Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avelanao Hiresaka Aminao Isan’andro ve Andriamanitra?

Avelanao Hiresaka Aminao Isan’andro ve Andriamanitra?

IMPIRY ianao no mijery fitaratra? Fahazarana isan’andro izany ho an’ny ankamaroantsika, ary mety hanao izany imbetsaka isika ao anatin’ny iray andro. Manahy mantsy isika sao tsy mety ny paozintsika.

Azo oharina amin’ny fijerena fitaratra ny famakiana Baiboly. (Jakoba 1:23-25) Afaka manampy antsika hamantatra tsara ny tenantsika ny Tenin’Andriamanitra. “Manindrona ka mahavita manavaka ny miseho ivelany sy ny any am-po” izy io. (Hebreo 4:12) Manavaka ny toetra asehontsika etỳ ivelany sy ny tena toetrantsika ny Tenin’Andriamanitra. Toy ny fitaratra izy io, ka mampiseho amintsika hoe aiza no mila ahitsy.

Tsy hoe mampiseho izay tokony hahitsintsika fotsiny ny Baiboly fa manampy antsika hanao izany koa. Hoy ny apostoly Paoly: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana.” (2 Timoty 3:16, 17) Misy soa efatra misongadina eo. Mariho fa mitaky fanitsiana eo amin’ny toe-tsaintsika sy izay ataontsika ny telo amin’ireo, dia ny fananarana, ny fanitsiana izay diso, ary ny famaizana. Mila mijery fitaratra matetika isika, mba hahitana raha mety ny paozintsika. Tsy tokony ho sarobidy lavitra noho izany ve ny famakiana tsy tapaka ny Baiboly?

Hoy i Jehovah Andriamanitra tamin’i Josoa, rehefa nanendry azy hitarika ny firenen’ny Israely: “Aoka tsy ho afaka am-bavanao ity boky misy ny lalàna ity. Ary vakio sy saintsaino andro aman’alina izany. Amin’izay ianao dia hitandrina tsara izay rehetra voasoratra ato, ka hahomby izay hataonao ary hanao zavatra amim-pahendrena ianao.” (Josoa 1:8) Tsy maintsy zatra namaky ny Tenin’Andriamanitra “andro aman’alina” àry i Josoa, raha te hahomby.

Hoy ny salamo voalohany momba ny soa azo avy amin’ny famakiana tsy tapaka ny Baiboly: “Sambatra ny olona tsy mandeha araka ny torohevitry ny ratsy fanahy, sy tsy mijoro eny amin’ny lalan’ny mpanota, ary tsy mipetraka eny amin’izay ipetrahan’ny mpaneso. Fa ny lalàn’i Jehovah no mahafinaritra azy, eny, ny lalàny no vakiny moramora andro aman’alina. Ho toy ny hazo nambolena eo amoron’ny rano mikoriana izy, dia hazo mamoa amin’ny fotoanany, ary tsy mba malazo ny raviny. Hahomby daholo izay ataony.” (Salamo 1:1-3) Azo antoka fa maniry ho toa an’io olona io isika.

Olona maro no zatra mamaky Baiboly isan’andro. Nanontaniana ny Kristianina iray hoe nahoana izy no mamaky Baiboly isan’andro. Hoy izy: “Mivavaka imbetsaka amin’Andriamanitra aho isan’andro ary manantena fa hihaino ahy izy. Nahoana kosa aho no tsy mba hihaino azy amin’ny alalan’ny famakiana ny Teniny isan’andro? Tena mila mifampiresaka mantsy ny mpinamana akaiky.” Toy ny hoe mihaino an’Andriamanitra àry isika rehefa mamaky Baiboly, satria lasa fantatsika ny fomba fiheviny.

Miezaha mamaky Baiboly tsy tapaka

Efa nanomboka namaky Baiboly tsy tapaka angamba ianao. Nahavaky azy io manontolo ve ianao? Izany mantsy no fomba tena tsara hamantarana kokoa izay voalaza ao. Imbetsaka ny olona sasany no nanandrana namaky azy io manontolo, saingy tsy nahavita foana. Izany koa ve no mahazo anao? Inona no azonao atao mba ho voavakinao ny Baiboly manontolo? Nahoana raha arahina ireto soso-kevitra roa ireto?

Afaka manokana fotoana hamakiana Baiboly isan’andro ve ianao?

Ataovy anisan’ny zavatra fanaonao isan’andro ny famakiana Baiboly. Fidio izay fotoana tena mety aminao, hamakianao Baiboly ao anatin’ny andro iray. Mifidiana koa fotoana hafa hanaovana izany raha tsy afaka ianao amin’io fotoana io. Tsy hisy andro handalo fotsiny amin’izay, ka hoe tsy namakianao ny Tenin’Andriamanitra. Hanahaka ny ohatr’ireo Berianina fahiny koa ianao. Izao no voalaza momba azy ireo: “Faran’izay nazoto nandray ny teny izy ireo, ka nandinika tsara ny Soratra Masina isan’andro hahitana raha izany tokoa no izy.”—Asan’ny Apostoly 17:11.

Manàna tanjona voafaritra tsara. Ho voavakinao manontolo ao anatin’ny herintaona monja, ohatra, ny Baiboly raha mamaky toko telo ka hatramin’ny dimy isan’andro ianao. Misy tabilao ahitana ny fomba anaovana izany eo amin’ireo pejy manaraka. Nahoana raha arahina io fandaharam-potoana io? Soraty eo ambanin’ilay hoe “Daty” ny fotoana atokanao hamakiana an’ireo toko. Asio marika eo amin’ilay tabilao rehefa voavakinao izy ireo. Ho hitanao amin’izay ny fandrosoanao.

Rehefa nahavita namaky ny Baiboly manontolo ianao, nahoana moa raha averina indray? Afaka mampiasa an’io fandaharana io ihany ianao, mba hamakiana ny Baiboly manontolo isan-taona. Azonao atomboka eo amin’ny fizarana hafa izany, isaky ny manomboka ianao. Raha tianao hiadana kokoa ny famakianao Baiboly, dia vakio ao anatin’ny roa na telo andro ireo toko asaina vakina ao anatin’ny iray andro.

Hahita zava-baovao azonao ampiharina eo amin’ny fiainanao ianao, isaky ny mamaky Baiboly. Mety tsy ho voamarikao mihitsy aza izany taloha. Nahoana? Satria “miovaova ny sehatr’ity tontolo ity”, ary miova foana koa ny fiainantsika sy ny toe-javatra misy antsika. (1 Korintianina 7:31) Aoka àry ianao ho tapa-kevitra ny hijery fitaratra isan’andro, dia ny Tenin’Andriamanitra. Ho hita avy amin’izany fa avelanao hiresaka aminao isan’andro Andriamanitra.—Salamo 16:8.