Hijery ny anatiny

Toromarika Mahakasika ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana

Toromarika Mahakasika ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana

Loha Hevitra ato Anatiny

1. Hanampy an’izay rehetra mandray anjara amin’ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana ny toromarika omena ato. Tokony hijery ny toromarika momba ny anjarany ao amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana sy ato amin’ity toromarika ity ny tsirairay rehefa manomana ny anjarany. Tokony hasaina hanao ny anjaran’ny mpianatra ny mpitory rehetra. Mahazo mandray anjara koa ny hafa efa mifanerasera tsy tapaka amin’ny fiangonana, raha manaiky ny fampianaran’ny Baiboly izy sady miaina mifanaraka amin’ny fitsipika kristianina. Raha misy olona mbola tsy mpitory nefa miteny hoe te handray anjara, dia tokony hodinihin’ny mpiandraikitra ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana miaraka aminy ny fepetra takina amin’izany, ary tokony horesahin’ilay mpiandraikitra azy avy eo raha mahafeno fepetra izy na tsia. Tokony hanatrika eo ny olona mampianatra Baiboly azy (na ny ray na reniny Vavolombelona) amin’izay. Ny fepetra takina amin’izay te ho lasa mpitory tsy vita batisa ihany no takina aminy.​—od toko 8 feh. 8.

 TENY FAMPIDIRANA

2. Iray minitra. Ny mpitari-draharahan’ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana no hanao azy io isan-kerinandro, aorian’ny hira sy vavaka. Hataony izay hahatonga ny mpanatrika ho liana amin’ilay fandaharam-pivoriana. Tokony hifantoka amin’izay hevi-dehibe tena mahasoa ny fiangonana izy.

  HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

 3Lahateny: Folo minitra. Omena ao amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana ny foto-kevitra sy ny hevi-dehibe roa na telo. Anti-panahy na mpikarakara fiangonana mahay no hanao azy io. Raha boky vaovao no ao amin’ny fandaharana famakiana Baiboly amin’ilay herinandro, dia hisy video fampidirana azy io halefa. Azon’ilay mpandahateny atao ny mampifandray ny hevitra ao amin’ilay video sy ilay foto-kevitra. Tokony hataony azo antoka anefa hoe voaresaka daholo ny hevi-dehibe omena ao amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fivoriana. Tokony hampiasa tsara an’ireo sary koa izy, raha ampy ny fotoana. Azony atao ny mampiasa loharanon-kevitra hafa raha manampy amin’ny famelabelarana ny hevitra omena ao izany.

 4Vatosoa ara-panahy: Folo minitra. Fanontaniana sy valiny ity anjara ity, ary tsy misy teny fampidirana na famaranana. Anti-panahy na mpikarakara fiangonana mahay no hanao azy io. Tokony hapetrany amin’ny mpanatrika ireo fanontaniana roa. Azony jerena koa raha ilaina hovakina na tsia ireo andinin-teny voatonona. Tokony ho 30 segondra na latsaka ny valin-tenin’ireo voatondro hamaly.

 5Famakiana Baiboly: Efatra minitra. Lehilahy no hanao an’ity anjaran’ny mpianatra ity. Tokony hamaky ny anjara nomena azy ilay mpianatra, ary tsy hanao teny fampidirana na teny famaranana. Ny tena ifantohan’ilay mpitari-draharahan’ny fivoriana dia ny hanampy ny mpianatra mba hamaky teny tsy misy diso, hahazo tsara izay vakina, hiteny misosa tsara, hahay hanamafy hevitra, hanovaova feo, hanao fiatoana araka ny tokony ho izy, ary hamaky hoatran’ny hoe miresaka andavanandro. Misy anjara sasany fohy, dia misy lava kokoa, ka tokony hataon’ilay mpiandraikitra mifanaraka amin’ny fahaizan’ny mpianatra ny anjara omeny azy.

 FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

6. Dimy ambin’ny folo minitra. Natao mba hahafahan’ny rehetra hanao fanazaran-tena amin’ny fanompoana sy hanatsara ny fahaizany miresaka sy mitory ary mampianatra ity fizarana ity. Azo omena anjaran’ny mpianatra ny anti-panahy, raha ilaina. Natao anaty fonon-teny eo akaikin’ny anjara tsirairay ao amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana ny lesona asaina ampiharin’ilay mpianatra manao an’ilay izy. Mety ho avy ao amin’ny bokikely Miezaha na Tiavo ny Olona izany. Tokony handinika tsara sy hampihatra an’izay lesona voasoratra eo akaikin’ny anjarany ny mpianatra tsirairay. Mety hisy anjara atao fiaraha-midinika indraindray. Anti-panahy na mpikarakara fiangonana mahay no tokony hanao an’izay anjara izay.​—Jereo ny  fehintsoratra 15 mba hahitana ny fomba anaovana ny anjara fiaraha-midinika.

