Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Marka 11:24: “Izay Rehetra Angatahinareo Amim-bavaka, dia Minoa hoe Efa Azonareo Izany”

Marka 11:24: “Izay Rehetra Angatahinareo Amim-bavaka, dia Minoa hoe Efa Azonareo Izany”

 “Izany no antony itenenako aminareo hoe: Izay rehetra angatahinareo amim-bavaka, dia minoa hoe efa azonareo izany, dia ho azonareo izany.”​—Marka 11:24, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Koa izao no teniko aminareo: na inona na inona hangatahinareo amin’ny vavaka ataonareo, inoy fa efa azonareo, dia hotanteraka aminareo tokoa.”​—Marka 11:24, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara (DIEM).

Inona no tian’ny Marka 11:24 holazaina?

 Nilaza an’ireo teny ireo i Jesosy mba hampisehoana tamin’ny mpanara-dia azy fa tena mila mino ry zareo hoe misy heriny ny vavaka. Nanome toky azy ireo izy fa tsy hoe mihaino ny vavaka ataony fotsiny Andriamanitra fa tena mamaly an’izany koa. Raha misy olona mivavaka amin’ny fo sady ataony mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ilay izy, dia afaka matoky izy hoe tsy maintsy ho tanteraka ilay zavatra angatahiny. Amin’ilay izy mivavaka iny dia efa hoatran’ny hoe voavaly sahady ilay vavaka.

 Nasongadin’i Jesosy fa mila manam-pinoana ny mpianany rehefa mivavaka. Nilaza izy hoe rehefa mivavaka ny olona iray, dia tokony ‘hanam-pinoana hoe hitranga tokoa izay lazainy’ fa ‘tsy hisalasala ao am-pony ao.’ (Marka 11:23) Fa maninona? Satria tsy afaka ny “hanantena hahazo na inona na inona avy amin’i Jehovah” izay misalasala. a​—Jakoba 1:5-8.

 Mivavaka matetika ny olona manam-pinoana. (Lioka 11:9, 10; Romanina 12:12) Asehony amin’izany hoe tena ilainy ilay zavatra angatahiny sady tena mino izy hoe afaka mamaly an’ilay vavaka Andriamanitra. Na izany aza, dia ekeny hoe mety tsy ho araky ny nieritreretany azy ny fotoana hamalian’Andriamanitra an’ilay izy sy ny fomba hanaovany an’izany.​—Efesianina 3:20; Hebreo 11:6.

 Tsy midika akory ireo tenin’i Jesosy ireo hoe hahazo an’izay angatahiny daholo izay mivavaka amin’Andriamanitra. Mariho fa mpanara-dia azy no niresahan’i Jesosy tamin’io. Lehilahy nanam-pinoana ry zareo sady niezaka be mba hanompo an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fomba ankasitrahany. Milaza ny Baiboly hoe izay vavaka mifanaraka amin’ny sitrapony ihany no henoin’i Jehovah. (1 Jaona 5:14) Tsy henoiny kosa ny vavak’izay manao fanahy iniana mandika ny fitsipiny sy izay manao ratsy nefa tsy miova. (Isaia 1:15; Mika 3:4; Jaona 9:31) Jereo ity video fohy ity raha tianao ny hahafantatra bebe kokoa momba ny vavaka henoin’Andriamanitra.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Marka 11:24?

 Rehefa akaiky ho vita ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany, dia noresahiny tamin’ny mpianany fa tena zava-dehibe ilay hoe manana finoana matanjaka. Nampiasa fanoharana izy mba hanamafisana an’izany. Nahita aviavy nisy raviny aloha be i Jesosy, tamin’izy ho any Jerosalema. Rehefa nanatona teo anefa izy dia tsy nisy voany akory ilay izy, dia nozoniny. (Marka 11:12-14) Hoatran’ny hoe efa nisy voany ilay aviavy nefa tsy tena izany akory. Mitovy amin’izy io ny firenen’Israely satria hoatran’ny hoe nanompo an’Andriamanitra ry zareo nefa tsy nanam-pinoana akory. (Matio 21:43) Vetivety dia nalazo ilay aviavy, dia hita amin’izany fa tsy ho ela koa dia izay no hanjo ny Israelita tsy nanam-pinoana.​—Marka 11:19-21.

 Resy lahatra anefa i Jesosy hoe tsy hoatran’izany ny mpanara-dia azy. Ho vitan-dry zareo ny hanana ny finoana ilaina mba hiatrehana zava-tsarotra sy hanaovana zavatra tena miavaka. (Marka 11:22, 23) Tena tonga tamin’ny fotoana nilana azy io torohevitr’i Jesosy momba ny vavaka io satria tsy ela taorian’izay dia notsapaina ny finoan’ny mpianany. Efa ho faty mantsy i Jesosy tamin’izay sady hihamafy kokoa ny fanoherana an-dry zareo. (Lioka 24:17-20; Asan’ny Apostoly 5:17, 18, 40) Rehefa maneho finoana an’Andriamanitra koa ny mpanara-dia an’i Jesosy amin’izao sady mino hoe tena misy heriny ny vavaka, dia ho vitan-dry zareo ny handresy an’izay zava-tsarotra tsy maintsy atrehiny.​—Jakoba 2:26.

 Jereo ity video fohy ity raha te hahita ny mombamomba ny bokin’i Marka ianao.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?