Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no manaporofo fa natao fahirano vetivety fotsiny ny tanànan’i Jeriko dia resy?

Milaza ny Josoa 6:10-15, 20 fa nanao fahirano an’i Jeriko ny miaramila israelita, ka nihodidina azy indray mandeha isan’andro nandritra ny enina andro. Nihodidina an’ilay tanàna impito kosa izy ireo ny andro fahafito, ary narodan’Andriamanitra ilay manda mijoalajoala nanodidina an’i Jeriko. Tafiditra àry ny Israelita ary resy ilay tanàna. Misy zavatra hitan’ny mpikaroka ve manaporofo fa marina ilay voalazan’ny Baiboly hoe vetivety fotsiny no nanaovana fahirano an’i Jeriko?

Fanaon’ny miaramila fahiny ny manao fahirano an’izay tanàna voaro mafy tiany hotafihina. Rehefa resin’izy ireo ilay tanàna, dia alainy ny zava-tsarobidy ao, anisan’izany ny sakafo tsy lanin’ny mponina nandritra an’ilay fahirano. Nahita sakafo be dia be tao amin’ny sisa tavela amin’ny tanànan’i Jeriko anefa ny mpikaroka. Milaza ny gazety Ny Arkeolojia sy ny Baiboly (anglisy) fa tsy fahita izany tany amin’ny tanàna hafa nisy nanao fahirano, tany Palestina. Hoy ihany io gazety io: “Voamadinika no tena betsaka tao [Jeriko], ankoatra ny zavatra vita tamin’ny tanimanga. ... Mety ho nisy voamadinika iray na roa siny tavela ihany [tany amin’ny tanàna hafa], nefa tsy fahita ny voamadinika be dia be toy izany.”

Milaza ny Baiboly fa tsy nalain’ny Israelita ny sakafo tao Jeriko, satria tsy navelan’i Jehovah hanao an’izany izy ireo. (Jos. 6:17, 18) Mbola be voamadinika tao, satria volana Martsa na Aprily ny Israelita no nanafika an’ilay tanàna, izany hoe taoriana kelin’ny fotoam-pijinjana. (Jos. 3:15-17; 5:10) Vetivety àry no nanaovana fahirano an’i Jeriko, matoa be dia be ny voamadinika tavela tao. Marina tokoa ny voalazan’ny Baiboly.