Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Anaran’Andriamanitra Amin’ny Teny Swahili

Ny Anaran’Andriamanitra Amin’ny Teny Swahili

Ilay faritra feno ahi-maitso misy bibidia mikarenjy, any Serengeti, any Afrika, no tonga ao an-tsain’ny maro rehefa mandre hoe “swahili.” Mbola betsaka anefa ny azo resahina momba ny teny swahili sy ny olona miteny azy io.

ZATO tapitrisa be izao ny olona miteny swahili any amin’ny tany 12, fara fahakeliny, manerana ny faritra afovoany sy atsinanan’i Afrika. * Izy io no fiteny ofisialy any amin’ny tany maro, toa an’i Kenya, Tanzania, ary Ogandà. Any amin’ny tany manodidina kosa, dia izy io no teny iombonana ifampiresahan’ny olona sy ifanaovany raharaham-barotra.

Tena mampifandray ny olona any Afrika Atsinanana ny teny swahili. Misy tenim-paritra 114, ohatra, fara fahakeliny, any Tanzania fotsiny. Eritrereto ange e! Vao mandeha 40 na 80 kilaometatra avy eo an-tranonao fotsiny ianao dia efa hafa mihitsy ny fitenin’ny olona. Indraindray aza tanàna kely vitsivitsy fotsiny no mampiasa fiteny iray. Tsy mahagaga raha tena ilaina ny teny iombonana mba hahafahana mifampiresaka.

Ny tantaran’ny teny swahili

Misy milaza fa efa hatramin’ny taonjato fahafolo no nisy niteny swahili. Nanomboka nosoratana izy io tamin’ny taonjato faha-16. Voamariky ny olona mianatra teny swahili fa mitovitovy amin’ny teny arabo ny teny sasany. Ny 20 isan-jaton’ny teny swahili mantsy, fara fahakeliny, no avy amin’ny teny arabo, ary avy amin’ny teny afrikanina ny ankamaroany. Tsy mahagaga àry raha soratra arabo no nanoratana ny teny swahili nandritra ny taonjato maro.

Amin’ny soratra romanina anefa ankehitriny no anoratana ny teny swahili. Fa nahoana? Mba hahafantarana izany, dia hojerentsika izay nitranga rehefa nisy misionera avy any Eoropa tonga tany Afrika Atsinanana mba hitory teny.

Tonga tany Afrika Atsinanana ny Tenin’Andriamanitra

Nisy fotoana nitety ny faritra atsimon’i Afrika i Vasco de Gama. Nisy misionera portogey koa tonga tany Afrika Atsinanana tamin’izany, tamin’ny 1499. Nanorina fiangonana tany Zanzibar izy ireo, mba hampidirana ny Fivavahana Katolika. Nisy fanenjehana anefa, 200 taona tatỳ aoriana, ka noroahina ireo misionera ary nofoanana ny “Fivavahana Kristianina.”

Efa 150 taona tatỳ aoriana vao nisy nitory ny Tenin’Andriamanitra indray tany Afrika Atsinanana, ary i Johann Krapf, misionera alemà, no nanao izany. Silamo ny ankamaroan’ny olona tany amoron-tsirak’i Afrika Atsinanana, tamin’izy tonga tany Mombasa, any Kenya, tamin’ny 1844. Ny tany afovoan-tany kosa mbola nanompo sampy toy ny razambeny, satria nino hoe manana fanahy ny zava-drehetra. Nieritreritra àry i Krapf fa tena tokony hatao izay hananan’ny olon-drehetra Baiboly.

Tsy nangataka andro i Krapf fa tonga dia nianatra teny swahili. Nanomboka nandika ny Baiboly tamin’io fiteny io izy tamin’ny Jona 1844, na dia sarotra aza izany. Nampalahelo anefa fa maty ny vadiny iray volana taorian’izay, nefa vao roa taona izy ireo no nivady. Maty koa ny zanany vavikely, andro vitsivitsy monja taorian’izay. Azo antoka fa nalahelo be mihitsy izy. Notohizany foana anefa ny fandikana Baiboly. Nivoaka tamin’ny teny swahili àry ny Genesisy toko voalohany ka hatramin’ny toko fahatelo tamin’ny 1847, ary izy io no boky voalohany tamin’io fiteny io.

Ny Genesisy 1:1-3 amin’ny teny swahili, nadikan’i Johann Krapf tamin’ny 1847

I Krapf no voalohany nampiasa soratra romanina rehefa nanoratra teny swahili. Nilaza mantsy izy fa raha misy Eoropeanina te hianatra teny swahili any aoriana any, dia “ho sarotra be aminy ny abidy arabo.” Nilaza koa izy fa “ho mora kokoa amin’ny ‘tompon-tany ny hianatra ny fitenin’ny olona avy any Eoropa’ raha soratra romanina no ampiasaina.” Mbola nisy nampiasa foana ny soratra arabo nandritra ny taona maro. Nisy ampahany tamin’ny Baiboly mihitsy aza navoaka tamin’io soratra io. Lasa mora kokoa tamin’ny olona anefa ny nianatra teny swahili rehefa soratra romanina no nampiasaina. Azo antoka fa tena tian’ny misionera sy izay nianatra teny swahili izany fiovana izany.

I Krapf àry no voalohany nandika ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny teny swahili. Namoaka diksionera sy boky momba ny fitsipi-pitenenana swahili koa izy, ary tena nanampy ny mpandika teny tatỳ aoriana izy ireny.

