Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Genesisy 1:26: “Andeha Isika Hamorona Olona Tahaka ny Endritsika”

Genesisy 1:26: “Andeha Isika Hamorona Olona Tahaka ny Endritsika”

 “Hoy koa Andriamanitra: ‘Andao isika hanao olona mitovy endrika amintsika, misy itovizana amintsika. Ary aoka izy ireo hanjaka amin’ny trondro any an-dranomasina, sy ny biby manidina eny amin’ny lanitra, sy ny biby fiompy, sy ny tany manontolo, ary ny biby mandady rehetra mifamezivezy eny ambonin’ny tany.’”​—Genesisy 1:26, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany.”​—Genesisy 1:26, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Genesisy 1:26 holazaina?

 Natao mitovy endrika amin’Andriamanitra ny olombelona rehefa noforonina. Midika izany hoe afaka manahaka ny toetran’Andriamanitra izy, ohatra hoe mampiseho fitiavana, mangoraka, ary tia rariny.

 “Hoy ... Andriamanitra: ‘Andao isika hanao olona mitovy endrika amintsika.’” Namorona anjely anankiray mahery be i Jehovah Andriamanitra a alohan’ny hanamboarana zavatra hafa. I Jesosy no nahafantarana an’io anjely io tatỳ aoriana, ary izy no nampiasaina mba ‘hamoronana ny zavatra hafa rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.’ (Kolosianina 1:16) Mitovy toetra amin’i Jehovah i Jesosy. “Izy no endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso.” (Kolosianina 1:15) Afaka nilaza tamin’i Jesosy àry Andriamanitra hoe: “Andao isika hanao olona mitovy endrika amintsika.”

 “Aoka izy ireo hanjaka amin’ny ... biby fiompy, sy ny tany manontolo.” Tsy natao mitovy endrika amin’Andriamanitra ny biby. Tsy noforonina mba hanana ny toetra mampiavaka ny olombelona izy ireny. Tsy manana fitiavana hoatran’ny olombelona ry zareo na koa hoe manana feon’ny fieritreretana. Na izany aza anefa dia miahy ny biby Andriamanitra satria nasainy ‘nanjaka’ tamin’izy ireo ny olombelona, izany hoe nasainy nikarakara azy. Izany no andraikitra nomen’i Jehovah ny olombelona. (Salamo 8:6-8; Ohabolana 12:10) Tian’i Jehovah izy ireo raha mikarakara tsara ny tany sy ny zavamananaina eo aminy.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Genesisy 1:26?

 Hazavain’ny toko roa voalohany ao amin’ny Genesisy hoe ahoana no namoronana an’izao rehetra izao sy ity tanintsika ity ary ny zavamananaina eo aminy. Tsara be daholo ny zavatra noforonin’i Jehovah fa ny olombelona no miavaka indrindra. Rehefa vitan’Andriamanitra ny famoronana dia ‘nijery an’izay rehetra nataony izy, ka hitany fa tena tsara izany.’​—Genesisy 1:31.

 Jereo ity video fohy ity raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny tantaran’ny famoronana voaresaka ao amin’ny Genesisy ianao.

Hevi-diso momba ny Genesisy 1:26

 Hevi-diso: Manana vatana mitovy amin’ny antsika Andriamanitra.

 Ny marina: “Andriamanitra dia Fanahy.” (Jaona 4:24) Midika izany hoe tsy hoatran’ny olombelona izy ka hoe misy toerana honenany eo amin’izao rehetra izao hita maso. Mba hahafahantsika hahafantatra ny momba an’Andriamanitra anefa, dia mampiasa sarin-teny ny Baiboly indraindray, ohatra hoe tarehin’Andriamanitra, tanany, fony, na ny toy izany.​—Eksodosy 15:6; 1 Petera 3:12.

 Hevi-diso: Porofoin’ny Genesisy 1:26 fa Andriamanitra i Jesosy.

 Ny marina: Hoatran’ny fifandraisan’ny ray sy zanaka ny fifandraisan’Andriamanitra sy Jesosy. Tsy olona iray ihany anefa ry zareo. Nampianatra i Jesosy hoe ambony noho izy Andriamanitra. (Jaona 14:28) Raha mila fanazavana fanampiny ianao dia jereo ilay video hoe Jesosy Kristy ve no Andriamanitra?, na vakio ilay lahatsoratra hoe “Nahoana i Jesosy no Antsoina hoe Zanak’Andriamanitra?

 Jereo ity video fohy ity raha te hahafantatra mombamomba ny bokin’ny Genesisy ianao.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?