Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HÅKAN DAVIDSSON | TANTARAM-PIAINANA

Nandray Anjara Tamin’ny Fampielezana ny Fahamarinana

Nandray Anjara Tamin’ny Fampielezana ny Fahamarinana

 Teraka tany Soeda aho, dia tany no lehibe. Nisy vokany tamiko ny fomba fihevitry ny olona tsy mino an’Andriamanitra, tamin’izaho mbola tanora. Lasa tsy liana àry aho rehefa nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Dada sy Neny ary ny zandriko vavy.

 Nanapa-kevitra ny hianatra Baiboly ihany aho tamin’ny farany, satria nampirisika ahy foana i Dada. Nampiaiky ahy ilay hoe marina tsara daholo ny zavatra resahin’ny Baiboly mifandray amin’ny siansa. Rehefa nandeha ny fotoana dia resy lahatra ihany aho hoe Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Resy lahatra koa aho hoe marina ny zavatra ampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah momba azy io sady tena ampiharin-dry zareo eo amin’ny fiainany ny fitsipika ao anatiny. Niara-natao batisa izahay sy Dada tamin’ny 1970. I Neny sy ny zandriko vavy anankiroa indray, taona vitsivitsy tatỳ aoriana no natao batisa.

 Betsaka tamin’ny ankizy nitovy taona tamiko no hoatran’ny tsy nieritreritra afa-tsy ny hifety. Dia tsoriko aloha fa mba te hanao fiainana hoatran-dry zareo koa aho tamin’izaho 17 taona e! Fa ilay mpivady nampianatra Baiboly ahy anefa no hitako hoe tena faly sy afa-po tamin’ny fanompoana manontolo andro nataony, dia mba te hanao hoatran-dry zareo koa aho. Dia izany mihitsy no nataoko tamin’izaho 21 taona.

Niara-natao batisa izahay sy Dada (eo ankaviako)

 Sambatra be tsisy hoatr’izany aho rehefa nanao mpisava lalana, dia nanenina aho hoe tsy nanomboka aloha kokoa. Anisan’ny tiako indrindra ny nitory teny amin’ny seranan-tsambon’i Göteborg. Tantsambo miteny vahiny no niresahanay teny.

 Nanana tombontsoa tena miavaka aho tao anatin’izay 50 taona lasa izay. Nandray anjara tamin’ny fampielezana ny vaovao tsara tamin’ny fiteny isan-karazany mantsy aho. Aleo fa hohazavaiko hoe ahoana no nanombohan’ilay izy.

Niasa tamin’ny MEPS

 Nanao asa tapa-potoana aho mba hahafahako manao mpisava lalana. Nandahatra soratra sy sary mba hatao pirinty no nataoko. Vao niova mihitsy tamin’izay ny fomba nanaovan’ny olona pirinty. Tsy lasitra metaly intsony no nampiasaina, fa ny sarin’ilay soratra sy sary tiana hatao pirinty. Dia nianatra nampiasa ny fitaovana elektronika nivoaka farany tamin’izany aho mba hanomanana ny zavatra hatao pirinty.

Tamin’ny mariazinay

 Nanambady an’i Helene aho tamin’ny 1980. Mpisava lalana maharitra izy, dia izahay roa samy tia an’izany hoe mifandray amin’ny olona avy any amin’ny firenena samihafa izany, sady samy tia mianatra kolontsaina vaovao. Nanao tanjona izahay hoe hanatrika ny Sekolin’i Gileada, dia ho lasa misionera.

 Noho ny zavatra haiko tamin’ny resaka fanaovana pirinty anefa, dia voasa hanompo tao amin’ny Betelan’i Soeda izaho sy Helene. Te hampiasa teknolojia vaovao ny fandaminana, mba hanatsarana ny fomba nanaovantsika pirinty. Nalefa tany amin’ny Betelan’i Wallkill any New York àry izahay tamin’ny 1983, mba hianatra hampiasa an’ilay programa vaovao noforonin’ny rahalahintsika. Tsy inona io programa io fa ny MEPS na Fandaharana Elektronika Mandrindra ny Fisehon’ny Soratra sy Sary Amin’ny Fiteny Maro. a

Mikarakara ny fitaovana ampiasaina amin’ny MEPS ho an’i Hong Kong, Meksika, Nizeria, ary Espaina

