Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Havan’i Kaiafa Izy

Havan’i Kaiafa Izy

Hita avy amin’ny fikarohana ny any ambanin’ny tany fa tena misy tokoa ireo olona resahin’ny Baiboly. Nahita vata iray, ohatra, ny mpikaroka israelianina tamin’ny 2011. Efa 2 000 taona ilay vata, ary vita tamin’ny vatosokay misy haingonkaingony. Fampiasan’ny olona io vata io mba hametrahana ny taolan’ny olona iray efa maty rehefa nihintsana ny nofony.

Misy an’izao soratra izao eo amin’ilay vata: “Miriama, zanakavavin’i Yeshoà, dia i Yeshoà zanakalahin’i Kaiafa mpisoron’i Mahazia, izay avy any amin’ny Bety Imry.” Nisy mpisoronabe jiosy atao hoe Kaiafa nandray anjara tamin’ny fitsarana an’i Jesosy sy ny famonoana azy. (Jaona 11:48-50) I “Josefa, nantsoina hoe Kaiafa” io mpisoronabe io, hoy i Flavius Josèphe, mpahay tantara. Tsy maintsy ho havan’izy io àry ny tompon’ilay vata. Efa nisy vata hafa koa hita talohan’izay, ary nisy soratra hoe Yehosef bar Caiapha (Josefa zanak’i Kaiafa). * Midika izany fa misy rohim-pihavanana eo amin’io Miriama io sy Kaiafa Mpisoronabe.

Hita tany amin’ny olona nandroba fasana io vata misy ny taolam-patin’i Miriama io, araka ny voalazan’ny Fikambanana Miandraikitra ny Rakitry ny Ela any Israely. Na izany aza dia azo antoka fa tena ilay vata io fa tsy vata sandoka.

Misy zava-baovao koa ianarantsika avy amin’ilay vata. Voaresaka eo amin’izy io i “Mahazia.” Antoko-mpisorona 24 no nifandimby nanompo tao amin’ny tempolin’i Jerosalema, ka Mahazia no anaran’ny antoko-mpisorona faha-24. (1 Tan. 24:18) Milaza ilay fikambanana fa hita avy amin’ilay soratra teo amin’ilay vata hoe “nisy ifandraisany tamin’ny antoko-mpisorona Mahazia ny fianakaviana Kaiafa.”

Miresaka momba an’i Bety Imry koa ilay soratra. Zavatra roa no mety ho dikan’izany. Hoy ilay fikambanana: “Voalohany, mety ho anarana fianakaviana mpisorona ilay hoe Bety Imry, ka manondro an’ireo zanakalahin’i Imera. (Ezra 2:36, 37; Neh. 7:39-42) Anisan’ny antoko-mpisorona Mahazia ny taranak’i Imera sasany. Faharoa, mety ho ny toerana niavian’i Miriama na ny fianakaviany manontolo ilay hoe Bety Imry.” Na izany na tsy izany, dia porofoin’io vata io fa tena nisy ireo olona resahin’ny Baiboly, ary tena nisy ny fianakaviana niavian’izy ireo.

^ feh. 3 Misy fanazavana momba an’io vata misy ny taolam-patin’i Kaiafa io ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ilay Mpisoronabe Nanameloka An’i Jesosy”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 2006, pejy 10-13.