Hijery ny anatiny

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Ampahafolon-karena?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Ampahafolon-karena?

Valiny ara-baiboly

 Nasaina nanome ampahafolon-karena, a izany hoe ny ampahafolon’izay vokatra azony isan-taona, ny Israelita fahiny, mba hanohanana ny fivavahana marina. Hoy Andriamanitra tamin’izy ireo: “Aoka ianao hanome ny ampahafolon’ny vokatra rehetra avy amin’ny voa nafafinao, dia izay vokatry ny saha isan-taona.”—Deoteronomia 14:22.

 Anisan’ny Lalàn’i Mosesy, izay lalàna nomen’Andriamanitra ny Israelita fahiny, ilay didy hoe tokony hanome ampahafolon-karena. Tsy mitandrina ny Lalàn’i Mosesy intsony ny Kristianina, ka tsy takina hanome ampahafolon-karena intsony. (Kolosianina 2:13, 14) Tokony hanome vola “araka izay fanapahan-keviny tao am-pony” kosa ny Kristianina tsirairay. Tsy tokony hataony “amin’alahelo na an-tery” anefa izany satria “ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.”—2 Korintianina 9:7.

 Ny ampahafolon-karena ao amin’ny “Testamenta Taloha”

 Voaresaka imbetsaka ao amin’ilay antsoin’ny olona hoe Testamenta Taloha ny hoe ampahafolon-karena. Nisy resaka kely momba azy io ihany talohan’ny nahazoan’ny Israelita ny Lalàn’i Mosesy. Taorian’izay anefa izy io vao tena noresahina.

Talohan’ny Lalàn’i Mosesy

 I Abrama (Abrahama) no olona voalohany voalaza hoe nanome ampahafolon-karena. (Genesisy 14:18-20; Hebreo 7:4) Toa fanomezana indray mandeha ho an’ny mpanjakan’i Salema ilay izy. Tsy resahin’ny Baiboly hoe mbola nanome ampahafolon-karena indray i Abrahama na ny zanany.

 I Jakoba zafikelin’i Abrahama no olona faharoa resahin’ny Baiboly hoe nanome ampahafolon-karena. Nivoady tamin’Andriamanitra i Jakoba hoe raha mitahy azy izy, dia homeny azy ny “ampahafolon’izay rehetra” azony. (Genesisy 28:20-22) Milaza ny manam-pahaizana sasany momba ny Baiboly fa mety hoe nanao sorona biby i Jakoba mba hanomezana an’ilay ampahafolon-karena. Nanaja ny voady nataony i Jakoba nefa tsy nanery ny fianakaviany hanome ampahafolon-karena.

Taorian’ny Lalàn’i Mosesy

 Nasaina nanome ampahafolon-karena ny Israelita fahiny mba hanohanana ny fivavahany.

  •   Nomena an’ireo nanompo an’Andriamanitra manontolo andro ny ampahafolon-karena. Tsy iza izany fa ny Levita, ary anisan’izany ny mpisorona. Tsy nanana anjara tany hambolena mantsy ry zareo. (Nomery 18:20, 21) Nahazo ampahafolon-karena tamin’ny vahoaka ny Levita tsy mpisorona, ary avy eo nanome ny ampahafolon’izany ho an’ny mpisorona.—Nomery 18:26-29.

  •   Toa mbola nisy ampahafolon-karena iray hafa koa notakina isan-taona. Samy nandray soa tamin’izy io na ny Levita na ny tsy Levita. (Deoteronomia 14:22, 23) Nampiasain’ny fianakaviana israelita io ampahafolon-karena io rehefa nisy fety manokana, ary nozaraina tamin’ny mahantra isaky ny telo taona.—Deoteronomia 14:28, 29; 26:12.

 Ahoana no nikajiana an’ilay izy? Ny ampahafolon’ny vokatry ny taniny no natokan’ny Israelita. (Levitikosy 27:30) Raha vola kosa no omen’izy ireo fa tsy vokatra, dia tokony hampiany ampahadiminy ilay izy. (Levitikosy 27:31) Nasaina nanome ny “ampahafolon’ny biby fiompy” koa izy ireo.—Levitikosy 27:32.