 7Miresadresaha aloha: Azon’ny lehilahy na vehivavy atao ity anjaran’ny mpianatra ity. Tokony ho vehivavy no mpanampy raha vehivavy no mitarika, ary tokony ho lehilahy raha lehilahy no mitarika, raha tsy hoe mpihavana angaha ry zareo. Afaka mipetraka na mitsangana ilay mpianatra sy ny mpanampy azy.​—Raha te hahazo fanazavana fanampiny momba ny zavatra resahina sy ny faritra anaovana an’ity anjara ity, dia jereo ny  fehintsoratra 12 sy  13.

 8Rehefa miverina mitsidika: Azon’ny lehilahy na vehivavy atao ity anjaran’ny mpianatra ity. Tokony ho vehivavy no mpanampy raha vehivavy no mitarika, ary tokony ho lehilahy raha lehilahy no mitarika. (km 5/97 p.2) Afaka mipetraka na mitsangana ilay mpianatra sy ny mpanampy azy. Izay tokony holazaina rehefa miverina mitsidika no hasehon’ilay mpianatra, ho tohin’ny resaka efa natao tamin’ilay olona teo aloha.​—Raha te hahazo fanazavana fanampiny momba ny zavatra resahina sy ny faritra anaovana an’ity anjara ity, dia jereo ny  fehintsoratra 12 sy  13.

 9Rehefa mampianatra: Azon’ny lehilahy na vehivavy atao ity anjaran’ny mpianatra ity. Tokony ho vehivavy no mpanampy raha vehivavy no mitarika, ary tokony ho lehilahy raha lehilahy no mitarika. (km 5/97 p.2) Afaka mipetraka na mitsangana ilay mpianatra sy ny mpanampy azy. Tsy fampianarana Baiboly vao manomboka no aseho eto, fa efa eny antenatenany. Tsy voatery manao teny fampidirana na teny famaranana ilay mpianatra, raha tsy hoe anisan’ny lesona asaina ampihariny angaha izany. Tsy voatery hovakina koa ny fehintsoratra rehetra ao amin’ilay loharanon-kevitra, nefa azo atao ihany izany.

 10Hazavao ny zavatra inoanao: Raha lahateny ity anjaran’ny mpianatra ity, dia tokony ho lehilahy no hanao azy. Raha fampisehoana indray ilay izy, dia azon’ny lehilahy na vehivavy atao izany. Tokony ho vehivavy no mpanampy raha vehivavy no mitarika, ary tokony ho lehilahy raha lehilahy no mitarika, raha tsy hoe mpihavana angaha ry zareo. Ny fanazavana ao amin’ilay loharanon-kevitra omena amin’ilay anjara no hampiasain’ilay mpianatra mba hamaliana an’ilay fanontaniana eo amin’ny foto-kevitra. Tokony hazava tsara ny valiny omeny ary tokony hahay handanjalanja izy rehefa manazava. Ilay mpianatra no hifidy raha horesahiny mandritra an’ilay anjarany hoe inona ilay boky na gazety loharanon-kevitr’ilay anjara.

 11Lahateny: Lehilahy no hanao an’ity anjaran’ny mpianatra ity, ary havantany amin’ny fiangonana ilay izy. Raha miorina amin’ny hevitra iray ao amin’ny Fanazavana Fanampiny A ao amin’ny bokikely Tiavo ny Olona ilay lahateny, dia tokony hasongadin’ilay mpianatra hoe ahoana no azo ampiasana an’ilay andinin-teny na ireo andinin-teny eny amin’ny fanompoana. Mety hohazavainy, ohatra, hoe rahoviana no azo ampiasaina ny andinin-teny iray, inona no tian’ilay izy holazaina, ary ahoana no azo ampiasana an’ilay izy mba hampisaintsainana ny olona. Raha miorina amin’ny hevitra iray ao amin’ny lesona ao amin’ny bokikely Tiavo ny Olona indray ilay lahateny, dia ny fomba ampiharana an’ilay hevitra eny amin’ny fanompoana no tokony hifantohan’ilay mpianatra. Mety hanasongadina an’ilay ohatra eo amin’ny hevitra voalohany ao amin’ilay lesona izy amin’izay, na hanasongadina ny sasany amin’ireo andininy fanampiny ao amin’ilay lesona, raha ilaina izany.

