Hijery ny anatiny

Inona no Antony Mety Tsy Hamalian’Andriamanitra ny Vavaka Ataontsika?

Inona no Antony Mety Tsy Hamalian’Andriamanitra ny Vavaka Ataontsika?

Valiny ara-baiboly

 Mety tsy hamaly ny vavaka ataontsika Andriamanitra. Ireto misy antony roa mety hahatonga izany:

1. Tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ilay zavatra angatahina

 Tsy valian’Andriamanitra ny vavaka raha tsy mifanaraka amin’izay takiny ao amin’ny Baiboly. (1 Jaona 5:14) Milaza, ohatra, ny 1 Korintianina 6:9, 10 fa ratsy ny manana faniriana tsy mety afa-po. Lasa tsy mety afa-po anefa isika raha miloka. Tsy hamaly antsika àry Andriamanitra raha mangataka aminy isika mba hahazo amin’ny loteria. Soa ihany koa fa tsy izay rehetra angatahintsika aminy dia tanterahiny daholo satria hoe mpanao fahagagana izy. Raha tsy izany mantsy, dia mety hatahotra foana isika hoe sao hisy vokany ratsy amintsika izay angatahin’olon-kafa.—Jakoba 4:3.

2. Minia tsy mankatò azy isika

 Tsy mamaly ny vavaka ataon’ny olona manao fanahy iniana tsy mankatò azy Andriamanitra. Izao, ohatra, no nolazainy tamin’ny olona nihambo ho nanompo azy: “Na manao vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino aho, fa feno ran’olona ny tananareo.” (Isaia 1:15) Raha niova anefa izy ireo ka nanaiky “hifandamina” tamin’Andriamanitra, dia ho nihaino ny vavaka nataony izy.—Isaia 1:18.