Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha Haneho Fitiavana

Miezaha Haneho Fitiavana

Olana

Elaela ny olona iray vao hahavita tsy hanavakavaka intsony. Mitaky fotoana sy ezaka izany, hoatran’ny miady amin’ny virosy ihany. Inona àry no azonao atao mba hanesorana ny fanavakavahana ao am-ponao?

Toro lalana

“Mitafia fitiavana fa fatorana mampiray tonga lafatra izy io.”—KOLOSIANINA 3:14.

Ahoana izany? Raha manao zavatra tsara ho an’ny hafa ianao dia hifandray tsara aminy. Tsy dia hanavakavaka ianao raha miezaka ho tia kokoa azy. Tsy hankahala azy koa ianao na hanambany azy.

Inona no azonao atao?

Eritrereto hoe inona no azonao atao mba hampisehoana fa tianao ny sokajin’olona tsy dia tiatianao taloha. Tsy voatery hanao zavatra miavaka be ianao. Iezaho atao ny iray na ny sasantsasany amin’ireto:

Tsy dia hanavakavaka ianao arakaraka ny anaovanao zavatra mampiseho hoe tianao ny hafa

  • Miezaha hahalala fomba amin’ireo anisan’io sokajin’olona io. Ohatra hoe manokatra varavarana ho azy, na manome ny toeranao ho azy rehefa ao anaty bisy.

  • Miezaha hiresaka kely aminy na dia tsy tena hainy aza ny fiteninao.

  • Manàna faharetana raha mahasosotra anao ny fihetsiny ary tsy azonao ny antony anaovany an’ilay izy.

  • Miezaha hangoraka rehefa miresaka ny olana mahazo azy izy.