Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana

Ahoana Raha Misalasala Momba ny Zavatra Inoanao ny Zanakao?

Ahoana Raha Misalasala Momba ny Zavatra Inoanao ny Zanakao?

Ankizy maro no manaraka ny fivavahan’ny ray aman-dreniny rehefa mihalehibe. (2 Timoty 3:14) Tsy hoatr’izany kosa ny sasany. Lasa tsy matoky intsony izy ireo raha tena fivavahana marina ny an’ny ray aman-dreniny. Ahoana raha hoatr’izany ny zanakao? Asehon’ity lahatsoratra ity izay ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah raha sendra an’izany izy ireo.

“Tsy te hanaraka ny fivavahan’ny dadanay sy mamanay intsony aho!”—Aly, 18 taona. *

TENA matoky angamba ianao hoe mampianatra ny marina momba an’Andriamanitra ny fivavahanao, ary mila manaraka ny torohevitry ny Baiboly raha te hanana fiainana tsara. Ara-dalàna àry raha ampianarinao ny zanakao ny fitsipika arahinao ao amin’ny Baiboly. (Deoteronomia 6:6, 7) Ahoana anefa raha tsy liana amin’izany intsony izy rehefa mihalehibe? Ahoana raha lasa mampisalasala azy ny zavatra nampianarinao azy, nefa toa nekeny tsara foana izany tamin’izy mbola kely?—Galatianina 5:7.

Aza tonga dia mieritreritra hoe tsy nahay nitaiza ianao. Mety ho nisy zavatra hafa nahatonga an’ilay izy mantsy. Fantaro anefa fa arakaraka ny fomba firesakao amin’ilay zanakao no mety hahatonga azy hazoto be indray hanaraka an’ilay fivavahanao na hiala tanteraka amin’izany. Raha mifamaly amin’ny zanakao momba izany ianao, dia tsy hahazo azy mihitsy.—Kolosianina 3:21.

Tena tsara kosa ny manaraka an’ity torohevitry ny apostoly Paoly ity: “Tsy tokony hiady ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy amin’ny rehetra kosa, hahay hampianatra sy hahafehy tena.” (2 Timoty 2:24) Ahoana àry no hahatonga anao “hahay hampianatra”, raha lasa misalasala momba ny zavatra inoanao ny zanakao?

Fantaro ny antony

Fantaro aloha hoe inona no mety ho nahatonga an’ilay zanakao hisalasala.

  • Tsy mana-namana ao amin’ny fiangonana ve izy ka mahatsiaro ho manirery? “Mba te hana-namana aho, dia niaraka be tamin’ny ankizy maromaro tany am-pianarana. Maditra be ry zareo, ka lasa tsy nifandray tamin’Andriamanitra intsony aho nandritra ny taona maromaro. Lasa tsy liana tamin’ny fivavahako intsony koa aho. Manenina be anefa aho izao.”—Lova, 19 taona.

  • Tsy matoky tena ve izy ka tsy sahy mitory momba ny zavatra inoany? “Tsy sahy nitory tamin’ny mpiara-mianatra taminay mihitsy aho. Natahotra aho sao lazain-dry zareo hoe ‘pasitera.’ Nihatakatahan-dry zareo izay ankizy tsy nitovy taminy, ka tsy tiako raha nataony hoatr’izany aho.”—Alain, 23 taona.

  • Hoatran’ny sarotra be aminy ve ny manaraka ny fitsipika takina amin’ny Kristianina? ‘Hoatran’ny hoe eny amin’ny fara tampon’ny tohatra iray lava be no fiheverako an’ilay hoe fiainana mandrakizay, dia izaho mbola tsy manitsaka an’ilay tohatra akory fa mbola lavitra be. Matahotra ny hiakatra amin’ilay izy mihitsy aza aho, satria hoatran’ny sarotra be ny mankatò ny fitsipiky ny Baiboly. Mieritreritra aza aho hoe aleoko miala amin’ny finoako.’—Ravo, 16 taona.

Ataovy izay hiresahany

Mila manontany ny zanakao ianao satria izany no tena hahalalana izay olana mahazo azy. Mitandrema anefa sao miafara amin’ny ady ilay resaka. Araho ilay lazain’ny Jakoba 1:19 hoe: ‘Aoka ianao ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, tsy ho mora tezitra.’ Manàna faharetana ka miezaha “hahari-po tanteraka sady hahay hampianatra”, toy ny ataonao rehefa mampianatra olona ankoatra ny fianakavianao.—2 Timoty 4:2.