   12Zavatra resahina: Mihatra amin’ny anjara “Miresadresaha Aloha” sy “Rehefa Miverina Mitsidika” ny torolalana ato amin’ity fehintsoratra ity. Ny hizara fahamarinana tsotra iray avy ao amin’ny Baiboly sy ny hiresaka hevitra horesahina amin’ny manaraka no tanjon’ilay mpianatra, raha tsy hoe misy fanamarihana manokana. Zavatra mahaliana an’ilay olona iresahany no tokony horesahin’ilay mpianatra. Tokony ho foto-kevitra mifanaraka amin’ny zava-misy eo an-toerana sady mahaliana ny olona no fidiny. Afaka mifidy izy na hanolotra boky na gazety na koa hampiseho video iray anisan’ny Fitaovana Fampianarana. Tsy tokony hataon’ilay mpianatra tsianjery fotsiny ilay anjara, fa tokony hahay hiresaka tsara izy. Tokony hampiseho, ohatra, izy hoe miahy an’ilay olona iresahany, ary tokony hataony hoatran’ny hoe miresaka andavanandro izy.

   13Faritra: Omena an’ilay mpianatra amin’ny ankapobeny fotsiny ny faritra tokony hanaovany an’ilay anjara. Tokony hataony mifanaraka amin’ny zava-misy eo an-toerana ilay izy. Ireto misy ohatra:

  1.  1) Isan-trano: Tafiditra amin’izany ny karazana fitoriana isan-trano ataontsika, na mivantana izany na an-telefaonina na an-taratasy. Tafiditra amin’izany koa ny fiverenana mitsidika an’izay olona nitoriana isan-trano.

  2.  2) Tsy ara-potoana: Aseho amin’izany ny ataon’ny mpitory iray manararaotra mamadika ny resadresaka tsotra ifanaovany amin’ny olona iray mba ho lasa fitoriana. Mety ho tafiditra amin’izany ny hoe miresaka hevitra avy ao amin’ny Baiboly amin’ny olona iray any am-piasana, any am-pianarana, eo an-tanàna, any anaty fitateram-bahoaka, na any amin’ny toerana hafa falehantsika andavanandro.

  3.  3) Ampahibemaso: Mety ho tafiditra amin’izany ny fampiasana fampirantiana misy kodiarana, na koa ny fitoriana eny amin’ny toerana be toeram-piasana, eny an-dalana, eny amin’ny zaridainam-panjakana, eny amin’ny parking, na eny amin’izay ahitana olona.

 14Fampiasana video na zavatra apetraka: Mety hifidy ny hampiseho video na hanolotra boky na gazety ilay mpianatra, arakaraka ny zava-misy. Raha asaina mampiasa video ilay mpianatra amin’ilay anjarany, na mifidy ny hampiseho video, dia tokony hampidiriny fotsiny ilay izy dia avy eo hiarahany midinika amin’ilay olona, fa tsy tena halefa.

  NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

15. Aorian’ny hira, dia hisy anjara iray na roa, amin’ny 15 minitra voalohany amin’ity fizarana ity. Natao hanampiana ny mpanatrika hampihatra ny Tenin’Andriamanitra izy ity. Anti-panahy na mpikarakara fiangonana mahay no tokony hanao azy ity, raha tsy misy fanamarihana manokana. Anti-panahy ihany anefa no tokony hanao ny zavatra ilain’ny fiangonana. Raha fiaraha-midinika ilay anjara, dia mety hametraka fanontaniana ankoatra an’izay efa omena eo ilay mpitarika mandritra an’ilay izy. Tokony hataony fohy ny teny fampidirana mba ho ampy tsara handinihana ny hevi-dehibe sy handraisan’ny mpanatrika anjara ny fotoana. Raha misy fanadinadinana ilay anjara, dia tsara kokoa raha eny aloha ilay olona no adinadinina fa tsy eny amin’ny toerany ihany, raha azo atao.

