Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA

Iza moa ny Vavolombelon’i Jehovah?

Iza moa ny Vavolombelon’i Jehovah?

“Efa ela aho no nahafantatra an’i Mike. Vavolombelon’i Jehovah izy. Tsy azoko mihitsy anefa ny fivavahany. Iza izao izany Jehovah izany? Nahoana ry zareo no tsy mankalaza fety? Tafiditra amin’ny sekta ve i Mike?”—Becky, any Kalifornia, any Etazonia.

“Nianatra Baiboly tamin-dry zareo ny olona teo akaikinay, dia nieritreritra aho hoe: ‘Inona àry no dikan’izany Vavolombelon’i Jehovah izany? Hafahafa koa izany raha anarana fivavahana!’ ”—Zenon, any Ontario, any Kanada.

“Nieritreritra izahay mivady fa te hanararaotra anay amin’ilay tsy mandeha miangona fotsiny ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mitoritory atỳ aminay atỳ. Ireo fivavahana efa nisy ela be aza tsy nahavaly ny fanontanianay, dia izay sekta hafahafa hoatran-dry zareo ve dia hahavita an’izany?”—Kent, any Washington, any Etazonia.

“Tena tsy fantatro ry zareo sady tsy haiko ny zavatra inoany.”—Cecilie, any Esbjerg, any Danemark.

Mety ho efa nahita azy ireo nitory isan-trano ianao na teny amin’ny toerana be olona, na nizara boky sy gazety, na nanasa olona hianatra Baiboly maimaim-poana. Ry zareo angamba no nanome anao an’ity gazety ity. Mety mbola hieritreritra anefa ianao hoe iza marina ny Vavolombelon’i Jehovah, na koa ianao mitovy hevitra amin’ireo olona voalaza etsy aloha.

Aiza àry no hahitanao ny valin’ny fanontanianao momba ny Vavolombelon’i Jehovah? Ahoana no ahafantaranao hoe inona marina ny zavatra inoan’izy ireo? Avy aiza ny vola ahafahan’izy ireo manao ny fitoriany sy hanaovany ny toerana ivavahany? Nahoana izy ireo no mitory any aminareo sy eny amin’ny toerana be olona?

Hoy i Cecilie, ilay voaresaka tetsy aloha: “Nahita zavatra be dia be momba ny Vavolombelon’i Jehovah aho tao amin’ny Internet. Naheno tsaho sy fanaratsiana koa aho, ka lasa ratsy be ny fiheverako an-dry zareo.” Niresaka mivantana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa izy, tatỳ aoriana, ka afa-po satria voavaly ny fanontaniany.

Tianao ve ny hahafantatra ny tena marina momba ny Vavolombelon’i Jehovah? Ampirisihinay àry ianao hanatona mivantana ny Vavolombelon’i Jehovah, izay mpamoaka an’ity gazety ity, satria tena mahalala an’izany izy ireo. (Ohabolana 14:15) Matoky izahay fa hanampy anao hahafantatra anay sy ny zavatra inoanay ary ny fitoriana ataonay ny lahatsoratra manaraka.