Raha tsy mety mandeha mivory intsony, ohatra, ny zanakao, dia fantaro aloha sao manana olana izy. Miezaha anefa hanam-paharetana. Tsy hahomby ianao raha hoatr’izao manaraka izao no hataonao:

Ilay ankizy: ‘Zaho ry Dada hoatran’ny tsy te handeha hivory intsony ka!

Ilay rainy: [Tezitra be] Tsy te handeha hivory intsony ahoana?

Ilay ankizy: Kamo be fotsiny aho e!

Ilay rainy: Lazainao fa mahakamo izany Andriamanitra a? Mba misaina ve ianao e? Raha mbola izaho no mamelona anao ka mbola ato ianao, dia tsy maintsy mandeha mivory miaraka aminay, na tianao na tsy tianao!

Marina fa asain’Andriamanitra mampianatra ny zanany ny ray aman-dreny, ary tokony hankatò ray aman-dreny ny zanaka. (Efesianina 6:1) Azo antoka anefa fa tsy ho tianao raha manaraka am-bokony an’izay ataonao fotsiny ny zanakao, ka mody mandeha mivory nefa tsy te handeha akory. Tianao kosa angamba raha izy mihitsy no mahatsapa hoe tokony hivory ary tena tiany ilay izy.

Ho vitanao ny hanampy azy raha iezahanao fantarina hoe nahoana izy no misalasala. Mety hahomby ianao raha hoatr’izao no hataonao:

Ilay ankizy: ‘Zaho ry Dada hoatran’ny tsy te handeha hivory intsony ka!

Ilay rainy: [Tony] Fa maninona?

Ilay ankizy: Kamo be fotsiny aho e!

Ilay rainy: Hoatran’ny mahakamo tokoa aloha ilay mipetraka adiny roa be izao e! Sa inona no tena tsy tianao any?

Ilay ankizy: Tsy haiko fa aleoko lavitra mijanona ato an-trano toy izay mankany.

Ilay rainy: Mieritreritra hoatr’izany daholo koa ‘ngaha ny namanao?

Ilay ankizy: ‘Zaho aza tsy mana-namana mihitsy ko! Eny e! Tsy mana-namana intsony aho hatramin’ny nifindran’ilay namako be iny. Tsy mba misy iresahana intsony aho. Ny ankizy rehetra mifalifaly erỳ fa ‘zaho hoatran’ny irery izany foana.

Nataon’ilay ray izay iresahan’ilay zanany. Lasa fantany àry ilay olana mahazo an-janany hoe tsy mana-namana izy ka manirery. Lasa natoky an’ny dadany ilay tanora, ka afaka nifampiresaka elaela kokoa ry zareo.—Jereo ilay efajoro hoe  “Manàna Faharetana!”

Tanora maro no nahavita niatrika ny olana nahazo azy, ka tsy niala tamin’ny fivavahana marina. Matetika no lasa matoky tena kokoa izy ireo sady mino hoe tena marina ny zavatra inoany. Lasa hoatr’izany i Alain, ilay ankizilahy menatra sao ho fantatry ny ankizy hoe Kristianina. Tsapany ihany tatỳ aoriana fa hay tsy mampahatahotra be akory ilay mitory, na dia mety hisy haneso aza. Hoy izy:

“Nesoesoin’ny ankizilahy iray mpiara-mianatra aminay aho indray andro, satria hoe mpivavaka. Menatra be aho ary hitako mihitsy hoe nihaino an’ilay izy daholo ny iray kilasy. Navadiko tany aminy indray àry ilay resaka ka nanontaniako momba ny finoany izy. Gaga be aho fa izy aza kay mbola menatra noho izaho! Fantatro tamin’izay hoe hay ankizy be dia be no manana ny finoany, nefa tsy hainy akory ny manazava ny azy. Izaho anefa mba mahavita manazava ny finoako ihany. Ry zareo aza no tena menatra amin’ny fivavahany, fa tsy izaho!”

