Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Novalian-tsoa ny Ezaka sy ny Fiomanana Nataony

Novalian-tsoa ny Ezaka sy ny Fiomanana Nataony

Mazoto mitory i María Isabel, zazavavikely mipetraka any San Bernardo, any Silia. Anisan’ny foko mapuche izy sy ny fianakaviany, ary mampiasa ny fiteny mapuche, izay antsoina koa hoe mapudungun. Nandray anjara lehibe tamin’ny fiforonan’ny fiangonana mampiasa an’io fiteny io izy mianakavy.

Nisy fampandrenesana, indray mandeha, hoe hatao amin’ny fiteny mapudungun ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, ary misy fanasana 2 000 hozaraina amin’io fiteny io. Nieritreritra àry i María hoe inona no azony atao. Tadidiny ny tantaran’ireo tanora nahita vokatra, rehefa nitory tamin’ny mpiara-mianatra sy ny mpampianatra. Niresaka tamin’ny ray aman-dreniny àry izy, ary nasain’izy ireo nitady fomba hanaparitahana an’ilay fanasana tany am-pianarany. Inona no hevitra hitany?

Niera tamin’ireo lehiben’ny sekoly izy raha afaka mametraka fanasana eo amin’ny vavahady be fidirana. Nanaiky izy ireo sady nidera azy. Niresaka momba an’ilay fanasana tamin’ny fanamafisam-peo mihitsy aza ny tale, indray maraina, tamin’ny fiantsoana anarana!

Niera koa i María raha afaka mitsidika ny kilasy tsirairay. Afaka nitety kilasy àry izy, ary nanontany raha nisy avy amin’ny foko mapuche ny mpianatra tao. Hoy izy: “Nieritreritra aho hoe 10 na 15 monja ny mpianatra avy amin’ny foko mapuche, tao amin’ilay fianarana. Hay be dia be ry zareo, ka nahapetraka fanasana 150 aho!”

“NANANTENA HAHITA OLON-DEHIBE IZY!”

Nahita an’ilay fanasana teo am-bavahady ny vehivavy iray, ka nanontany hoe iza no tokony hohatonina raha mila fanazavana izy. Gaga be izy rehefa natoro an’i María, zazavavikely folo taona! “Nanantena hahita olon-dehibe izy!”, hoy i María nitsikitsiky. Nomen’i María fanasana ilay vehivavy ary nohazavainy vetivety ilay izy. Nangataka ny adiresiny i María avy eo, mba hahafahany hitsidika azy miaraka amin’ny ray aman-dreniny sy hanazava aminy momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Faly erỳ ireo mpitory 20 tao amin’ilay antoko-mpitory mapudungun, rehefa nahita an’io vehivavy io tonga tamin’ny Fahatsiarovana, niaraka tamin’ny olon-kafa 26 avy amin’ny foko mapuche. Efa fiangonana io antoko-mpitory io izao, ary tena miroborobo be!

Na firy taona ianao na firy taona, nahoana raha miezaka manasa ny mpiara-mianatra aminao na ny mpiara-miasa aminao mba hanatrika ny Fahatsiarovana, na lahateny ho an’ny besinimaro, na fivoriamben’ny vondrom-paritra? Hahita hevitra tsara ianao, raha mikaroka fitantarana mifandray amin’izany ao amin’ny bokintsika. Mangataha koa fanahy masina amin’i Jehovah, mba hanampy anao ho be herim-po, ka hiresaka momba azy. (Lioka 11:13) Hahafaly sy hampahery anao izany, satria hovalian-tsoa ny ezaka sy ny fiomanana ataonao.