  16Fianarana Baiboly ataon’ny fiangonana: Telopolo minitra. Anti-panahy mahay no tokony hotendrena hitarika azy ity. (Raha vitsy ny anti-panahy, dia azo tendrena ny mpikarakara fiangonana mahay, raha ilaina.) Tokony hodinihin’ny anti-panahy rehetra hoe iza no mahafeno fepetra hitarika ny Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana. Tokony ho afaka hitarika tsara an’ilay fianarana ireo rahalahy neken’ny anti-panahy rehetra, ka hanaja tsara ny fotoana, hanasongadina an’ireo andinin-teny fototra, ary hanampy ny rehetra hahita ny fomba hampiharana ny hevitra dinihina. Handray soa ireo rahalahy neken’ny anti-panahy rehetra rehefa mandinika hoe ahoana no fomba itarihana anjara misy fanontaniana sy valiny. (w23.04 p. 24, efajoro) Tsy misy antony tokony hanalavana an’ilay fianarana, rehefa vita hatramin’ny farany ny zavatra natao hianarana amin’ilay herinandro. Tokony ho mpitarika sy mpamaky teny samy hafa no hotendrena isan-kerinandro, raha mety. Raha miteny ny mpitari-draharahan’ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana fa tokony hohafohezina ilay fianarana, dia hijery fomba azo anaovana an’izany ilay mpitarika. Mety tsy hasainy vakina, ohatra, ny fehintsoratra sasany.

  TENY FAMARANANA

17. Telo minitra. Hamerina hevitra mahasoa nisongadina tamin’ilay fivoriana ny mpitari-draharahan’ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana. Tokony horesahiny koa ny santionan’ny hevitra hodinihina amin’ny herinandro manaraka. Azony atao ny manonona ny anaran’ireo mpianatra voatendry hanao anjara amin’ny herinandro manaraka, raha ampy ny fotoana. Raha tsy misy toromarika manokana, dia amin’ny teny famaranana ilay mpitari-draharaha no hanao izay fampandrenesana mila atao, na hamaky izay taratasy tokony hovakina amin’ny fiangonana. Tsy tokony hampandrenesina avy eny amin’ny lampihazo ny fanazavana efa mahazatra toy ny fandaharana momba ny fanompoana na ny fanadiovana, fa hapetaka eo amin’ny tabilao misy ny filazana. Raha tsy ho vita ao anatin’ny fotoana hanaovana ny teny famaranana ny fampandrenesana na ny famakiana an’ireo taratasy mila vakina, dia tokony hasain’ny mpitari-draharaha hanafohy ny anjarany ireo manana anjara mandritra ny Fiainantsika Kristianina. (Jereo ny  fehintsoratra 16 sy  19.) Hofaranana amin’ny hira sy vavaka ny fivoriana.

  TENY FIDERANA SY TOROHEVITRA

18. Manana iray minitra eo ho eo ny mpitari-draharahan’ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana isaky ny vita ny anjara ataon’ny mpianatra, mba hanaovana teny fiderana sy hanomezana torohevitra azy mifanaraka amin’izay lesona nasaina nampihariny. Tsy horesahiny ny lesona asaina ampiharin’ilay mpianatra, rehefa mampiditra an’ilay anjara izy. Azony tononina kosa izany rehefa vita ilay anjara, ary efa avy nanao teny fiderana mety tsara izy. Hohazavainy hoe nahoana no nety tsara ny nampiharan’ilay mpianatra an’ilay lesona, na hohazavainy amin-katsaram-panahy hoe inona no mbola tokony hohatsarain’ilay mpianatra momba an’iny lesona iny ary ahoana no hanaovany an’izany. Afaka miresaka lafin-javatra hafa avy amin’ilay anjara koa izy raha hitany hoe hahasoa an’ilay mpianatra na ny mpanatrika izany. Azony omena torohevitra mitokana, miorina amin’ny bokikely Tiavo ny Olona, na ny bokikely Miezaha, na ny boky Sekolin’ny Fanompoana ilay mpianatra, mahakasika an’ilay lesona nasaina nampihariny na lesona hafa. Azony atao aorian’ny fivoriana izany na amin’ny fotoana hafa.​—Jereo ny  fehintsoratra 19,  24 sy  25 mba hahitana fanazavana fanampiny momba ny andraikitry ny mpitari-draharahan’ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana, sy ny andraikitry ny mpanome torohevitra mpanampy.

