany ihany dia amin’izay mba fantatra ilay izy?​—Sandra.

 Torolalan’ny Baiboly: “Toy ny rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona, fa mahay manovo an’izany izay mahay mandinika.”​—Ohabolana 20:5.

 Ahoana no atao raha te hamono tena ny zanakao?

  •   Ezaho fantarina moramora hoe inona no eritreretin’ny zanakao sy tsapany. Isaory aloha izy satria nilaza ny marina taminao. Afaka miteny ianao avy eo hoe: “Mba tiako ho azo tsara ny zavatra mitranga eo amin’ny fiainanao sy izay tsapanao vokatr’ilay izy. Eo hoe mba resaho ahy ny zava-nitranga tato ho ato?” Na afaka milaza ianao hoe: “Dia hoatran’ny ahoana izany hoe te ho faty izany?”

     Henoy tsara ny valiny omen’ny zanakao, dia manàna faharetana rehefa mihaino azy. Aza maimaika hiteny hoe tsy zava-dehibe ny zavatra tsapany, na maimaika hanome vahaolana.

     Torolalan’ny Baiboly: “Aoka ny olona rehetra ho vonona hihaino, sady tsy ho maimaika hiteny, ary tsy ho mora tezitra.”​—Jakoba 1:19.

  •   Manaova planina mba hiarovana azy. Ampio ny zanakao mba hamantatra sy hanoratra an’ireto zavatra ireto:

     Famantarana: Inona matetika ny zavatra mitranga na zavatra ataony na eritreretiny aloha kelin’ny hieritreretany hoe handeha hamono tena izy?

     Zavatra hanampy azy: Inona no zavatra tena afaka manampy azy tsy hiady saina be loatra na manampy azy tsy hieritreritra ny hamono tena intsony?

     Olona hanampy azy: Misy olona azon’ny zanakao hatonina ve rehefa mila fanampiana izy? Mety ho tafiditra amin’izany ianao, na olon-dehibe hafa atokisany, na mpitsabo aretin-tsaina, na fikambanana voaofana manokana mba hanampy ny olona te hamono tena.

    Manaova planina mba hiarovana azy

     Torolalan’ny Baiboly: “Mandamina mialoha an’izay hataony ny mazoto, ka mahomby.”​—Ohabolana 21:5.

  •   Miezaha ho mailo foana. Araho maso foana ny zava-misy, na dia hoatran’ny efa metimety aza ilay zanakao.

     “Tamin’ilay zanako lahy niteny hoe tsy te hamono tena intsony izy, dia nieritreritra aho hoe milamina izany ny amin’iny. Diso tanteraka anefa aho. Mety hisy olana hafa hipoitra tampoka eo amin’ny fiainan’ny olona iray, dia miverina indray ilay hoe te hamono tena izy.”​—Daniel.

     Ampio ny zanakao hahatakatra hoe mandalo ihany ny fihetseham-po tsapantsika olombelona. Tena zava-dehibe ny hahatakarany an’izany. Hoy ilay boky hoe The Whole-Brain Child: “Hoatran’ny toetrandro ny fihetseham-po. Tena misy ny orana, dia rehefa tratran’ny oram-be isika, dia tena adala raha hoe miaritra eo fotsiny sady manao hoatran’ny hoe tsy misy orana avy. Adala koa anefa isika raha mieritreritra hoe tsy hipoitra intsony ny masoandro.”

  •   Omeo toky ny zanakao. Teneno izy hoe tena tianao, sady afaka miantehitra aminao rehefa mila fanampiana. Azonao tenenina azy koa hoe: “Hanao an’izay rehetra azoko atao aho mba hanampiana anao hiatrika an’izao zavatra mahazo anao izao.”

     Torolalan’ny Baiboly: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady tena rahalahy natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra.”​—Ohabolana 17:17.

a Tsy mamono tena ny ankamaroan’ny olona voan’ny dépression. Na izany aza, dia be dia be amin’ny olona namono tena no voan’ny dépression tamin’ny fotoana namonoany tena.