Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Reny Salama Zaza Salama

Reny Salama Zaza Salama

Reny Salama Zaza Salama

TERA-BAO ny vehivavy iray. Salama tsara ilay zaza, ary miramirana erỳ trotroin-dreniny. Falifaly sy mirehareha kely koa ny rainy. An-tapitrisany ny zaza teraka soa aman-tsara toy izany isan-taona, ka eritreretina hoe mandeha ho azy izany. Efa voajanahary koa moa ny hoe miteraka, ka tsy dia eritreretin’ny sasany hoe mampanahy.

Tsy voatery hizotra tsara foana anefa ny fiterahana. Tokony ho mailo àry ny mpivady, ka hanao izay hisorohana ny olana. Mila fantariny, ohatra, ny mahatonga ny olana eo am-piterahana. Tokony hokarakarain’izy ireo tsara koa ny fahasalaman’ilay vehivavy mandritra ny fitondrany vohoka. Ankoatra izany, dia misy zavatra tsotra tokony hataon’izy ireo, mba hisorohana ny olana mety hitranga rehefa mihetsi-jaza sy miteraka. Ireo zavatra telo ireo no hovelabelarina ato.

Nahoana no misy ny olana?

Nanazava ny antony iray mahatonga ny olana i Cheung Kam-lau, dokoteran-jaza ao amin’ny hopitaly iray any Hong-Kong. Hoy izy: “Mety hahita olana lehibe ny vehivavy bevohoka sy ny zaza ao an-kibony, raha tsy mikarakara fahasalamana ilay vehivavy mandritra ny fitondrany vohoka. Manantena ny ankamaroan’ireny vehivavy [tsy mikarakara fahasalamana] ireny fa hiteraka zaza salama sy dongadonga. Tsy mandeha ho azy foana anefa izany.”

Milaza ny Gazetin’ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Fitsaboana Vehivavy hoe: “Ireto no tena mahatonga ny vehivavy ho faty mandritra ny fiterahana: Very ra be, saro-piterahana, voan’ny aretina azo avy amin’ny bakteria, miakatra be ny tosidrany. Efa misy fomba mandaitra hitsaboana an’ireo anefa izao, ary be mpahalala ilay izy. Tsotra koa ny ankamaroan’ny fitsaboana maoderina.”

Mety hahasoa ny zaza koa ny fitsaboana misy ankehitriny. Nilaza ny Gazetin’ny ONU (anglisy) fa “mety ho voasoroka ny roa ampahatelon’ny fahafatesan’ny zaza vao teraka, raha toa ny vehivavy bevohoka sy ny zaza vao teraka rehetra” ka mahazo an’ireo fitsaboana “efa be mpahalala, izay tsy mila fitaovana arifomba.” Mampalahelo anefa fa ‘matetika ny vehivavy bevohoka no tsy mahalala izay tokony hatao, sady tsy mikarakara fahasalamana’, hoy ny sampana iray mpilaza vaovao any Philippines.

Karakarao tsara ny fahasalamana

Milaza ny Gazetin’ny ONU fa “rehefa salama ny reny, dia salama ny zaza.” Milaza koa izy io fa matetika no tsy voakarakara ny fahasalaman’ny zaza, raha tsy voakarakara tsara na tsy voakarakara mihitsy ny fahasalaman’ny reny, tamin’izy bevohoka sy niteraka ary taorian’izay.

Mety ho sarotra ny mahazo fitsaboana tsara, any amin’ny faritra sasany. Mety ho lavitra ny toeram-pitsaboana, na tsy manam-bola handoavana saram-pitsaboana ilay vehivavy. Mila manao izay azony atao ihany anefa izy, ka hitady dokotera na mpampivelona hanoro azy ny tokony hatao mandritra ny fitondrany vohoka. Tena ilaina izany, indrindra fa ho an’ireo mampihatra ny fampianaran’ny Baiboly. Voalaza ao mantsy fa masina ny aina, anisan’izany ny ain’ny zaza ao am-bohoka.—Eksodosy 21:22, 23; * Deoteronomia 22:8.

Tsy midika hoe mankany amin’ny dokotera isan-kerinandro akory ny hoe mikarakara fahasalamana. Araka ny fandinihan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS), dia “mitovy ihany ny mitranga amin’ny vehivavy mankany amin’ny dokotera in-4 sy ny mankany in-12 eo ho eo mandritra ny fitondrany vohoka. Samy tsy dia manana olana izy ireo mandritra ny fitondrany vohoka sy rehefa miteraka.”