ANDRAMO IZAO: Ataovy izay hiresahan’ny zanakao ka anontanio izy hoe: “Tianao ve sa tsia izany hoe Kristianina izany? Inona no hitanao fa mahatsara sy maharatsy an’ilay izy? Ary inona hitanao fa zava-dehibe kokoa? Ilay mahatsara azy sa ilay maharatsy azy? Nahoana?” (Marka 10:29, 30) Azony soratana amin’ny taratasy ny heviny, ka asiany tsanganana roa. Ny iray anoratany ny mahatsara an’ilay hoe Kristianina, fa ny ilany kosa anoratany ny maharatsy azy. Izy ihany mantsy amin’izay, dia efa hahita ny olana manakantsakana azy ka hitady vahaolana.

Mila ‘mampiasa ny sainy’ ny zanakao

Voamariky ny ray aman-dreny sy ny manam-pahaizana fa samy hafa be ny fomba fisainan’ny ankizikely sy ny tanora. (1 Korintianina 13:11) Matetika no mora manaiky izay zavatra ampianarina azy ny ankizy, fa ny tanora kosa misaina lavitra kokoa. Raha ny ankizikely, ohatra, no ampianarina hoe Andriamanitra no namorona ny zava-drehetra, dia tonga dia manaiky izy. (Genesisy 1:1) Ny tanora kosa mety mbola hanontany hoe: ‘Inona no porofo fa tena misy tokoa Andriamanitra? Raha tia antsika Andriamanitra, nahoana no avelany hisy ny faharatsiana? Ahoana no hahalalako hoe efa nisy foana Andriamanitra hatramin’izay?’—Salamo 90:2.

Mety hihevitra ianao hoe mihamihena ny finoan’ny zanakao matoa izy manontany an’izany. Tsy voatery ho izany anefa, satria mety vao mainka hampitombo ny finoany izany. Tena ilain’ny olona iray mihitsy aza, raha ny marina, ny manontany raha te handroso ara-panahy izy.—Asan’ny Apostoly 17:2, 3.

Mianatra ‘mampiasa ny sainy’ koa ny zanakao rehefa mihalehibe. (Romanina 12:1, 2) Tsy toy ny tamin’ny mbola kely intsony izy izao, fa efa afaka mahazo tsara ny zavatra inoan’ny Kristianina. (Efesianina 3:18) Izao àry ny fotoana tokony hanampiana azy hieritreritra tsara, mba hahatonga azy hatoky hoe tena marina ny zavatra inoany.—Ohabolana 14:15; Asan’ny Apostoly 17:11.

ANDRAMO IZAO: Diniho miaraka amin’ny zanakao indray ireo hevitra tena ilaina fantarina nefa tsy dia noraharahainareo. Asaivo mieritreritra, ohatra, izy hoe: ‘Nahoana aho no resy lahatra fa tena misy Andriamanitra? Inona no porofo hitako fa tena mikarakara ahy tokoa i Jehovah? Nahoana aho no mino fa mahasoa ahy foana ny mankatò ny lalàny?’ Aza terena hanaraka ny hevitrao ny zanakao, fa ampio kosa izy mba ho izy mihitsy no ho resy lahatra hoe marina ny zavatra inoany.

Ataovy izay haharesy lahatra azy

Milaza ny Baiboly fa “mbola zazakely” i Timoty, dia efa nahalala ny tenin’Andriamanitra. Niteny taminy ihany anefa ny apostoly Paoly hoe: “Mahareta amin’ny zavatra nianaranao sy nandresen-dahatra anao ka inoanao.” (2 Timoty 3:14, 15) Mety ho efa hatramin’ny mbola kely koa ny zanakao no nampianarina ny fitsipiky ny Baiboly. Mila resenao lahatra mihitsy anefa izy izao mba tena hiaiky fa tsara ny manaraka ny zavatra nampianarina azy.

Hoy ny Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany: “Raha mbola miara-mipetraka aminao ny zanakao, dia zonao ny mitaky ny hianarany Baiboly sy hanatrehany fivoriana toy ny efa fanaonareo. Ny hitiavany an’Andriamanitra anefa no tanjonao, fa tsy ny hanarahany am-bokony fotsiny an’izay ataonao.” Raha mitadidy an’izany foana ianao dia ho vitanao ny hanampy ny zanakao hanana “finoana matanjaka.” (1 Petera 5:9) Lasa izy mihitsy amin’izay no hazoto hankatò ny fitsipiky ny Baiboly, fa tsy hoe manaraka fotsiny izay hataonao. *

ERITRERETO IZAO:

  • Ahoana ny fihetsiko rehefa misalasala momba ny zavatra inoako ny zanako?

  • Ahoana no hampiharako ny torohevitra tato mba hanitsiako ny fihetsiko?