Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MIFOHAZA! No. 1 2022 | Mikorontana Izao Tontolo Izao, Nefa Afaka ny ho Tafavoaka Ianao

Miharatsy ny fiainana ka vao mainka mijaly ny ankamaroantsika, vokatry ny rivo-doza na loza hafa sy ny olana avy amin’ny olombelona. Te ho tafavoaka amin’izany ve ianao, sady tianao raha kely araka izay azo atao ny vokatr’izany aminao sy ny fianakavianao? Horesahina ato izany.

 

Mikorontana Izao Tontolo Izao: Inona no Hanampy Anao ho Tafavoaka?

Rehefa misy loza mitranga, dia manaova zavatra hentitra mba hiarovana anao sy ny fianakavianao.

1 | Arovy ny Fahasalamanao

Vao mainka ianao hahavita hiatrika olana, arakaraka ny itandrovanao ny fahasalamanao.

2 | Arovy ny Fanananao

Arakaraka ny hahaizanao mitantam-bola no hahavitanao hiatrika olana.

3 | Arovy ny Fifandraisanao Amin’ny Hafa

Misy torohevitra hanampy anao hiaro ny fifandraisanao amin’ny vadinao sy ny namanao ary ny zanakao ato.

4 | Arovy ny Fanantenanao

Manampy antsika hiatrika ny olana eo amin’ny fiainana ny Baiboly sady manome fanantenana antsika.

Ato Amin’ity Gazety Ity

Vakio ato ny lahatsoratra hanampy anao sy ny fianakavianao hiatrika ny zava-tsarotra mahazo ny olombelona.