Inona no ataon’ny dokotera?

Ireto avy no mety hataon’ny dokotera mba hanampiana an’ilay reny sy ilay zaza ao an-kibony:

◼ Fantariny izay aretina efa nahazo an’ilay vehivavy sy ny fitsaboana nataony. Jereny ny toe-pahasalaman’ilay vehivavy, mba hahitana ny olana mety hanjo azy na ilay zaza ao an-kibony, sy ny fomba hisorohana an’izany.

◼ Mety hataony analizy ny ra sy ny pipìn’ilay vehivavy mba hijerena sao tsy mifanentana ny rany sy ny ran’ilay zaza ao an-kibony. Jereny amin’izany koa raha tsy ampy ra ilay vehivavy, na voan’ny diabeta na bonibony, na aretina avy amin’ny firaisana na bakteria, na aretin’ny voa izay mety hampiakatra tosidra.

◼ Mety hataony vaksiny ilay vehivavy, raha ilaina izany ary raha ekeny. Anisan’izany ny vaksiny amin’ny gripa na tetanosy, na vaksiny fanao rehefa tsy mifanentana ny ran’ilay reny sy ilay zaza.

◼ Mety hasainy hihinana vitaminina, indrindra fa vitaminina B, ilay vehivavy.

Azo inoana fa ho voaro ilay reny sy ilay zaza, rehefa hitan’ny dokotera mialoha ny olana mety hitranga, ka ataony izay hisorohana an’ilay izy, na atorony an’ilay reny izay tokony hataony.

Fisorohana ny olana eo am-piterahana

“Amin’ilay mihetsi-jaza sy miteraka iny no fotoana mety hahitan-doza indrindra ho an’ny vehivavy bevohoka”, hoy i Joy Phumaphi, tale lefitra taloha tao amin’ny sampana iray ao amin’ny OMS. Ahoana àry no hisorohana ny olana lehibe mitranga amin’io fotoana io, anisan’izany ny olana mety hamoizana aina? Tsotra ny zavatra tokony hatao, fa mila atao aloha fotsiny. * Tokony hanao azy io ny vehivavy bevohoka, indrindra fa ireo tsy manaiky hampidiran-dra noho ny antony ara-baiboly na noho izy te hisoroka aretina.—Asan’ny Apostoly 15:20, 28, 29.

Tokony hofantarina, ohatra, raha mahay mampiasa fanafody na fitsaboana solon’ny fampidiran-dra ilay dokotera na mpampivelona, ary efa nampiasa izany. Tokony hofantarin’ny mpivady koa raha manaiky tsy hampiasa ra ilay hopitaly, na toeram-pitsaboana tiany hiterahana. * Tsara koa raha hanontaniana ny dokotera ireto: 1. Inona no hataonao raha very ra be aho na ilay zazakely, na raha misy olana hafa mitranga? 2. Inona no hataonao mba ho azo antoka fa tsy hampidiran-dra izaho sy ny zanako, raha sendra tsy eo ianao rehefa teraka aho?

Tokony ho mailo koa anefa ilay vehivavy, ka hiresaka amin’ny dokotera mba hahazoana antoka fa betsaka araka izay azo atao ny selan-drany, nefa tsy mihoatra ny ara-dalàna. Raha tsy ampy ilay izy, dia mety hasain’ny dokotera hihinana vitaminina B, sy sakafo sy fanafody misy vy izy.

Mety hojeren’ny dokotera koa ireto: Inona ny aretin’ilay vehivavy mila tsaboina alohan’ny hiterahany? Sao dia tsy tokony hijoro ela loatra izy? Mila maka aina bebe kokoa ve izy? Mila mitombo izy sa mila mihena? Mila mampiasa vatana bebe kokoa ve izy? Mila miezaka hadio kokoa ve izy, ka anisan’izany ny hoe manadio nify sy hihy?

Hita mantsy fa mety ho voan’ny éclampsie ny vehivavy bevohoka voan’ny aretin’ny hihy. Izao no fisehon’izy io: Miakatra tampoka ny tosidra, marary andoha be, ary mivonto ny rantsambatana. * Mety ho teraka tsy tonga volana ilay zaza, vokatr’izany. Io aretina io koa no tena mahatonga ny zaza vao teraka ho faty sy mahatonga ny vehivavy ho faty eo am-piterahana, indrindra fa any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana.

