Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Tenin’Andriamanitra ny Baiboly

Tena Tenin’Andriamanitra ny Baiboly

Tena Tenin’Andriamanitra ny Baiboly

INONA no tian’ny apostoly Paoly holazaina tamin’ny hoe “avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” ny Baiboly? (2 Timoty 3:16) Teny grika midika ara-bakiteny hoe “avy amin’ny fofonain’Andriamanitra” no nampiasainy. Te hiteny izy hoe nomen’Andriamanitra ny fanahiny masina ireo mpanoratra Baiboly. Ny hevitr’i Jehovah ihany àry no nosoratan’izy ireo.

Nilaza ny apostoly Petera fa “avy tamin’Andriamanitra” no nitenenan’izy ireo, “araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.” (2 Petera 1:21) Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hiantso ny Baiboly hoe ‘Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena, amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy Jesosy.’—2 Timoty 3:15.

Maro no manizingizina fa tsy avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. “Tsy mino ny tantara ao” izy ireny, araka ny tenin’Atoa Charles Marston, ary manakiana mafy azy io. “Bokin’angano efa tranainy”, hono, ny Baiboly.

Mandiniha tsara aloha

Afaka matoky ve ianao fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly? Mila mahalala ny valin’izany ianao. Raha tena Tenin’Andriamanitra mantsy izy io, dia adala izay olona tsy miraharaha azy, ary mety hamoy ny ainy mihitsy aza. Raha mihevitra azy io ho tenin’olona fotsiny ianao, dia hisy vokany be aminao izany. Tsy hanaraka ny tari-dalana sy ny fampianarana ao intsony mantsy ianao.—1 Tesalonianina 2:13.

Ahoana àry no hatokisanao ny Baiboly? Inona, ohatra, no hanampy anao hatoky olona iray? Sarotra be aminao ny hatoky azy raha tsy tena fantatrao izy. Mila miezaka mahalala azy tsara kosa ianao, mba hahitanao raha tena mendri-pitokisana izy na tsia. Izany koa no tokony hataonao amin’ny Baiboly. Aza ekena be fahatany izay tombantombana na fanazavana natao hanakianana azy io. Diniho tsara kosa ireo porofo mampiharihary fa “avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” izy io.

Mihambo ho mino nefa manakiana

Manakiana ny Baiboly na dia ireo mihambo ho mino azy io aza. Milaza Ny Diksionera Vaovaon’ny Teolojia (anglisy) fa “mihevitra ny Soratra Masina ho tenin’olona” ny ankamaroan’ny manam-pahaizana momba ny Baiboly, na dia mitonona ho Kristianina aza. Tsy tokony hahakivy anao izany.

Maro ny teolojianina miady hevitra hoe iza marina no nanoratra ireo boky ao amin’ny Baiboly. Misy miteny, ohatra, fa tsy i Isaia mpaminany no nanoratra ny bokin’i Isaia. Ela be taorian’ny andron’i Isaia, hono, izy io vao nosoratana. Hoy i Lowther Clarke ao amin’ilay boky hoe Fanazavana Nohafohezina Momba ny Baiboly (anglisy): “Olona be dia be no nanoratra azy io nandritra ny taona maro.” Tsy te hahalala ireny mpanakiana ireny hoe imbetsaka i Jesosy Kristy sy ny mpianany no nilaza fa i Isaia no nanoratra ny bokin’i Isaia.—Matio 3:3; 15:7; Lioka 4:17; Jaona 12:38-41; Romanina 9:27, 29.

Milaza mihitsy aza ny sasany, toy ilay manam-pahaizana atao hoe J. Dummelow, fa “zavatra efa nitranga” ireo faminaniana ao amin’ny bokin’i Daniela saingy “mody natao hoe faminaniana.” Mbola minia tsy miraharaha ny tenin’i Jesosy Kristy koa ny olona toy izany. Hoy izy: ‘Hitsangana ao amin’ny toerana masina ilay zava-maharikoriko mahatonga faharavana, araka ny nampilazaina an’i Daniela mpaminany.’ (Matio 24:15) Raha Kristianina ianao, heverinao ve fa hiteny an’io i Jesosy, raha efa fantany fa tsy faminaniana ny nolazain’i Daniela? Hiray tsikombakomba amin’ny mpamitaka ve izy? Azo antoka fa tsia.

