Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NISY NAMORONA VE?

Ny Tongotry ny Soavaly

Ny Tongotry ny Soavaly

MAHATRATRA 50 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehan’ny soavaly rehefa mihazakazaka. Tsy mandany hery be anefa izy amin’izany. Nahoana? Ny tongony no mahatonga an’izany.

Diniho izay mitranga rehefa mihazakazaka ny soavaly. Rehefa manitsaka tany izy, dia miforitra ny hozatra ao amin’ny tongony. Toy ny resaoro anefa ireo hozatra ireo, ka miverina mitsotra ho azy avy eo. Ny hery avy amin’ireo hozatra toy ny resaoro ireo no manosika an’ilay soavaly mba hitsambikina.

Miforitra sy mitsotra haingana be mihitsy ny tongotry ny soavaly rehefa mandeha mafy izy. Nahoana anefa no tsy tapaka ny hozabe mitazona ny taolany? Satria misy hozatra kely maro be ao amin’ny tongony, ka ireo no mampihena ny hamafin’ilay izy mihetsiketsika be iny. Milaza ny mpikaroka fa “tena avo lenta ny firafitr’ireo hozatra ireo”, ka kinga be sady matanjaka ny tongotry ny soavaly.

Niezaka naka tahaka ny firafitry ny tongo-tsoavaly ny enjeniera, mba hanamboarana robot manan-tongotra efatra. Sarotra loatra anefa ilay izy, ka tsy vitan’izy ireo. Nilaza ny mpikaroka ao amin’ny Sekoly Momba ny Teknolojia any Massachusetts fa mbola voafetra ny fahaizany sy ny fitaovana ananany.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny tongotry ny soavaly, sa nisy namorona?