Hijery ny anatiny

Inona no Dikan’ny hoe Ateraka Indray?

Inona no Dikan’ny hoe Ateraka Indray?

Valiny ara-baiboly

 Miova tanteraka ny fifandraisan’ny olona anankiray amin’Andriamanitra rehefa “ateraka indray” izy, dia lasa hoatran’ny vaovao. (Jaona 3:3, 7) Atsangan’Andriamanitra ho zanany mantsy izy. (Romanina 8:15, 16; Galatianina 4:5; 1 Jaona 3:1) Toy ny zaza natsangana ara-dalàna izy, ka lasa anisan’ny fianakavian’Andriamanitra.​—2 Korintianina 6:18.

Nahoana no misy olona ateraka indray?

 Hoy i Jesosy: “Tsy misy olona afaka mahita ny Fanjakan’Andriamanitra, raha tsy ateraka indray.” (Jaona 3:3) Ateraka indray àry ny olona iray mba ho vonona hiara-manjaka amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Avy any an-danitra io Fanjakana io no mitondra. Noho izany, dia hoatran’ny hoe nomena lova “voatahiry any an-danitra” ny olona ‘ateraka indray.’ (1 Petera 1:3, 4) Lasa matoky tanteraka izy fa “ho mpanjaka hiara-mitondra” amin’i Kristy.​—2 Timoty 2:12; 2 Korintianina 1:21, 22.

Ahoana no mahatonga ny olona iray hateraka indray?

 Nanazava i Jesosy fa “ateraky ny rano sy ny fanahy” ny olona ateraka indray. (Jaona 3:5) Midika izany fa atao batisa ao anaty rano aloha ilay olona, dia avy eo atao batisa amin’ny fanahy masina.​—Asan’ny Apostoly 1:5; 2:1-4.

 I Jesosy no olona voalohany nateraka indray. Natao batisa tao amin’ny Reniranon’i Jordana izy, ary avy eo nohosoran’Andriamanitra fanahy masina (na nataony batisa tamin’ny fanahy masina). Nateraka indray tamin’ny alalan’ny fanahy masina i Jesosy tamin’izay, ka lasa zanak’Andriamanitra ary afaka nanantena hiaina any an-danitra indray. (Marka 1:9-11) Tanteraka izany rehefa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty izy, ka lasa zavaboary ara-panahy.​—Asan’ny Apostoly 13:33.

 Atao batisa ao anaty rano koa izay olon-kafa ateraka indray, izay izy vao hosorana fanahy masina. a (Asan’ny Apostoly 2:38, 41) Lasa mahazo antoka izy amin’izay hoe hiaina any an-danitra. Tanteraka izany rehefa atsangan’Andriamanitra amin’ny maty izy.​—1 Korintianina 15:42-49.

Hevi-diso momba ny atao hoe ateraka indray

 Hevi-diso: Tsy maintsy ateraka indray ny olona vao voavonjy na vao azo ekena ho Kristianina.

 Marina: Tsy ireo ateraka indray, izay hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra, ihany no ho voavonjy noho ny soron’i Kristy, fa ny Kristianina hiaina eto an-tany koa. (1 Jaona 2:1, 2; Apokalypsy 5:9, 10) Vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo, ary manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany.​—Salamo 37:29; Matio 6:9, 10; Apokalypsy 21:1-5.

 Hevi-diso: Safidin’ny olona iray ny hoe ateraka indray izy.

 Marina: Afaka mifandray amin’Andriamanitra ny olona rehetra sady afaka ny ho voavonjy daholo. (1 Timoty 2:3, 4; Jakoba 4:8) Andriamanitra anefa no mifidy hoe iza no hateraka indray, na hosorany fanahy masina. Milaza ny Baiboly fa ‘miankina amin’Andriamanitra’ no mahatonga ny olona hateraka indray, fa “tsy miankina amin’izay irin’ny olona sy ny ezaka ataony.” (Romanina 9:16) Azo adika hoe “ateraka avy any ambony” koa ny hoe “ateraka indray.” (Jaona 3:3, fanamarihana ambany pejy) Vao mainka izany manaporofo fa “avy any ambony” na avy amin’Andriamanitra ny fifidianana an’izay olona hateraka indray.

a Ny an’i Kornelio sy ireo olona niaraka taminy ihany no tsy hoatran’izany.​—Asan’ny Apostoly 10:44-48.