Tena mila fantarina ve?

Mety hiteny ianao hoe: “Fa tena mila fantatra ve hoe iza marina no nanoratra ireo boky ao amin’ny Baiboly?” Eny, tena mila fantatrao izany. Aoka hatao hoe nahita taratasy lazaina fa didim-pananan’ny namanao ianao. Misy manam-pahaizana miteny anefa hoe tsy ny namanao no nanoratra azy io fa olona tsara sitrapo, ary nataony tao fotsiny izay noeritreretiny hoe fanirian’ilay namanao. Tsy hampihen-danja an’ilay didim-pananana ve izany? Mbola hatoky ve ianao fa tena teniny no ao?

Toy izany no fandraisan’ny olona sasany ny Baiboly. Maro àry ny olona milaza ho Kristianina, nefa tsy miraharaha izay lazain’io boky io momba ny fanaovana ny marina sy ny fitondran-tena ary ny zavatra hafa. Angamba ianao efa nahare olona niteny hoe: “Efa any amin’ny Testamenta Taloha izany e!” Toa te hilaza izy ireo hoe tsy ilaina izy io. Nilaza anefa ny apostoly Paoly fa “Soratra Masina” izy io, ary “avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.”

Mety hiteny koa ianao hoe: “Tsy voatery ho diso foana ange ny porofo omen’ny manam-pahaizana e!” Marina izany! Ny fikarohana nataon’izy ireo, ohatra, no nahitana ny Baiboly sora-tanana tany am-boalohany. Avy amin’izany no nahitana fa lasa nisy fahadisoana vitsivitsy tafiditra ao amin’ny Baiboly ankehitriny, noho izy io natao kopia imbetsaka. Tsy hoe rehefa misy fahadisoana kely anefa ao amin’ny Baiboly, dia midika izany fa tenin’olombelona izy manontolo.

Aoka ianao hino foana ny “Soratra Masina”

Nohazavain’i Paoly tamin’i Timoty hoe nahoana no tena ilaina ny Soratra Masina, talohan’ny nilazany fa “avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” izy io. Hoy izy: “Amin’ny andro farany, dia ... vao mainka hiharatsy kokoa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka, ka sady mamitaka izy ireo no voafitaka.” (2 Timoty 3:1, 13) Efa tamin’ny andron’i Paoly no nisy olona niseho ho ‘hendry sy mahira-tsaina’, ka nampiasa “hevitra maharesy lahatra”, mba hamitahana ny hafa sy hahatonga azy ireo tsy hino an’i Jesosy Kristy intsony. (1 Korintianina 1:18, 19; Kolosianina 2:4, 8) Tsy tian’i Paoly ho voafitaka i Timoty, ka nampirisihiny ‘haharitra amin’ny zavatra nianarany’ tao amin’ny “Soratra Masina.”—2 Timoty 3:14, 15.

Tena mila manao izany koa ianao amin’izao “andro farany” izao. Aza mieritreritra hoe tsy ho voafitaky ny “hevitra maharesy lahatra” ampiasain’ny olona mahira-tsaina ianao. Tahafo kosa ireo Kristianina voalohany, ka ataovy izay hatokisana tanteraka ny Baiboly, ilay boky avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.

Vonona hanampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah. Azony aseho anao fa mbola mahasoa ny toro lalan’ny Baiboly, ary tanteraka daholo ny faminaniana ao. Tsy misy mifanohitra koa ny zavatra voalaza ao, ary mifanaraka amin’ny siansa. Santionany fotsiny ireo. Manorata àry any amin’ny mpampanonta ity gazety ity, raha mila fanazavana bebe kokoa ianao. Olona an-tapitrisany no efa nahazo fanazavana toy izany, ka nahita fa tena Tenin’Andriamanitra ny Baiboly.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Inona no hanampy anao hatoky olona iray?

[Teny notsongaina, pejy 6]

Ny fikarohana nataon’ny manam-pahaizana no nahitana ny Baiboly sora-tanana tany am-boalohany