Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Ohabolana 22:6: “Zaro Amin’izay Lalana Tokony Halehany ny Zaza”

Ohabolana 22:6: “Zaro Amin’izay Lalana Tokony Halehany ny Zaza”

 “Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”​—Ohabolana 22:6, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Ampianaro ny zaza ny lalana tokony halehany, dia tsy hiala amin’izany izy, na rehefa antitra aza.”​—Ohabolana 22:6, Fandikan-teny Katolika.

Inona no tian’ny Ohabolana 22:6 holazaina?

 Raha mampianatra ny zanany ho tia an’Andriamanitra sy hankatò ny lalàny ny ray aman-dreny, dia afaka manantena ry zareo hoe hahasoa ny zanany mandritra ny androm-piainany izany.

 “Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza.” Azo adika koa izany hoe “ento any amin’ny lalana tsara ny zaza.” Imbetsaka ny bokin’ny Ohabolana no mampirisika ny ray aman-dreny mba hampianatra ny zanany momba ny tsara sy ny ratsy dieny mbola kely ilay zaza. (Ohabolana 19:18; 22:15; 29:15) Fantatry ny ray aman-dreny be fitiavana koa anefa fa manana safidy malalaka hoatran’ny olon-dehibe ihany ny zanany. Tsy hoe tenenin-dry zareo amin’ny zanany fotsiny àry izay tokony hataony. Ampisaintsainin-dry zareo kosa ny zanany, sady ampiany ho lasa olon-dehibe matotra sy mandray andraikitra. Hahay hanapa-kevitra tsara ilay ankizy amin’izay rehefa lehibe, sady hahay hanapa-kevitra irery.​—Deoteronomia 6:6, 7; Kolosianina 3:21.

 Milaza ny manam-pahaizana sasany momba ny Baiboly fa midika ireo teny ireo hoe “zaro mifanaraka amin’ny maha izy azy ny zaza”, na hoe zaro mifanaraka amin’ny toetrany izy. Hoatran’ny hoe izany tokoa no tena mety. Toa tsy izay anefa no dikan’ilay teny hebreo nadika hoe “amin’izay lalana tokony halehany” fa hoe amin’izay fomba fiaina tsara sy mahitsy. Manasongadina lalana roa azon’ny olona arahina ny bokin’ny Ohabolana. Antsoina hoe “ny lalan’ny olona tsara toetra”, “ny lalan’ny fahendrena”, ary “ny lalana tsara” ny iray. (Ohabolana 2:20; 4:11; 23:19) Ny iray kosa antsoina hoe “ny lalan’ny ratsy fanahy” sy “lalan-diso.” (Ohabolana 4:14; 16:29) “Ny lalana tsara” àry no tiana holazaina amin’ilay ‘lalana tokony halehan’ny zaza’, izany hoe ny fomba fiaina resahina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.​—Salamo 119:105.

 “Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” Rehefa ampianarin’ny ray aman-dreny ny zanany ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena, dia matetika no lasa manana fitondran-tena tsara foana ilay zanany mandritra ny androm-piainany. Tsy midika anefa izany hoe raha nozarina tsara ny zaza, dia tsy “hiala” amin’ny lalana tsara mihitsy izy na hoe hankatò ny lalàn’Andriamanitra foana. Rehefa miaraka be amin’ny olona tia mampirisika ny hafa hanao ratsy, ohatra, ny olona iray, dia mety hiala amin’ny “lala-mahitsy” izy dia lasa hanao ratsy koa. (Ohabolana 2:12-16; 1 Korintianina 15:33) Tena mety hitranga izany. Na izany aza anefa, dia manampy ny ankizy hahita an’izay tokony hataony mba ho sambatra ny ray aman-dreny rehefa mampianatra azy ireo hankatò ny lalàn’Andriamanitra.​—Ohabolana 2:1, 11.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Ohabolana 22:6?

 Misy ohabolana fohy maromaro ao amin’ny Ohabolana toko faha-​22. Hita avy amin’izy ireny ny fahendren’Andriamanitra, dia azontsika ampiharina tsara amin’ny zavatra isan-karazany iainantsika na mitranga amintsika. Asongadin’ireo ohabolana ireo fa zava-dehibe ny hoe manana laza tsara eo anatrehan’i Jehovah. a Resahiny ao koa fa mila manetry tena sy tia manome ary mazoto miasa ny olona iray raha te hahazo an’izany. (Ohabolana 22:1, 4, 9, 29) Resahin’ny andininy hafa indray hoe hizaka vokany ratsy izay tsy miraharaha ny fitsipik’Andriamanitra sy mampijaly ny mahantra.​—Ohabolana 22:8, 16, 22-27.

 Marina fa tsy miresaka momba ny fitaizana ny ankamaroan’ny andinin-teny ao amin’ny Ohabolana toko faha-​22. Atoro ao anefa hoe hoatran’ny ahoana ny fomba fiaina ankasitrahan’Andriamanitra sady tena mahasambatra. (Ohabolana 22:17-19) Rehefa mampianatra ny zanany hanana an’io fomba fiaina io ny ray aman-dreny, dia asehon’izy ireo amin’izany hoe ny fiainana tsara indrindra no iriny ho an-janany.​—Efesianina 6:1-3.

 Jereo ity video fohy ity raha te hanao topy maso ny bokin’ny Ohabolana ianao.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?