Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Tsy Aleo ve Lalao Mampivelatra Saina?

Tsy Aleo ve Lalao Mampivelatra Saina?

 Manampy ny ankizy ho tia karokaroka sy hahay hampiasa saina ny lalao sasany. Lasa hihamatotra sy hahay asa tanana koa ry zareo, rehefa manao an’ireny lalao ireny.

 Ohatra hoe:

  •   Manao sary

  •   Manao tsikonina

  •   Manao tantara

  •   Mihirahira

  •   Manamboatra trano kely na zavatra hafa

  •   Mampiasa zavatra tsotsotra rehefa milalao (na dia baoritra fotsiny aza dia efa manampy ny ankizy hitaditady hevitra sy hamorona zavatra)

 Any amin’ny tany maro, dia tsy dia manao lalao mampivelatra saina intsony ny ankizy, fa aleony mijery tele na manao lalao video na manao fialam-boly efa voaomana mialoha.

 Nahoana anefa izany no tokony hampanahy anao?

 Tsara ho fantatrao

  •   Mahasoa ny ankizy ny lalao mampivelatra saina. Raha lalao manampy ny ankizy hampiasa ny sainy no ataony, dia ho salama tsara ny vatany sy ny sainy, hahavita hamoron-javatra izy, ary hahay hifandray amin’ny olona. Amin’izay izy hanam-paharetana, hahay handray fanapahan-kevitra, hahay hifehy ny fihetseham-pony, ary hahay hiara-milalao amin’ny ankizy maromaro. Tena afaka manampy ny ankizy ho lasa olon-dehibe matotra ny lalao mampiasa saina.

  •   Tsy mahasoa ny ankizy ny mampiasa fitaovana elektronika ela be loatra. Mety ho lasa andevozin’ny fitaovana elektronika ny ankizy, raha avela hampiasa an’ireny ela be loatra. Mety ho lasa matavy loatra sy mahery setra koa izy. Tokony hahatonga saina ny ray aman-dreny izany. Misy ray aman-dreny mantsy manome ny zanany kely fitaovana elektronika mba hahavariana azy, dia amin’izay ry zareo tsy voatery hitaiza.

  •   Tsy mety raha be loatra ny fialam-boly asain’ny ray aman-dreny ataon’ny zanany. Raha be loatra mantsy izany, dia lasa tsy hanam-potoana hanaovana zavatra manampy azy ho tia karokaroka sy hamoron-javatra intsony ny ankizy.

 Inona no azonao atao?

  •   Avelao ny ankizy hanao lalao manampy azy hahay hamoron-javatra. Asaivo milalao eny an-tokotany ny zanakao, raha azo atao, amin’izay izy ho afaka handinika zavaboary. Avelao izy hanao lalao mety hanampy azy hamoron-javatra. a

     Eritrereto izao: Raha lalao manampy ny zanako hahay hampiasa ny sainy no ampanaoviko azy, dia inona avy ny toetra sy ny zavatra azony ianarana amin’ilay izy, ary nahoana izany no mahasoa azy rahatrizay lehibe?

     Toro lalan’ny Baiboly: ‘Mahasoa ny fampiasan-tena.’—1 Timoty 4:8.

  •   Fero ny fotoana ampiasan’ny zanakao fitaovana elektronika. Tokony hieritreritra tsara aloha ny ray aman-dreny hoe mety ve raha telefaonina na tablety na tele no avelany hahavariana ny zanany, dia amin’izay ry zareo tsy voatery hitaiza. Milaza ny dokoteran-jaza fa tsy tokony havela hijery tele na hijery zavatra ao amin’ny telefaonina sy tablety ny ankizikely latsaky ny roa taona. Tsy tokony havela hijery an’ireny mihoatra ny adiny iray isan’andro koa ny ankizy roa ka hatramin’ny dimy taona.

     Eritrereto izao: Isaky ny inona ihany ny zanako no avelako hijery zavatra ao amin’ny fitaovana elektronika? Tokony hiaraka aminy eo ve izaho amin’izay? Sao dia mba misy zavatra hafa azoko asolo ny fitaovana elektronika?

     Toro lalan’ny Baiboly: “Mitandrema tsara hatrany mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty tsara ny fotoana.”—Efesianina 5:15, 16.

  •   Diniho tsara izay mety ho vokany raha be loatra ny fialam-boly ampanaovinao ny zanakao. Marina aloha hoe mety hanampy ny zanakao hanatsara ny talentany na ny fahaizany spaoro sasany ireny fialam-boly ireny. Raha be loatra anefa ireny, dia mety hampiady saina azy. Na ianao koa aza mety ho sahirana amin’ny fanaterana azy any amin’ilay toerana. Tena azo ampiharina tsara koa eto ilay toro lalana ao amin’ny Efesianina 5:15, 16 hoe ilaina ny mahay mampiasa tsara ny fotoana.

     Eritrereto izao: Be loatra ve ny fotoana lanin’ny zanako amin’ireny fialam-boly efa voalamina mialoha ireny? Raha eny, dia inona no fanovana azonay atao?

     Toro lalan’ny Baiboly: ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’—Filipianina 1:10.

a Raha kilalao efa voamboatra no omena lalaovin’ny ankizy, dia tsy tena hivelatra ny sainy. Fa raha omenao zavatra tsotsotra kosa izy, ohatra hoe baoritra na zavatra azo anamboarana trano kely, dia lasa afaka mampiasa tsara ny sainy izy, dia afaka mamorona zavatra be dia be.