Ny nandikana ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny swahili

Ampahany amin’ny Matio toko 1 amin’ny teny swahili, soratra arabo, 1891

“Andriamanitra Mahery Indrindra” fotsiny no nandikana ny anaran’Andriamanitra, ao amin’ilay Genesisy toko voalohany ka hatramin’ny toko fahatelo nadika voalohany. Nisy lehilahy maromaro tonga anefa tany Afrika Atsinanana, tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19. Nandika ny Baiboly manontolo tamin’ny teny swahili izy ireo. Anisan’izany i Johann Rebmann, William Taylor, Harry Binns, Edward Steere, Francis Hodgson, ary Arthur Madan.

Tsara homarihina fa hita tao amin’ny sasany tamin’ireny fandikan-teny ireny ny anaran’Andriamanitra. Tsy tao amin’ny andininy vitsivitsy ihany fa tao amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Malakia mihitsy. Ny mpandika teny tany Zanzibar nandika azy io hoe “Yahuwa”, fa ny tany Mombasa kosa nandika azy io hoe “Jehova.”

Vita tamin’ny teny swahili àry ny Baiboly manontolo tamin’ny 1895. Mbola nisy fandikan-teny maro hafa taorian’izay, saingy tsy niely be ny sasany tamin’izy ireny. Nisy ezaka be natao tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20, mba ho teny swahili iray ihany no ampiasaina eran’i Afrika Atsinanana. Lasa nisy Baiboly hafa nivoaka àry tamin’ny 1952, ary Dikan-teny Iombonana Swahili no niantsoana azy io. Ny hoe “Yehova” koa no nandikana ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny swahili ary io no nampiasain’ny ankamaroan’ny olona.

Ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, ao amin’ny sasin-tenin’ny “Dikan-teny Iombonana Swahili”

Nampalahelo anefa fa lasa tsy nampiasaina intsony ny anaran’Andriamanitra, rehefa tsy natao pirinty intsony ireo fandikan-teny voalohandohany. Ny fandikan-teny vaovao sasany nanala tanteraka ny anaran’Andriamanitra, fa ny hafa kosa nitazona azy io ihany saingy tany amin’ny andinin-teny sasany fotsiny. Miverina in-15 monja, ohatra, ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Dikan-teny Iombonana. Rehefa nohavaozina indray izy io tamin’ny 2006, dia vao mainka lasa in-11 sisa izany. *

Fandikan-teny voalohandohany ahitana ny anaran’Andriamanitra hoe “Yahuwa” sy “Jehova”

Marina fa zara raha hita ao amin’ilay Dikan-teny Iombonana ny anaran’Andriamanitra. Misy teny mazava be anefa ao amin’ny sasin-teniny, milaza fa Jehovah no anaran’Andriamanitra. Tena nanampy an’ireo olona nitady ny marina izany mba hahita ao amin’ny Baiboliny hoe Jehovah no anaran’ilay Rainy any an-danitra.

Mbola nisy zavatra nahafaly koa anefa. Nivoaka tamin’ny teny swahili, tamin’ny 1996, Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Io no fandikan-teny voalohany namerina ny anarana hoe Jehovah tao amin’ny Matio ka hatrany amin’ny Apokalypsy. Hita in-237 ao izany. Tamin’ny 2003 kosa no nivoaka tamin’ny teny swahili ny Baiboly manontolo hoe Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Raha atambatra, dia 900 000 eo ho eo hatramin’izao no natao pirinty tamin’io fandikan-teny io.

Tsy anaram-boninahitra intsony no nahafantarana an’Andriamanitra nanomboka teo, ary tsy tany amin’ny sasin-teny fotsiny no nahitana ny anarany. Hita im-7 000 mahery kosa ny anarany hoe Jehovah ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Lasa akaiky kokoa an’i Jehovah àry ny olona isaky ny mamaky an’io Baiboly io ka mahita an’ilay anarana ao.

Natao mora azo izy io ary teny maoderina azon’ny olon-drehetra miteny swahili no nampiasaina. Tsy nampidirina tao koa ny hevi-diso hita tany amin’ireo fandikan-teny maro hafa. Afaka matoky àry ny mpamaky azy io fa izay vakiny ao, dia “tenim-pahamarinana tsy misy diso” avy amin’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona.—Mpitoriteny 12:10.

Maro no tia mampiasa “Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao”, amin’ny teny swahili

Olona maro no faly nahazo an’ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny swahili. Hoy i Vicent, 21 taona, ary Vavolombelon’i Jehovah mpitory manontolo andro: “Faly be aho satria mora azo ny teny swahili ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Naverina tamin’ny toerany koa ny anaran’i Jehovah.” Nilaza koa i Frieda, manan-janaka telo, fa lasa mora kokoa aminy ny manazava ny Baiboly amin’ny olona noho io fandikan-teny io.

Nitohy foana nandritra ny 150 taona mahery ny ezaka natao handikana ny Baiboly amin’ny teny swahili, taorian’ny nanombohan’i Krapf an’izany. Misy 76 000 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah miteny swahili any amin’ny faritra afovoany sy atsinanan’i Afrika. Mampahafantatra ny anaran’Andriamanitra toy ny nataon’i Jesosy izy ireo. (Jaona 17:6) Faly àry izy ireo mampiasa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao mba hanaovana izany.

^ feh. 3 Misy karazany maro ny teny swahili ampiasaina any amin’ireo tany ireo.