Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Anaran’Andriamanitra?

Iza no Anaran’Andriamanitra?

Raha te hahafantatra olona iray ianao, dia izao no hanontanianao azy voalohany: “Iza no anaranao?” Ary raha Andriamanitra no anontanianao an’izany, inona no havaliny?

“Izaho no Jehovah! Izany no anarako.”Isaia 42:8.

Izay ve ianao vao naheno an’io anarana io? Tsy mahagaga izany, satria betsaka ny mpandika Baiboly nanala azy io na zara raha nampiasa azy io tao amin’ny Baiboly. Matetika ilay izy no nosoloany hoe “TOMPO.” Tamin’ny vao nosoratana anefa ny Baiboly, dia niverina tao im-7 000 teo ho eo ny anaran’Andriamanitra. Litera efatra izy io amin’ny teny hebreo, ary adika hoe YHWH na JHVH. Matetika izy io no adika hoe “Jehovah” amin’ny teny Malagasy.

Miverimberina ao amin’ny soratra hebreo tany am-boalohany ny anaran’Andriamanitra ary hita ao amin’ny fandikan-teny hafa koa

Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Salamo Taonjato voalohany, HEBREO

Baiboly nadikan’i Tyndale 1530, ANGLISY

Baibolin’i Reina sy Valera 1602, ESPANIOLA

Dikan-teny Iombonana 1919, SINOA

ZAVA-DEHIBE VE NY ANARANY?

Zava-dehibe amin’Andriamanitra izy io. Izy ihany no nifidy an’io anarana io. Hoy izy: “Izany no anarako mandritra ny fotoana tsy voafetra, sy hahatsiarovana ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.” (Eksodosy 3:15) Manana anaram-boninahitra maro izy ao amin’ny Baiboly, ohatra hoe Mahery Indrindra, Ray, Tompo, na Andriamanitra. Miverina imbetsaka kokoa noho ireo anefa ilay hoe Jehovah. Na ny anarana hafa toy ny hoe Mosesy, Davida, na Jesosy aza mbola vitsy kokoa. Tian’i Jehovah hahafantatra ny anarany koa ny olona. Hoy ny Baiboly: “Mba ho fantatry ny olona fa ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!”—Salamo 83:18.

Zava-dehibe amin’i Jesosy izy io. Nasain’i Jesosy nangataka toy izao ny mpanara-dia azy, tao amin’ilay vavaka nampianariny: “Hohamasinina anie ny anaranao!” (Matio 6:9) Nivavaka koa izy hoe: “Ray ô, omeo voninahitra ny anaranao.” (Jaona 12:28) Ny hanome voninahitra an’io anarana io no zava-dehibe indrindra tamin’i Jesosy. Afaka nilaza àry izy hoe: “Efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany.”—Jaona 17:26.

Zava-dehibe amin’ny mpanompony izy io. Fantatry ny mpanompony fahiny fa ho voaro sy ho voavonjy izy ireo, raha mahafantatra ny anaran’Andriamanitra sady manome voninahitra azy io. “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy, ary mihazakazaka ho ao ny marina ka voaro.” (Ohabolana 18:10) “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no ho tafavoaka soa aman-tsara.” (Joela 2:32) Mampiavaka ny mpanompony koa io anarana io. “Ny firenena rehetra samy handeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy, fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika, mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.”—Mika 4:5; Asan’ny Apostoly 15:14.

INONA NO FANTATSIKA AVY AMIN’IZY IO?

Mampiavaka an’Andriamanitra ny anarany. Maro ny manam-pahaizana milaza fa ny dikan’ilay hoe Jehovah dia hoe “Manao Izay Hahatonga Izy.” Nanazava ny dikan’ny anarany koa i Jehovah rehefa niteny tamin’i Mosesy hoe: “Hoporofoiko fa Izaho Ilay Mahavita Izay Iriko.” (Eksodosy 3:14) Hita avy amin’ilay anarana àry fa i Jehovah no Mpamorona ny zava-drehetra. Asongadin’izy io koa hoe mahavita miovaova araka izay tiany i Jehovah, sady afaka mampiasa sy manova ny zavaboariny amin’izay ilany azy, mba hanatanterahana ny fikasany. Ahalalana ny toerana tanan’i Jehovah sy ny fahefany ary ny heriny ny anaram-boninahiny. Ilay anarany hoe Jehovah anefa no tena ahalalana hoe iza marina izy ary inona no vitany.

Hita avy amin’izy io hoe tia antsika Andriamanitra. Hita avy amin’ny dikan’io anarana io fa mikarakara ny zavaboariny foana i Jehovah, ary anisan’izany isika. Tiany hahafantatra azy koa isika matoa natorony antsika ny anarany. Efa ela be mihitsy aza izy no nampahafantatra an’ilay izy. Tian’Andriamanitra ho tsapantsika àry hoe tena misy izy ary afaka ny ho akaiky azy isika.—Salamo 73:28.

Hita hoe tia an’Andriamanitra isika raha mampiasa ny anarany. Andeha hatao hoe misy olona iray mba tianao ho lasa namanao, dia asainao miantso anao amin’ny anaranao. Ahoana anefa raha tsy manao an’izany mihitsy izy? Mety hieritreritra ianao hoe tsy te ho namanao angamba izy. Nolazain’Andriamanitra tamin’ny olombelona koa ny anarany, ary asainy ampiasaina. Hita hoe te ho namany isika, raha mampiasa azy io. Voamarik’i Jehovah mihitsy aza izay olona “misaintsaina ny anarany”, izany hoe mihevitra azy io ho sarobidy!—Malakia 3:16.

Tsy maintsy hainao aloha ny anaran’Andriamanitra, raha te hahafantatra azy ianao. Mila hainao koa anefa ny toetrany.

IZA NO ANARAN’ANDRIAMANITRA? Jehovah no anaran’Andriamanitra. Hita avy amin’izy io fa mahavita manatanteraka ny fikasany izy