Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Tanora Hoe...

Hanao Ahoana re ny Fiainako Rehefa Manambady Aho E?—Fizarana 1

Hanao Ahoana re ny Fiainako Rehefa Manambady Aho E?—Fizarana 1

“Hoatran’ny tsy etỳ an-tany aho rehefa eo anilany. Tena tsy andriko izay ahavitan’ny mariazinay.”

“Tsy misy zavatra itovizanay mihitsy. Samy maka ho azy izahay ato an-trano. Tena mahatsiaro ho irery aho.”

TONGA dia fantatrao angamba hoe tovovavy tsy manambady no nilaza an’ilay teny voalohany etsy ambony, fa efa manambady kosa no niteny an’ilay teny faharoa. Mety ho gaga anefa ianao raha ilazana fa tenin’olona iray ireo.

Fa inona no nitranga? Raha hanambady ianao indray andro any, inona no azonao atao mba tsy hivadika ho fahoriana ny nofinofinao?

Zava-misy: Miankina amin’izay antenainao hitranga no hahasambatra anao, rehefa manambady ianao.

Hanampy anao hijery ny tena zava-misy momba ny fanambadiana ity lahatsoratra ity sy ny “Manontany ny Tanora” ao amin’ny Mifohaza! manaraka.

Inona tokoa no azonao antenaina hitranga rehefa manambady ianao?

  1. Tombontsoa

  2. Olana

  3. Zavatra tsy ampoizina

Hojerentsika tsirairay ireo.

TOMBONTSOA

Resahin’ny Baiboly fa zavatra tsara ny fanambadiana. (Ohabolana 18:22) Ireto ny tombontsoa sasany ananan’ny olona manambady.

Mana-namana. Lazain’ny Baiboly fa niteny toy izao Andriamanitra rehefa avy namorona an’i Adama: “Tsy tsara raha irery foana ralehilahy.” (Genesisy 2:18) Namorona an’i Eva izy avy eo mba ho naman’i Adama. Samy nomeny toetra mampiavaka azy izy ireo, nefa afaka mifameno. Afaka ny ho mpinamana tsara àry ny mpivady.—Ohabolana 5:18.

Afaka miara-miasa. Hoy ny Baiboly: “Tsara ny roa noho ny iray, satria ahazoan’izy ireo valisoa lehibe ny asa mafy ataony.” (Mpitoriteny 4:9) Izany tokoa no mitranga rehefa manambady. Hoy i Rindra, tovovavy iray vao nanambady: “Ilaina ny miara-miasa sy manetry tena, ary mandefitra kely indraindray.” *

Afaka manao firaisana. Hoy ny Baiboly: “Aoka ny lehilahy hanao ny adidiny amin’ny vadiny, ary ny vehivavy koa mba hanao toy izany.” (1 Korintianina 7:3) Matetika no matahotra sy manenina ny olona manao firaisana alohan’ny fanambadiana. Tsy hoatr’izany kosa ny olona manambady, fa afaka mankafy an’izany.—Ohabolana 7:22, 23; 1 Korintianina 7:8, 9.

Fehiny: Fanomezan’Andriamanitra ny fanambadiana. (Jakoba 1:17) Tena ho sambatra ianareo mivady raha manaraka ny toro lalany.

Eritrereto izao: Lasa tsy tianao ve ny hoe manambady, satria mahita olona mijaly am-panambadiana ianao, ohatra hoe ny ray aman-dreninao? Raha izany, iza no modely azonao tahafina?

OLANA

Milaza ny zavatra tena hitranga ao an-tokantrano ny Baiboly. (1 Korintianina 7:28) Ireto ny olana sasany.

Tsy mifanaraka. Samy tsy lavorary ny mpivady, ary izay ihany no itovizany. (Romanina 3:23) Mety tsy hifanaraka àry izy ireo indraindray, na dia mifanentana toy inona aza. Mety hilaza zavatra mampalahelo ny andaniny ny ankilany, ary hanenina avy eo. Hoy ny Baiboly: “Raha misy tsy manao fahadisoana amin’izay lazainy, dia izy no olona lavorary.” (Jakoba 3:2) Hahomby anefa ny mpivady raha mianatra mifampiresaka sy mandamina olana.

Diso fanantenana. Hoy ny tovovavy iray atao hoe Ravo: “Hitantsika amin’ny filma foana hoe misy ankizivavy iray mahita vady mety be aminy, dia sambatra foana izy roa avy eo.” Lasa diso fanantenana ny mpivady, rehefa tsy hoatr’izany ny zavatra iainany. Rehefa mivady ny olon-droa vao hahita kileman-toetra na fahazaran-dratsy mbola tsy hitany teo amin’ilay iray. Tadidio àry fa ny tena fitiavana dia “miaritra ny zava-drehetra”, anisan’izany ny fahadisoam-panantenana.—1 Korintianina 13:4, 7.

Be fanahiana. Milaza ny Baiboly fa “manahy ny amin’izay an’izao tontolo izao” ny olona manambady. (1 Korintianina 7:33, 34) Ara-dalàna izany, ary ilaina aza indraindray. Mety ho sarotra aminareo, ohatra, ny mahita vola ampy hivelomana. Angamba ianareo mivady mihitsy no tsy maintsy miasa mba hananana sakafo sy fitafiana ary fialofana. Hahomby anefa ianareo raha mahay mifanampy.—1 Timoty 5:8.

Fehiny: Toy ny milalao papangohazo ny mampiaraka, fa toy ny mitondra fiaramanidina kosa ny mitondra tokantrano. Ilana ezaka sy fahaizana betsaka kokoa ny miatrika an’ireo olana ao an-tokantrano. Afaka ny hahomby anefa ianareo.

Eritrereto izao: Ahoana izao no ataonao rehefa tsy mifanaraka ianao sy ny ray aman-dreninao na ianao sy ny iray tam-po aminao? Tsy mora kivy ve ianao rehefa diso fanantenana? Ahoana no ataonao rehefa misy mampanahy anao?

AO AMIN’NY “MANONTANY NY TANORA” MANARAKA... Ahoana no anampian’ny Baiboly anao hiatrika an’ireo zavatra tsy ampoizina?

 

^ Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.