 Ahoana no namaritan’ny Israelita ny ampahafolon’ny biby fiompiny? Natokany daholo izay biby fahafolo nivoaka ny vala. Araka ny Lalàna, dia tsy tokony hojereny na tsara na ratsy ilay biby, ary tsy tokony hatakalony. (Levitikosy 27:32, 33) Azo navadika vola kosa ilay ampahafolon-karena nampiasaina tamin’ny fety isan-taona. Nanao dia lavitra mantsy ny Israelita sasany rehefa hamonjy fety, dia vola no nety kokoa.—Deoteronomia 14:25, 26.

 Oviana ny Israelita no nanome ampahafolon-karena? Isan-taona izy ireo no nanao an’izany. (Deoteronomia 14:22) Niavaka kely anefa isaky ny taona fahafito. Sabata, na taona fialan-tsasatra, mantsy io taona io ka tsy namboly ny Israelita. (Levitikosy 25:4, 5) Tsy notakiana hanome ampahafolon-karena àry izy ireo rehefa tonga ny fotoam-pijinjana. Ilay ampahafolon-karena iray hafa indray nozarain’izy ireo tamin’ny mahantra sy ny Levita isaky ny taona fahatelo sy fahenina talohan’ilay taona Sabata.—Deoteronomia 14:28, 29.

 Voasazy ve izay tsy nanome ampahafolon-karena? Tsy nilaza ny Lalàn’i Mosesy hoe sazina izay tsy nanome ampahafolon-karena. Samy nahatsapa fotsiny ny tsirairay hoe adidy tokony hataony ilay izy. Tsy maintsy nilaza tamin’Andriamanitra ny Israelita hoe efa nandoa an’ilay izy ary nangataka ny fitahiany avy eo. (Deoteronomia 26:12-15) Hoatran’ny hoe nangalatra tamin’Andriamanitra izy ireo raha nisy tsy naloany ilay izy.—Malakia 3:8, 9.

 Navesatra ho an’ny Israelita ve ilay hoe nanome ampahafolon-karena? Tsia. Nampanantena an’ilay firenena Andriamanitra fa raha nanao an’izany izy ireo, dia handrotsaka fitahiana be dia be ho azy ireo izy ary tsy ho ory na inona na inona izy ireo. (Malakia 3:10) Nijaly kosa ilay firenena rehefa tsy nandoa ampahafolon-karena. Tsy notahin’Andriamanitra intsony mantsy izy ireo. Tsy afaka nanampy azy ireo hanompo an’Andriamanitra koa ny mpisorona sy ny Levita, satria voatery nitady vola.—Nehemia 13:10; Malakia 3:7.

 Ny ampahafolon-karena ao amin’ny “Testamenta Vaovao”

 Mbola nasaina nanome ampahafolon-karena ny mpanompon’Andriamanitra, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Tsy notakiana intsony anefa izy io taorian’ny nahafatesan’i Jesosy.

Tamin’ny andron’i Jesosy

 Hita ao amin’ilay antsoin’ny olona hoe Testamenta Vaovao fa mbola nanome ampahafolon-karena ny Israelita, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Na i Jesosy aza nanaiky hoe tsy maintsy naloa ny ampahafolon-karena. Nomelohiny anefa ny mpitondra fivavahana sasany satria nanome ampahafolon-karena izy ireo, nefa tsy niraharaha an’izay “mavesa-danja kokoa ao amin’ny Lalàna, dia ny manao ny rariny sy ny mamindra fo ary ny ho mendri-pitokisana.”—Matio 23:23.

Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy

 Tsy notakiana intsony ny ampahafolon-karena, taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Foana mantsy ny Lalàn’i Mosesy rehefa maty teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy, anisan’izany ilay didy hoe tokony ‘hanangona ampahafolon-karena.’—Hebreo 7:5, 18; Efesianina 2:13-15; Kolosianina 2:13, 14.

a Ny hoe ampahafolon-karena dia “ampahafolon’ny vola miditra amin’ny olona iray ary natokana mba hanaovana zavatra iray voafaritra tsara. ... Matetika izy io no ampiasaina amin’ny resaka fivavahana, ao amin’ny Baiboly.”—Harper’s Bible Dictionary, pejy 765.