 Lasa hainay hoe azo ampidirana lahatsoratra amin’ny endri-tsoratra na abidy maro isan-karazany ny MEPS. Nianaranay koa hoe hay vitan’ny MEPS ny manambatra ny lahatsoratra sy ny sary, sy mandahatra an’izany ho lasa pejy. Dia ny asanay tamin’izany hoe nampiditra endri-tsoratra vaovao tao amin’ny MEPS, amin’izay azo natao pirinty tamin’ny fiteny maro kokoa ny boky sy gazetintsika. Amin’izao, izany hoe am-polony taona tatỳ aoriana, dia lasa mamoaka boky sy gazety mirakitra ny vaovao tsara amin’ny fiteny arivo mahery ny Vavolombelon’i Jehovah.

 Notendrena ho any Azia izahay sy Helene tatỳ aoriana, mba hanampy tamin’ny fampidirana fiteny maro kokoa tao amin’ny MEPS. Vonona be mihitsy izahay tamin’izay. Tsapanay mantsy hoe tena tombontsoa be ny mandray anjara amin’ny fampielezana ny vaovao tsara amin’ny fiteny maro kokoa.

Kolontsaina hafa tanteraka

 Tonga tany Inde izahay sy Helene tamin’ny 1986. Tena tsy nitovy tamin’ny anay mihitsy ny kolontsain’ny olona tany! Vao tonga tao Bombay, ilay antsoina amin’izao hoe Mumbai, izahay, dia efa natahotra be satria tsy nahazatra anay ny zavatra hitanay nanodidina anay. Hoatran’ny hoe nifanao atsimo sy avaratra mihitsy ny kolontsaina any Soeda sy any Inde. Nandinika tsara àry izahay tamin’ilay herinandro voalohany nahatongavanay iny hoe sao dia tokony hody izahay.

 Rehefa tapitra anefa ilay herinandro voalohany iny, dia nitovy hevitra izahay mivady. Hoy izahay hoe: ‘Isika ange hatramin’izay efa te ho lasa misionera e! Dia izao isika vao mba nahazo fanendrena ho any an-tany hafa, dia hiverin-dalana indray ve isika? Ao fa vitantsika io!’

 Tsy nitsoaka àry izahay fa nanapa-kevitra hoe hiezaka be mba hianatra an’ilay fiainana vaovao. Rehefa nanao an’izany izahay sy Helene, dia vetivety dia lasa tianay be i Inde. Lasa nahay fiteny indianina roa mihitsy aza izahay, izany hoe ny fiteny gujarati sy pendjabi.

Tany Myanmar

Manao fiakanjon’ny olona any Myanmar, ao amin’ny Efitrano Fanjakana any

 Voatendry ho any Myanmar izahay tamin’ny 1988. Eo anelanelan’i Chine sy Inde ary Tailandy no misy an’i Myanmar. Nisy korontana ara-politika tany Myanmar tamin’izany, dia ny miaramila no nifehy ny ampahany lehibe tamin’ilay firenena. Mbola tsy nisy an’ilay endri-tsoratra ampiasaina any Myanmar tao amin’ny MEPS tamin’izany, sady mbola tsy nisy programa hafa nahitana an’ilay izy koa. Dia ny asanay voalohany tany izany, nanao ny sarin’io karazana soratra vaovao io, dia avy eo nitondra an’ilay izy tany Wallkill mba hampidirina tao amin’ny MEPS.

 Nentin’i Helene tao anaty poketrany ny sarin’ireo litera vaovao, tamin’izahay teny amin’ny seranam-piaramanidina. Dia satria nisy korontana ara-politika tamin’izany, dia mety ho nosamborin’ny mpiasan’ny sisin-tany izahay raha tratrany nitondra lahatsoratra tamin’ny fiteny birmanina (fiteny ampiasaina any Myanmar). Dia rehefa nosavana i Helene, dia notazoniny tamin’ilay tanany nitsangana iny fotsiny ilay poketra. Tsisy nahatsikaritra ilay izy!