   FAHARETAN’NY ANJARA

  19Tsy tokony hihoatra ny fotoana ny anjara tsirairay, anisan’izany ny fanamarihan’ny mpitari-draharahan’ny fivoriana. Marina fa efa voafaritra ao amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana ny fotoana omena hanaovana ny anjara tsirairay. Raha vita alohan’ny fotoana nomena anefa ilay anjara, dia tsy misy antony tokony hanampiana fanazavana satria fotsiny hoe mbola tsy tapitra tsara ilay fotoana. Raha mihoatra ny fotoana amin’ny anjara iray, dia ny mpitari-draharahan’ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana na ny mpanome torohevitra mpanampy no hanome torohevitra mitokana an’ilay manana anjara. (Jereo ny  fehintsoratra 24 sy  25.) Tokony ho adiny iray sy 45 minitra ny faharetan’ilay fivoriana manontolo, ka tafiditra amin’izany ny hira sy vavaka.

 FITSIDIHAN’NY MPIANDRAIKITRA NY FARITRA

20. Tokony hatao araka izay voasoratra ao amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana ilay fivoriana manontolo, mandritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra, afa-tsy ny Fianarana Baiboly, satria ny lahateny 30 minitra ataon’ny mpiandraikitra ny faritra no hasolo azy io. Alohan’io lahateny io ny mpitari-draharahan’ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana no hamintina ny fandaharana, hiresaka ny santionan’ny hevitra hodinihina amin’ny herinandro manaraka, hanao fampandrenesana sy hamaky izay taratasy tokony hovakina, ary hampiditra ny mpiandraikitra ny faritra. Aorian’ilay lahateny, dia hamarana ny fivoriana amin’ny hira iray nofidiny ny mpiandraikitra ny faritra. Afaka mangataka rahalahy hafa hanao ny vavaka famaranana izy. Tsy tokony hisy kilasy fanampiny amin’ny fitenin’ilay fiangonana, mandritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra. Mbola afaka manao ny fivoriany kosa ny antoko-mpitory na dia mitsidika ny fiangonana mpiahy azy aza ny mpiandraikitra ny faritra. Tokony hiaraka amin’ilay fiangonana mpiahy azy anefa ilay antoko-mpitory, mandritra ny lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny faritra.

 HERINANDRON’NY FIVORIAMBE

21. Tsy hisy fivoriana amin’ny herinandron’ny fivoriamben’ny faritra na vondrom-paritra. Tokony hampahatsiahivina ny fiangonana hoe tokony hianaran’ny tsirairay na ny fianakaviana ny fandaharana amin’io herinandro io.

 HERINANDRON’NY FAHATSIAROVANA

22. Tsy hisy ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana, raha amin’ny andavanandro ny Fahatsiarovana.

 MPIANDRAIKITRA NY FIVORIANA MOMBA NY FIAINANTSIKA SY NY FANOMPOANA

23. Anti-panahy iray nofidin’ny anti-panahy rehetra no ho mpiandraikitra ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana. Andraikiny ny manao izay hahazoana antoka hoe voalamina tsara io fivoriana io sady narahina tsara ireo toromarika voalaza ato. Tokony hifampiresaka tsara amin’ny mpanome torohevitra mpanampy izy. Halaminy avy hatrany ny anjaran’izay rehetra manana anjara aminʼny fivoriana andavanandro mandritra ny roa volana, raha vao voarainy ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana. Anisan’izany ny anjaran’izay rahalahy manana anjara amin’ilay fivoriana andavanandro sy izay mpitari-draharaha efa neken’ny anti-panahy rehetra, ary ny anjaran’ireo mpianatra. (Jereo ny  fehintsoratra 3-16 ary  24) Tokony hodinihiny tsara ny taonan’ilay mpianatra, ny traikefany, ary ny fahaizany miresaka, rehefa hanome anjaran’ny mpianatra izy. Hoatr’izay koa no tokony hataony rehefa hanome anjara hafa amin’ny fivoriana izy. Tokony hozaraina telo herinandro mialoha, fara fahatarany, ny anjara tsirairay. Ilay hoe Anjara Amin’ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana (S-89) no tokony hampiasaina aminʼny anjaranʼny mpianatra. Tokony hataon’ilay mpiandraikitra ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana azo antoka tsara hoe efa mipetaka eo amin’ny tabilao ny anjaran’izay manana anjara mandritra ny fivoriana. Mety hanendry anti-panahy na mpikarakara fiangonana iray hafa ny anti-panahy rehetra mba hanampy azy. Tokony ho anti-panahy ihany anefa no hanendry hoe iza no hanao ny anjara hafa ankoatra ny an’ny mpianatra.

