Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Nahoana no Ilain’ny Ankizy ny Mamaky Teny? Fizarana 1: Hamaky sa Hijery?

Nahoana no Ilain’ny Ankizy ny Mamaky Teny? Fizarana 1: Hamaky sa Hijery?

 Rehefa miala voly ny zanakao dia inona no tiany kokoa: Mijery video sa mamaky boky? Inona no mety horaisiny: Telefaonina sa boky?

 Efa an-taonany maro ny olona no tsy dia tia mamaky teny intsony. Ny tele aloha no nahavariana azy ireo tamin’ny voalohany dia avy eo niampy ny Internet. Izao no nolazain’i Jane Healy tamin’ny 1990, tao amin’ilay bokiny hoe Endangered Minds: “Raha izao dia mety tsy hisy olona hamaky teny intsony amin’ny farany.”

 Hoatran’ny sarotra inoana io teniny io tamin’izany. Inona anefa izao no mitranga, telopolo taona atỳ aoriana? Voamariky ny mpampianatra sasany any amin’ny tany be mpampiasa teknolojia hoe tsy mahay mamaky teny hoatran’ny olona taloha intsony ny ankizy.

Ho hitantsika ato ireto:

 Nahoana no ilain’ny ankizy ny mamaky teny?

  •   Lasa mahay maka sary an-tsaina ny ankizy rehefa mamaky teny. Ohatra hoe hoatran’ny ahoana ny feon’ireo mpandray anjara, raha tantara ilay vakiny? Hoatran’ny ahoana ny paozin-dry zareo? Hoatran’ny ahoana ny manodidina? Hazavain’ny mpanoratra ihany ny zavatra sasany fa ny mpamaky no maka sary an-tsaina ny ambiny.

     Hoy ny renim-pianakaviana iray atao hoe Laura: “Rehefa mijery filma na video isika, dia ny eritreritry ny olon-kafa no jerentsika. Mahafinaritra aloha izany e! Fa hafa mihitsy anefa ilay hoe mamaky teny. Ianao mantsy amin’izay no maka sary an-tsaina ny zavatra soratan’ny hafa.”

  •   Manampy ny ankizy hanana toetra tsara ny mamaky teny. Lasa mahay mamaha olana, ohatra, ry zareo. Tsy maintsy mifantoka tsara koa ny ankizy rehefa mamaky teny, dia manampy azy hanam-paharetana izany, hahay hifehy tena, ary hahatakatra ny fihetseham-pon’ny hafa.

     Fa maninona no hoe manampy azy hahatakatra ny fihetseham-pon’ny hafa ilay izy? Milaza ny mpikaroka fa rehefa mamaky miadana sy milamina tsara ny ankizy, dia manampy azy hieritreritra ny fihetseham-pon’ireo mpandray anjara ao amin’ilay tantara izany. Lasa mahatakatra ny fihetseham-pon’ny olona mifanerasera aminy ilay ankizy avy eo.

  •   Lasa zatra mieritreritra lalina ny ankizy rehefa mamaky teny. Tsy maimaika ny olona tia mamaky teny, amin’izay azony tsara ny tian’ny mpanoratra holazaina. Averiny vakina mihitsy aza ny zavatra sasany raha ilaina. Mora mahatadidy an’izay vakiny àry izy sady mandray soa avy amin’izany.​—1 Timoty 4:15.

     Hoy ny raim-pianakaviana iray atao hoe Joseph: “Rehefa mamaky teny ianao, dia mora kokoa aminao ny misaintsaina ny dikan’ny fehezanteny iray, mampifandray an’ilay izy amin’izay efa fantatrao, ary mandray lesona avy amin’ilay izy. Tsy mahavita mieritreritra lalina hoatr’izany ianao matetika rehefa mijery video sy filma.”

 Tadidio àry izao: Misy maha tsara azy ihany ny video sy ny filma. Mety hisy zava-dehibe tsy ho hain’ny zanakao mihitsy anefa raha zara fa mamaky teny izy.

 Ahoana no ampirisihana ny ankizy hamaky teny?

  •   Atombohy aloha be. Hoy i Chloe, renim-pianakaviana manan-janaka roa lahy: “Mbola tany an-kibo ny zanakay dia efa namakianay teny, dia mbola notohizinay izany rehefa teraka ry zareo. Soa ihany izahay fa nikiry foana. Lasa fahazaran-dry zareo mantsy ilay mamaky teny, na dia rehefa miala voly aza.”

     Toro lalan’ny Baiboly: “Mbola zazakely ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina.”​—2 Timoty 3:15.

  •   Ataovy mampahazoto mamaky teny ny ao an-tranonareo. Asio boky mora raisina ao an-trano. Hoy i Tamara, renim-pianakaviana manan-janaka efatra: “Mitadiava boky mety ho tian’ny zanakao, dia ataovy eo akaikin’ny fandrianany ilay izy.”

     Toro lalan’ny Baiboly: “Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”​—Ohabolana 22:6.

  •   Asio fetrany ny fampiasana Internet. Ahoana, ohatra, raha asiana takariva iray tsy ampiasana fitaovana elektronika? Izany no torohevitry ny raim-pianakaviana iray atao hoe Daniel. Hoy izy: “Nanokana takariva tsy hijerena tele izahay, na dia hoe indray mandeha isan-kerinandro fotsiny aza. Mamaky teny izahay amin’iny, dia indraindray miaraka eo daholo fa misy fotoana samy mamaky ny azy.”

     Toro lalan’ny Baiboly: ‘Mahaiza mamantatra an’izay zava-dehibe kokoa.’​—Filipianina 1:10.

  •   Miezaha ho modely. Hoy i Karina, renim-pianakaviana manan-janaka roa vavy: “Ataovy hoatran’ny hoe tena mitranga mihitsy ilay tantara, ka ataovy velombelona ny famakianao azy dia miezaha koa hafana fo. Mety hanaraka ny modelinao ny zanakao raha hitany hoe tia mamaky teny ianao.”

     Toro lalan’ny Baiboly: “Miezaha mafy foana hahay hamaky teny ampahibemaso.”​—1 Timoty 4:13.

 Tsy ny ankizy rehetra no ho lasa tia mamaky teny. Ny fampirisihanao azy anefa dia efa mety hampahazoto azy hamaky. Mbola mihoatra noho izany aza no nataon’i David, raim-pianakaviana manan-janaka roa vavy. Hoy izy: “Novakiko ny boky novakin’ny zanako vavy, amin’izay fantatro hoe inona ny zavatra mahaliana an-dry zareo sady mba nanana zavatra horesahina izahay. Hoatran’ny hoe tao anatina fikambanana kely mpamaky boky izahay telo mianaka. Nahafinaritra be ilay izy!”