Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Jeremia 11:11: “Izaho Hahatonga Loza Aminy”

Jeremia 11:11: “Izaho Hahatonga Loza Aminy”

“Koa izao no lazain’i Jehovah: ‘Hahatonga loza aminy aho, ka tsy ho afa-mandositra an’izany izy ireo. Ary hiantso vonjy amiko izy ireo, fa tsy hihaino azy aho.”​—Jeremia 11:11, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

“Koa izao no lazain’i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza aminy, izay tsy azony handosirana; ary na dia hitaraina amiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho.”​—Jeremia 11:11, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Jeremia 11:11 holazaina?

 Niresaka tamin’ireo Jiosy niaina tamin’ny andron’i Jeremia mpaminany Andriamanitra teo. Noho izy ireo tsy niraharaha ny lalàna nomen’i Jehovah a sy ny fanitsiana nomena azy ireo tamin’ny alalan’ny mpaminany, dia tsy niaro azy ireo tamin’ny loza nahazo azy ireo vokatry ny nataony izy.​—Ohabolana 1:24-32.

 “Koa izao no lazain’i Jehovah.” Mampitohy an’ilay andininy teo aloha ilay teny hoe “koa” eto. Nilaza tamin’ny mpanompony i Jehovah ao amin’ny Jeremia 11:1-10, fa nivadika tamin’ny fifanekena nataony tamin’ny razambeny izy ireo. (Eksodosy 24:7) Sampy indray no notompoin’ny Jiosy fa tsy ilay Mpamorona. Lasa nanao zava-dratsy isan-karazany ry zareo vokatr’izay fivadiham-pinoana izay, ka tonga hatramin’ny fanaovana sorona ankizikely!​—Jeremia 7:31.

 “Hahatonga loza aminy aho.” Matetika rehefa miresaka ny Baiboly hoe hanao zavatra Andriamanitra, dia midika izany hoe avelany hitranga ilay izy. Fa izay ve anefa no zava-misy teto? Rehefa nanompo andriamanitra hafa sy tsy nanaraka ny fitsipika nomen’i Jehovah ny mpanompony, dia niteraka fijaliana ho an’ny tenany izany. Lasa tsy niaro azy ireo koa i Jehovah. Vokatr’izay, dia lasa naharesy an’i Jerosalema ilay fahavalo matanjaka be, dia ny mpanjakan’i Babylona, ary nentiny ho babo ny olona tao. Tsy nahavonjy azy ireo ny andriamani-diso natokisany.​—Jeremia 11:12; 25:8, 9.

 “Ary hiantso vonjy amiko izy ireo, fa tsy hihaino azy aho.” Tsy henoin’i Jehovah ny vavaka ataon’ny olona sasany, satria ‘feno ran’olona ny tanany’ na mitady vonjy amin’ny andriamani-diso izy ireo. (Isaia 1:15; 42:17) Henoiny koa izay tena mibebaka tamin’ny ratsy nataony ary vonona hiverina aminy.​—Isaia 1:16-19; 55:6, 7.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Jeremia 11:11?

 Notendren’i Jehovah ho mpaminaniny i Jeremia tamin’ny taona 647 T.K. Nandritra ny 40 taona i Jeremia dia nampitandrina ny mponin’i Joda momba ny didim-pitsaran’i Jehovah. Tsy nety nihaino anefa ry zareo. Tamin’izay fotoana izay ilay mpaminany no nanoratra an’ilay teny hita ao amin’ny Jeremia 11:11. Tanteraka ihany ilay faminaniana tamin’ny taona 607 T.K., rehefa noravan’ny Babylonianina i Jerosalema.​—Jeremia 6:6-8; 39:1, 2, 8, 9.

 Misy hafatra manome fanantenana koa anefa ao amin’ny bokin’i Jeremia. Hoy i Jehovah: “Rehefa tapitra ny 70 taona ijanonanareo any Babylona, dia ... haveriko eto amin’ity toerana ity [tanindrazan’ny Jiosy] ianareo.” (Jeremia 29:10) ‘Notanterahin’i’ Jehovah ny fampanantenany tamin’ny 537 T.K., rehefa resin’ny Medianina sy Persianina i Babylona. Navelan’i Jehovah niverina tany an-tanindrazany ny vahoakany, izay niparitaka eran’i Babylona, ary hamerina indray ny fivavahana marina.​—2 Tantara 36:22, 23; Jeremia 29:14.

 Jereo ity video fohy mombamomba ny bokin’i Jeremia ity.

a Jehovah no teny malagasy mahazatra andikana ny Litera Hebreo Efatra anoratana ny anaran’Andriamanitra. Betsaka anefa ny fandikan-tenin’ny Baiboly tsy mampiasa ny anaran’Andriamanitra fa nanolo an’ilay izy tamin’ny hoe “Tompo.” Raha tianao ho fantatra ny antony, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?