Mandinika tsara ny soritr’aretina rehetra hitany amin’ny vehivavy bevohoka ny dokotera mailo. Hampidiriny hopitaly haingana ilay vehivavy, raha mihetsi-jaza alohan’ny fotoana. Mety hamonjy aina izany.

“Manao vivery ny ainy ny vehivavy” rehefa miteraka, hoy ny Dr. Quazi Islam, talen’ny sampana iray ao amin’ny OMS. Maro anefa ny olana ho voasoroka, anisan’izany ny fahafatesana, raha manatona dokotera ny vehivavy mba hikarakara ny fahasalamany mandritra ny fitondrany vohoka, sy rehefa miteraka, ary aorian’izay. Ankoatra izany, dia izy mihitsy koa no mila miezaka ho salama. Tsy maintsy salama mantsy ny reny vao ho salama ny zaza!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Midika hoe “raha maty ilay reny na ilay zaza ao am-bohoka”, ilay teny hebreo nadika hoe “raha misy maty.”

^ Afaka miresaka mialoha amin’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly (KMH) ny mpivady Vavolombelon’i Jehovah rehefa hiteraka. Mitety hopitaly sy dokotera io komity io, ary manome fanazavana momba ny fitsaboana tsy ampiasana ra, atao amin’ny Vavolombelona. Afaka manampy ny Vavolombelona hahita dokotera manaja ny zavatra inoany sy manana traikefa amin’ny fitsaboana tsy ampiasana ra koa io komity io.

^ Mbola misy fikarohana bebe kokoa tokony hatao, ahafahana manaporofo raha ny aretin’ny hihy tokoa no mahatonga ny éclampsie. Na izany aza, dia tsara foana ny mikarakara ny hihy sy ny nify.

[Teny notsongaina, pejy 27]

Nasehon’ny tatitra nivoaka tamin’ny Oktobra 2007 fa vehivavy iray isaky ny iray minitra eo ho eo no maty, izany hoe 536 000 isan-taona, vokatry ny olana mifandray amin’ny fitondrana vohoka.—Tahirin’ny Firenena Mikambana Momba ny Mponina

[Teny notsongaina, pejy 28]

“Zaza 3 300 000 isan-taona no maty any am-bohoka, ary 4 tapitrisa mahery no maty ao anatin’ny iray volana aorian’ny ahaterahany.”— Gazetin’ny ONU

[Efajoro, pejy 29]

 FIOMANANA ALOHAN’NY HITERAHANA

1. Fidio tsara ny hopitaly, na dokotera, na mpampivelona hikarakara anao. Hadihadio mialoha ny momba izany.

2. Mandehana matetitetika any amin’ny dokotera na ny mpampivelona, mba hahatonga anao hatoky azy sy hifandray tsara aminy.

3. Karakarao tsara ny fahasalamanao. Tokony hihinana izay vitaminina ilaina ianao, nefa aza mihinana fanafody tsy nasain’ny dokotera hohanina. Tsara raha tsy misotro zava-pisotro misy alkaola. Hoy ny Fikambanana Miady amin’ny Fisotroana Tafahoatra: “Marina fa ny zaza ateraky ny vehivavy mpiboboka toaka no tena atahorana hitondra takaitra. Mbola tsy hita anefa hoe toy inona ny habetsahan’ny toaka azon’ny vehivavy bevohoka sotroina, ka tsy hisy vokany ratsy.”

4. Antsoy avy hatrany ny dokotera, na ny mpampivelona, na ny hopitaly, raha mihetsi-jaza alohan’ny fotoana ianao (alohan’ny sivy volana eo ho eo). Raha voatsabo haingana ianao, dia mety tsy hiteraka zaza tsy tonga volana, ka ho voasoroka ny olana aterak’izany. *

5. Soraty amin’ny taratasy izay fitsaboana tianao hataon’ny dokotera aminao. Tena nanampy olona maro, ohatra, ny nanao taratasy fanomezan-dalana momba ny fitsaboana (FMF). Hadihadio hoe ahoana no fanaon’ny olona, ary taratasy manao ahoana no ara-dalàna eo an-toerana.

6. Tandremo tsara ny fahasalamanao sy ny zanakao, rehefa avy teraka, indrindra fa raha teraka tsy tonga volana izy. Mandehana haingana any amin’ny dokotera, raha vao tsikaritrao hoe misy olana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Raha tsy ampy ny liomena vokarin’ny vatan’ny zaza tsy tonga volana, dia mety tsy ho ampy ra izy. Matetika no ampidiran-dra izy ireny.