Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

2 Korintianina 12:9: “Ampy ho Anao ny Fahasoavako”

2 Korintianina 12:9: “Ampy ho Anao ny Fahasoavako”

 “Ampy ho anao ny hatsaram-panahy miavaka asehoko aminao, satria tonga lafatra ny fiasan’ny heriko eo aminao rehefa malemy ianao.”​—2 Korintianina 12:9, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena.”​—2 Korintianina 12:9, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny 2 Korintianina 12:9 holazaina?

 Nampanantena ny apostoly Paoly Andriamanitra fa hanome azy ny hery ilainy mba hiatrehana fitsapana sy handresena na dia eo aza ny fahalemeny.

 “Ampy ho anao ny hatsaram-panahy miavaka asehoko aminao.” Valin’ny vavaka niverimberina nataon’i Paoly io zavatra nolazain’Andriamanitra taminy io. Azo adika koa izy io hoe “ny hatsaram-panahiko ihany no ilainao.” Raha atao amin’ny teny hafa dia ampy mba hanampy an’i Paoly hiatrika fitsapana ny hatsaram-panahy miavaka asehon’Andriamanitra. Ahoana izany? Fanomezana maimaim-poana nomen’Andriamanitra ho an’olona tsy mendrika an’izany no tiana horesahina amin’ilay teny nadika hoe “hatsaram-panahy miavaka” na “fahasoavana.” Asehon’ny zavatra nosoratan’i Paoly fa nandray soa be avy tamin’ny hatsaram-panahy miavaka asehon’Andriamanitra izy. Mpanenjika ny Kristianina izy taloha, nefa nomen’Andriamanitra ny hery nilainy mba hiovana sy hanampiana ny hafa ho lasa Kristianina. (1 Korintianina 15:9, 10; 1 Timoty 1:12-14) Noho izany dia natoky i Paoly fa afaka niantehitra tamin’Andriamanitra izy mba hiatrehana an’izay olana rehetra nitranga.

 “Satria tonga lafatra ny fiasan’ny heriko eo aminao rehefa malemy ianao.” Nampahatsiahy an’i Paoly i Jehovah a Tompo hoe vao mainka hita ny heriny rehefa miasa mba hanampiana olombelona malemy sy tsy lavorary. (2 Korintianina 4:7; 12:8) Mamela ny herin’i Jehovah hiasa ao anatiny ny Kristianina iray rehefa miaiky hoe voafetra ihany ny heriny sady mitady fanampiana amin’i Jehovah. (Efesianina 3:16; Filipianina 4:13) Lasa hita amin’ny fahalemen’ny olombelona ny herin’Andriamanitra amin’izay.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny 2 Korintianina 12:9?

 Nanoratra taratasy iray ho an’ny Kristianina tany Korinto i Paoly tamin’ny taona 55 tany ho any. Nohazavainy tao amin’ny faramparan’io taratasy io fa nanana fahefana ho apostoly izy. Nila nanao an’izay izy satria nanakiana azy ny olona sasany nanao ny tenany ho mpampianatra, ka angamba nitsaratsara azy noho ny paoziny na ny fahaizany miteny.​—2 Korintianina 10:7-10; 11:5, 6, 13; 12:11.

 Mba hiarovana ny tenany dia nanazava i Paoly hoe tsy ho nahavita ny fanompoany sady tsy ho nahavita niaritra fitsapana be dia be izy raha ny herin’ny tenany fotsiny. (2 Korintianina 6:4; 11:23-27; 12:12) Nilaza izy ao amin’ny toko faha-12 fa nisy “tsilo ao amin’ny nofo” nahatonga azy hijaly ara-batana sy ara-pihetseham-po. (2 Korintianina 12:7) Toa olana tsy nety nivaha izy io. Na dia tsy nolazain’i Paoly mazava aza ny momba an’io olana io, dia tapa-kevitra izy hoe hiantehitra amin’ny fanampian’Andriamanitra mba hiaretana an’ilay izy.

 Mety hiatrika olana na fanenjehana koa ny Kristianina amin’izao. Mampionona an-dry zareo ny mahafantatra hoe afaka manampy an-dry zareo hiaritra an’izay olana rehetra mitranga ny herin’Andriamanitra. Afaka miteny hoatran’i Paoly koa ry zareo hoe: “Rehefa malemy ... aho, dia amin’izay aho no mahery.”​—2 Korintianina 12:10.

 Jereo ity video fohy ity raha te hanao topy maso ny bokin’ny 2 Korintianina.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?