Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MIFOHAZA! No. 1 2023 | Ahoana no Hiafaran’ity Tanintsika Ity?​—Mbola Misy Azo Antenaina

Tsy voatery hoe manam-pahaizana ianao vao hahita hoe efa mihasimba be ny planetantsika. Ripaka ny ala, ary maloto be ny rano fisotro, ny ranomasina, ary na ny rivotra iainantsika aza. Ahoana àry no hiafaran’ity tanintsika ity? Mbola misy azo antenaina ve?

 

Rano Fisotro

Inona ireo fomba voajanahary miaro ny rano eto an-tany mba tsy ho lany mihitsy?

Ranomasina

Ho vita ve ny hanafoana ny vokatry ny zava-dratsy rehetra natao tamin’ny ranomasina?

Ala

Inona no tsikaritry ny mpiaro ny tontolo iainana tato ho ato momba ny tany iray rehefa ripaka ny ala teo aminy?

Rivotra

Tena maloto ny rivotra amin’izao, ka atahorana ho faty ny zavamananaina eto an-tany. Inona ireo tsingerina noforonin’Andriamanitra mba hanadiovana ny rivotra iainantsika?

Mampanantena Andriamanitra fa ho Tsara Fiafara ity Tanintsika Ity

Nahoana isika no mino fa tsy ho tsara fiafara fotsiny ny tany, fa vao mainka aza ho tena kanto?

Ato Amin’ity Gazety Ity

Vakio ato ireo lahatsoratra manazava an’izay manjo an’ity tanintsika ity sy hoe nahoana no mbola misy azo antenaina ihany.