Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tratran’i Hulda ny Tanjony

Tratran’i Hulda ny Tanjony

MISY nosy kely atao hoe Sangir Besar any Indonezia. Raha nitsidika tany ianao, taona vitsivitsy lasa izay, dia mety ho nahita anabavy kristianina telo teny amoron-dranomasina. Ny fitoriana no tena ahafantarana an-dry zareo ao amin’ilay nosy, izany hoe ilay manampy olona hahazo an’izay lazain’ny Baiboly. Zavatra hafa mihitsy anefa no nataony tamin’ity indray mandeha ity.

Nosy Sangir Besar any amin’ny faritra avaratr’i Indonezia

Niroboka tao anaty ranomasina izy telo vavy, dia nibata vato nankeny amin’ny torapasika. Efa hila hitovy habe amin’ny baolina ny sasany! Nipetraka teo ambony akalana ry zareo, dia novakivakiny tamin’ny marotoa ireny vato ireny mba ho kely kokoa noho ny atody akoho ny habeny. Nataon-dry zareo tao anaty siô plastika ireo vatokely avy eo, dia notateriny niakatra nankany amin’ny toerana nipetrahany. Nataony tao anaty gony ilay izy taorian’izay, dia nobataina nankao anaty kamiao mba hampiasaina hanaovana lalana.

Hulda mitsimpona vato eny amoron-dranomasina

Anisan’ireo anabavy ireo i Hulda. Afaka nanokana fotoana bebe kokoa tamin’ilay asa izy, satria nalalaka kokoa. Matetika ny vola azony tamin’ilay izy no nampiasainy hividianana an’izay nilain’ny fianakaviany isan’andro. Nanana tanjona hafa koa anefa izy tamin’ity indray mitoraka ity. Te hahazo tablette izy, amin’izay afaka mampiasa ny programa JW Library®. Fantany mantsy hoe hanatsara ny fanompoany ireo video sy zavatra hafa ao anatin’ilay programa, sady hanampy azy hahazo kokoa ny Baiboly.

Nipai-bato adiny roa isa-maraina i Hulda nandritra ny iray volana sy tapany. Nahafeno kamiao kely ihany ny vato azony, ka nahazo vola ampy hividianana tablette izy tamin’ny farany.

Hulda sy ny tablette-ny

Izao no notantarain’i Hulda: “Valaka tanteraka aho rehefa avy nipai-bato. Vetivety anefa dia tsy tsaroako intsony hoe nanakotsako sy nanaintaina ny vatako, rehefa afaka nampiasa an’ilay tablette vaovao aho. Manampy ahy hahita vokatra kokoa amin’ny fanompoana ilay tablette, sady lasa mora kokoa amiko ny manomana ny fivoriana kristianina.” Soa ihany koa, hono, fa nahazo an’iny tablette iny izy. Raha vao nanomboka mantsy ny valanaretina, dia natao tamin’ny alalan’ny vidéoconférence daholo ny zavatra nataon’ny fiangonana. Miara-paly amin’i Hulda isika hoe tratrany ny tanjony!