    MPITARI-DRAHARAHAN’NY FIVORIANA MOMBA NY FIAINANTSIKA SY NY FANOMPOANA

24. Anti-panahy iray no hitari-draharaha mandritra ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana, isan-kerinandro. (Raha vitsy ny anti-panahy, dia azo tendrena ny mpikarakara fiangonana mahay, raha ilaina.) Homaniny tsara ny teny fampidirana sy famaranana. Izy koa no mampiditra ny anjara rehetra, sady mety mbola hanao anjara hafa, indrindra raha anjara misy video alefa fotsiny fa tsy misy fiaraha-midinika, raha vitsy ny anti-panahy. Tokony ho tena fohy ny fanamarihana ataony eny anelanelan’ny anjara tsirairay. Ny anti-panahy rehetra no hanapaka hoe iza avy ny anti-panahy mahay mitari-draharaha. Hifandimby hitari-draharaha ireo anti-panahy mahay ireo isan-kerinandro. Mety hitari-draharaha matetika kokoa noho ny anti-panahy hafa anefa ny mpiandraikitra ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana, arakaraka ny zava-misy eo an-toerana. Raha mahafeno fepetra hitarika ny Fianarana Baiboly ny anti-panahy iray, dia midika izany fa mahafeno fepetra ho mpitari-draharahan’ny fivoriana koa izy. Tadidio anefa fa ny hanao teny fiderana avy amin’ny fo an’ireo mpianatra no andrasana amin’ilay mpitari-draharaha, ary ny hanome torohevitra amim-pitiavana azy ireo, raha ilaina izany. Izy koa no manao izay hahazoana antoka fa vita ara-potoana ilay fivoriana. (Jereo ny  fehintsoratra 17 sy  19.) Raha tian’ilay mpitari-draharaha ka malalaka ny toerana, dia azo atao ny mametraka mikrô misy tongony eo ambony lampihazo, ka eo izy no hampiditra ny anjara tsirairay. Ho afaka handroso avy hatrany eo amin’ny fijoroan’ny mpandahateny amin’izay ilay rahalahy hanao ny anjarany. Mety ho tian’ilay mpitari-draharaha koa ny hipetraka eo amin’ny seza akaikin’ny latabatra eo ambony lampihazo, mandritra ny anjara famakiana Baiboly sy ilay fizarana hoe Fampiofanana Amin’ny Fanompoana. Mety hitsitsy fotoana izany.

   MPANOME TOROHEVITRA MPANAMPY

25. Tsara raha anti-panahy mahay mandaha-teny no ampiasaina amin’ity andraikitra ity, raha azo atao. Izy mantsy, rehefa ilaina, no hanome torohevitra mitokana ny anti-panahy sy mpikarakara fiangonana mahakasika ny anjaran’izy ireo, anisan’izany ny anjara amin’ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana, lahateny ho an’ny besinimaro, ary ny fitarihana na famakian-teny amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana na Fianarana Baiboly. (Jereo ny  fehintsoratra 19.) Raha maromaro ny anti-panahy mahay mandaha-teny sy mampianatra, dia azo soloana isan-taona ny mpanome torohevitra mpanampy. Tsy voatery hanome torohevitra foana izy, isaky ny avy nanao anjara ireo rahalahy.

 KILASY FANAMPINY

26. Azo atao ny manisy kilasy fanampiny raha betsaka ny mpianatra. Tokony hisy mpanome torohevitra mahay hitarika azy io, ary tsara kokoa izany raha anti-panahy. Azo tendrena koa ny mpikarakara fiangonana tena mahay, raha ilaina. Ny anti-panahy rehetra no hanapaka hoe iza no hitarika azy io, sy hoe tokony hampifandimbiasina ve ilay izy sa tsia. Ny fomba fiasa resahin’ny  fehintsoratra 18 no tokony harahin’ilay mpanome torohevitra. Raha misy kilasy fanampiny, dia hasaina ho any amin’ny efitrano fanampiny ireo mpianatra, aorian’ilay anjara hoe Vatosoa Ara-panahy amin’ilay fizarana hoe Harena avy ao Amin’ny Tenin’Andriamanitra. Hiverina ao amin’ny efitrano lehibe izy ireo rehefa vita ny anjaran’ny mpianatra farany amin’ny fivoriana.

 VIDEO

27. Hisy video hampiasaina amin’ity fivoriana ity. Azo alaina amin’ny alalan’ny JW Library® ireny video ireny, ary azo ampiasaina amin’ny fitaovana elektronika isan-karazany.

© 2023 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania

S-38-MG 11/23