Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Salamo 37:4: “Aoka NY TOMPO no Iravoravoanao”

Salamo 37:4: “Aoka NY TOMPO no Iravoravoanao”

 “Aoka ianao ho finaritra tanteraka amin’i Jehovah, dia homeny anao izay irin’ny fonao.”​—Salamo 37:4, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Aoka NY TOMPO no iravoravoanao, dia homeny anao izay irin’ny fonao.”​—Salamo 37:4, Baiboly Dikanteny Protestanta Malagasy.

Inona no tian’ny Salamo 37:4 holazaina?

 Mampirisika ny mpanompon’Andriamanitra ilay mpanao salamo hoe tokony ho faly izy ireo satria mifandray akaiky aminy. Afaka matoky izay rehetra minamana amin’i Jehovah a Andriamanitra hoe hotanterahin’i Jehovah ny zavatra tsara iriny.

 “Aoka ianao ho finaritra tanteraka amin’i Jehovah.” Azo adika koa izy io hoe “ataovy mahafaly be anao i Jehovah”, “aoka ianao ho faly manompo ny TOMPO”, na hoe “mifalia amin’izay nampanantenain’ny TOMPO anao.” Raha tsorina dia hoe tokony ‘hahafaly be’ antsika ny manompo an’ilay tena Andriamanitra. (Salamo 37:4, fanamarihana ambany pejy) Nahoana isika no milaza an’izany?

 Lasa manana ny fomba fihevitr’i Jehovah hita ao amin’ny Baiboly ny olona manompo azy. Tsy hoe mahafantatra an’Andriamanitra fotsiny izy ireo fa hendry koa ka mankatò azy. Inona no vokany? Manana feon’ny fieritreretana madio foana izy ireo sady misoroka olana be dia be. (Ohabolana 3:5, 6) Tsy tezitra na mitsiriritra, ohatra, izy ireo rehefa mahita hoe hoatran’ny mahomby ny olona tia vola sy tsy manao ny marina. (Salamo 37:1, 7-9) Faly ny vahoakan’Andriamanitra satria fantany hoe kely sisa dia hofoanan’Andriamanitra ny tsy rariny rehetra ary hovaliany soa izay manao ny tsara. (Salamo 37:34) Tena faly koa izy ireo mahafantatra hoe mankasitraka azy ireo ilay Rainy any an-danitra.​—Salamo 5:12; Ohabolana 27:11.

 “Homeny anao izay irin’ny fonao.” Azo adika koa ireo teny ireo hoe “hamaly ny vavaka ataonao izy” na hoe “homeny anao izay zavatra tena irinao.” Mazava ho azy fa tsy hoe hovalian’i Jehovah daholo akory izay rehetra angatahintsika. Fantany izay tena mahasoa antsika, tsy misy hafa amin’ny ray aman-dreny mahafantatra an’izay tena mahasoa ny zanany. Tsy maintsy ampifanarahintsika amin’ny fitsipiny sy ny sitrapony koa ny zavatra angatahintsika sy ny fomba fiainantsika. (Ohabolana 28:9; Jakoba 4:3; 1 Jaona 5:14) Rehefa manao an’izany isika, dia afaka matoky hoe hihaino antsika ilay “Mpihaino vavaka.”​—Salamo 65:2; Matio 21:22.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Salamo 37:4?

 I Davida mpanjakan’ny Israely fahiny no nanoratra ny Salamo 37. Nataony nanaraka ny abidy hebreo ny teny voalohany isaky ny andininy, tamin’izy nanoratra an’io salamo io. b

 Matetika i Davida no niharan’ny tsy rariny. Tsy maintsy nandositra sy niafina izy satria nitady hamono azy i Saoly Mpanjaka sy ny fahavalony hafa. (2 Samoela 22:1) Natoky tanteraka ny Andriamaniny foana anefa i Davida. Fantany fa mbola hosazin’i Jehovah ny ratsy fanahy. (Salamo 37:10, 11) Na dia hoatran’ny hoe mahomby aza izy ireny, dia hanjavona hoatran’ny “ahi-maitso” amin’ny farany.​—Salamo 37:2, 20, 35, 36.

 Resahin’ny Salamo 37 hoe ho tsara fiafara izay manaraka ny fitsipik’Andriamanitra fa ho ratsy fiafara kosa izay tsy miraharaha ny fitsipiny. (Salamo 37, 16, 17, 21, 22, 27, 28) Manampy antsika hahazo fahendrena sy ho anisan’ny olona ankasitrahan’Andriamanitra àry io salamo io.

 Jereo ity video fohy ity raha te hanao topy maso ny bokin’ny Salamo ianao.

a Jehovah no teny malagasy mahazatra andikana an’ilay anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo. Betsaka anefa ny fandikan-tenin’ny Baiboly tsy mampiasa ny anaran’Andriamanitra fa nanolo an’ilay izy hoe Tompo. Raha tianao ho fantatra ny antony, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?

b Manomboka amin’ny litera voalohany amin’ny abidy hebreo ny andininy voalohany na ny andininy maromaro voalohany, dia ny andininy manaraka manomboka amin’ny litera faharoa, dia hoatr’izay hatrany hatrany. Natao mba hanampiana ny olona hitadidy an’ilay salamo angamba io fomba fanoratra io.