Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Finoana

Finoana

Misy olona milaza fa mpivavaka, nefa tsy tena hainy ny atao hoe “finoana.” Inona no atao hoe finoana? Nahoana no tena ilaina ny manana azy io?

Inona no atao hoe finoana?

INONA NO LAZAIN’NY OLONA?

Maro no mieritreritra fa manam-pinoana ny olona rehefa manaiky fampianarana iray, na dia tsy misy porofo manamarina an’ilay izy aza. Misy mpivavaka, ohatra, miteny hoe: “Mino an’Andriamanitra aho.” Rehefa anontaniana ny anton’izany anefa izy dia mety hamaly hoe: “Satria mino an’Andriamanitra ny ray aman-dreniko”, na hoe: “Izany no nampianarina ahy hatramin’izay.” Mety ho mora voafitaka ny olona toy izany, na dia milaza ho manam-pinoana aza.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

“Ny finoana dia fiandrasana amin-toky ny zavatra antenaina, ary fanomezana porofo mazava momba ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.” (Hebreo 11:1) Tsy hoe maniry fotsiny no dikan’ilay teny tany am-boalohany nadika hoe “fiandrasana amin-toky.” Mila porofo mazava ny olona iray hoe tena misy ny zavatra antenainy, raha tiany ny hiandry an’ilay izy amin-toky. Manam-pinoana àry ny olona iray rehefa miaiky tanteraka hoe misy ny zavatra iray, satria efa voaporofo ny fisiany.

“Ny toetrany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony.”Romanina 1:20.

Nahoana no tena ilaina ny manana finoana?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

“Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, satria izay manatona azy dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady mafy azy.”—Hebreo 11:6.

Hitantsika terỳ aloha fa olona maro no mino an’Andriamanitra, satria fotsiny hoe izay no nampianarina azy na satria mino an’Andriamanitra ny ray aman-dreniny. Tian’Andriamanitra anefa ny mpivavaka aminy raha matoky fa tena misy izy sady be fitiavana. Izany no mahatonga ny Baiboly hampirisika antsika hoe ilaina ny mitady mafy azy, amin’izay isika hahalala azy tsara.

“Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”Jakoba 4:8.

Ahoana no hananana finoana?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

“Ny finoana dia avy amin’izay re.” (Romanina 10:17) Mila mihaino izay tena ampianarin’ny Baiboly àry aloha ianao raha te hino an’Andriamanitra. (2 Timoty 3:16) Ho voavaly ireo fanontaniana manahiran-tsaina anao rehefa mianatra Baiboly ianao. Ohatra hoe: Iza moa Andriamanitra? Inona no porofo fa misy izy? Tena mikarakara ahy ve izy? Inona no hataony amin’ny hoavy?

Be dia be ny porofo ahitana hoe misy Andriamanitra

Vonona hampianatra Baiboly anao ny Vavolombelon’i Jehovah. Voalaza ao amin’ny tranonkalanay jw.org/mg fa “tia mampianatra Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa tsy manery an’iza na iza hanaraka ny fivavahany. Ekenay kosa fa manan-jo hifidy an’izay zavatra hinoany ny olona, ka asehonay amim-panajana izay lazain’ny Baiboly.”

Tokony hiorina amin’ny porofo hitanao àry ny finoanao, rehefa azonao antoka hoe marina ny zavatra vakinao ao amin’ny Baiboly. Hanaraka ny modelin’ireo mpianatra Baiboly tamin’ny taonjato voalohany ianao amin’izay. “Faran’izay nazoto nandray ny teny izy ireo, ka nandinika tsara ny Soratra Masina isan’andro hahitana raha izany tokoa no izy.”—Asan’ny Apostoly 17:11.

“Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”Jaona 17:3.