Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Inona no Hevitra fa Leo Be ny Zanako Satria Tsy Misy Atao?

Inona no Hevitra fa Leo Be ny Zanako Satria Tsy Misy Atao?

 Tsy maintsy mijanona ao an-trano ny zanakao nefa tsy hitany izay hatao. Dia hoy izy: “Leo be aho izany!” Mety hieritreritra ianao hoe aleo izy asaina mijery tele, na manao an’ilay lalao video tena tiany. Alohan’ny hanaovanao an’izany anefa, dia misy zavatra vitsivitsy tsara hoeritreretinao ireto.

Inona no voamariky ny ray aman-dreny sasany rehefa hoe tsy mahita zavatra hatao ny zanany?

  •   Mety ho ny karazana fialam-boly ataon’ny ankizy sy ny fotoana laniny amin’izany no mahatonga azy mora leo kely. Hoy i Robert, raim-pianakaviana iray: “Mieritreritra ny ankizy sasany hoe mankaleo be ny fiainana andavanandro, fa tsy mba mahafinaritra hoatran’ny mijery tele sy manao lalao video.”

     Mitovy hevitra aminy koa i Barbara vadiny. Hoy i Barbara: “Tsy mandeha ho azy ny fiainana fa tsy maintsy mieritreritra tsara sy miezaka mafy ianao, sady matetika no tsy tonga dia misy vokany eo no ho eo ny ezaka ataonao fa mbola mandeha tsikelikely. Mankaleo be izany ho an’ny ankizy zatra mandany andro mijery tele sy manao lalao video.”

  •   Mety ho kivy be ianao raha mandany fotoana amin’ny tambazotran-tserasera. Rehefa mahita ny sary sy ny video avoakan’ny olona ao amin’ny tambazotran-tserasera ny tanora, dia mety hieritreritra hoe mankaleo be ny fiainany. Hoy ny ankizivavy iray atao hoe Beth: “Tonga dia izao no tonga ao an-tsaiko hoe: ‘Mifalifaly daholo ny olona nefa izaho ity ato an-trano tsisy atao.”

     Ankoatra izay, dia mety vao mainka ho leo be ny olona iray raha mandany fotoana be amin’ny tambazotran-tserasera, sady ho lasa kivikivy. Hoy ny ankizilahy iray atao hoe Chris: “Tsy hoe mipetra-potsiny aloha ianao rehefa variana amin’ny tambazotran-tserasera e! Rehefa miala eo anefa ianao, dia tsy misy soa azonao tamin’ilay izy akory.”

  •   Lasa afaka mamorona zavatra hatao ianao rehefa tsisy atao. Nilaza ny renim-pianakaviana iray atao hoe Katherine fa lasa afaka mitaditady hevitra sy mamorona zavatra hatao ny ankizy rehefa tsisy atao. Nilaza, ohatra, izy hoe: “Na baoritra aza mety ho lasa hoatran’ny hoe aotomobilina, na sambo, na sambon-danitra amin’ny ankizy. Raha misy fanaka iray koa eo, ka saronana lamba na bodofotsy, dia efa lasa hoatran’ny hoe tranolay.”

     Rariny raha nilaza ilay psikology atao hoe Sherry Turkle fa “afaka manararaotra mikaroka hevitra na mamorona zavatra hatao” isika rehefa tsy misy hatao. a Tsy voatery ho ratsy foana akory izany ilay hoe tsy misy atao. Hoy mihitsy aza ilay boky hoe Disconnected: “Rehefa mibata zavatra mavesatra ianao, dia lasa mihamatanjaka ny hozatrao. Dia hoatr’izany koa fa rehefa leo be ianao satria tsy mahita zavatra hatao, dia lasa afaka mampiasa ny sainao ianao, dia lasa mahay mitaditady hevitra kokoa.”

 Tadidio izao: Aza raisina ho olana ilay hoe tsisy atao ao an-trano ny zanakao. Hararaoty kosa izany mba hanampiana azy hitaditady hevitra sy hamorona zavatra hatao.

Inona no azonao atao raha leo be ny zanakao satria tsy mahita zavatra hatao?

  •   Raha azo atao, dia asaivo milalao eny an-tokotany na ento mitsangantsangana izy. Hoy i Barbara, ilay voaresaka tetsy aloha: “Tena mahagaga fa rehefa mahazo masoandro sy mifoka rivotra madio ny zanakay, dia lasa tsy leo be intsony. Vao manomboka milalao eny ivelan’ny trano ry zareo, dia lasa mikarokaroka hevitra be dia be.”

     Toro lalan’ny Baiboly: “Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy, . . . misy fotoana ihomehezana [ary] misy fotoana itsinjahana.”—Mpitoriteny 3:1, 4.

     Eritrereto izao: Isaky ny inona ny zanako no mba afaka milalao sy manao zavatra ivelan’ny trano? Raha tsy afaka manao an’izany izy fa tsy maintsy ao an-trano ihany, dia inona avy ny kilalao na fialam-boly mba mampisokatra ny saina azony atao?

  •   Ampio ny zanakao mba ho tia manampy ny hafa. Hoy i Lillian, renim-pianakaviana iray: “Raha manana namana efa be taona ianareo, dia azonareo asaina manampy azy ny ankizy, ohatra hoe manapaka ny bozaka eo an-tokotaniny, na mamafa ny ravin-kazo latsaka eny an-jaridainany, na mahandro sakafo ho azy. Azon’ny ankizy atao koa ny mandalo kely ao aminy, dia mba miarahaba azy. Tena ho falifaly ny ankizy rehefa manao zavatra ho an’ny hafa hoatr’izany.”

     Toro lalan’ny Baiboly: “Hovalian-tsoa ny olona malala-tanana, ary izay manao soa be dia be, dia handray soa be dia be koa.”—Ohabolana 11:25.

     Eritrereto izao: Inona no azonao atao mba hanampiana ny zanakao ho tia manampy ny hafa?

  •   Miezaha ho modely. Tadidio fa mety hisy vokany amin’ny zanakao ny zavatra resahinao momba ny zavatra fanaonao andavanandro. Hoy i Sarah, renim-pianakaviana iray: “Raha vao asehonao amin’ny fomba firesakao hoe mankaleo be ny fiainanao, dia mampianatra ny zanakao ho mora leo koa ianao. Fa rehefa ataonao tsapany amin’ny fomba firesakao kosa hoe falifaly ianao manao ny zavatra ataonao isan’andro, dia ho lasa falifaly koa izy amin’izay ataony.”

     Toro lalan’ny Baiboly: “Ny olona manana fo falifaly ... toa manao fety foana.”—Ohabolana 15:15.

     Eritrereto izao: Inona no tsapan’ny zanako rehefa maheno ahy miresaka momba ny zavatra fanaoko andavanandro? Ahoana no fahitan-dry zareo ny fihetsiko rehefa leo aho satria tsy mahita zavatra hatao?

 Soso-kevitra: Ampio ny zanakao hikaroka hevitra sy hamorona kilalao na fialam-boly azo atao, ary asaivo ataony lisitra ilay izy. Hoy i Allison, renim-pianakaviana iray: “Efa misy boaty izay fasianay an’izay hevitra hitanay. Samy afaka manoratra an’izay hevitra hitanay izahay mianakavy, dia ataonay ao ilay izy.”

a Nalaina tao amin’ilay boky hoe Reclaiming Conversation.