Nihatsara ny fisehon’ny sary sy ny soratra ao amin’ny boky sy gazetintsika, rehefa nampiasaina ny MEPS

 Ankoatra an’ilay endri-tsoratra vaovao, dia nomena ordinatera entin-tanana sy fitaovana fanaovana pirinty koa ny mpandika teny tany Myanmar, sady nampiofanina mba hahay hampiasa ny MEPS. Tsy mbola nahita ordinatera hatramin’izay niainany ny ankamaroan-dry zareo, fa ry zareo anefa vonona hianatra zava-baovao. Milina fanontam-pirinty efa tranainy be tany amin’izay orinasa iray izay no nianteheran-dry zareo teo aloha, dia olona no tsy maintsy nandahatra ny lasitra tamin’ilay izy mba hamoahana ny soratra nilaina. Tsy ela anefa dia tsy nilaina intsony ireny milina tranainy ireny. Dia mazava ho azy fa tonga dia nihatsara ny kalitaon’ny boky sy gazetintsika.

Nifindra tany Népal

 Voatendry hanampy tany Népal indray izahay sy Helene tamin’ny 1991. Eo amin’ny ilany atsimo amin’ny tendrombohitra Himalaya no misy an’i Népal. Fiangonana iray ihany no nisy tany tamin’izany, dia boky sy gazety vitsivitsy fotsiny no nisy tamin’ny fiteny népali.

 Tsy ela anefa dia nihabetsaka ny boky sy gazety voadika, dia nozaraina teny amin’ny faritany. Misy Vavolombelon’i Jehovah 3 000 eo ho eo sy fiangonana 40 mahery izao any Népal, dia 7 500 mahery no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tamin’ny 2022.

Bokikely iray tamin’ny fiteny lahu

 Nanomboka nitory tamin’ny foko miteny lahu ny misionera tany Chiangmai, any Tailandy, taorian’ny taona 1990. Mampiasa an’io fiteny io ny olona mipetraka eny akaikin’ny sisin-tanin’i Chine, Laos, Myanmar, Tailandy, ary Vietnam. Tsy mbola namoaka boky sy gazety tamin’io fiteny io anefa isika tamin’izany.

 Tovolahy nianatra Baiboly tamin’ireo misionera ireo no nandika an’ilay bokikely hoe “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”, avy tamin’ny fiteny tailandey ho amin’ny fiteny lahu. Nanangona vola izy sy ny mpiray tanàna taminy miteny lahu avy eo, dia nalefan-dry zareo tany amin’ny biraon’ny sampana niaraka tamin’ilay vola ilay bokikely. Nisy taratasy koa nampiarahin-dry zareo tamin’ilay izy, dia nosoratan-dry zareo tao hoe tian-dry zareo, hono, raha maheno ny fahamarinana nianaran-dry zareo tao amin’ilay bokikely daholo ny olona miteny lahu rehetra.

 Nampiofana ny mpandika teny handika teny amin’ny fiteny lahu izaho sy Helene, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Nampiofanina mba hahay hampiasa ny MEPS ry zareo. Rahalahy vao vita batisa vao haingana, nanompo tao amin’ny biraon’ny fandikan-teny tao Chiangmai, ny iray tamin’ireo mpandika teny ireo. Gaga be izahay rehefa nahafantatra hoe hay izy ilay tovolahy nandika an’ilay bokikely “Indro!” tamin’ny teny lahu!

 Niverina tany Inde indray izahay sy Helene, tamin’ny 1995. Niara-niasa tamin’ny mpandika teny tao amin’ny sampana izahay mba hanome an-dry zareo ny fitaovana nilainy tamin’ny MEPS. Efa misy amin’ny fiteny maro ampiasaina any izao ny boky sy gazetintsika, dia ampy tsara ireny mba hanampiana ny olona hianatra Baiboly sy handroso ary hatao batisa.

Afa-po amin’ny fiainanay izahay

 Manompo ato amin’ny Sampan’i Grande-Bretagne izao izahay sy Helene, efa nanomboka tamin’ny 1999. Miara-miasa amin’ny ekipan’ny Sampan-draharaha Miandraikitra ny MEPS any amin’ny Foibe izahay. Tena faly izahay mivady hoe afaka manokana fotoana be dia be mba hitoriana amin’ny olona miteny gujarati sy pendjabi eto Londres. Isaky ny misy fiteny vaovao mipoitra ao amin’ny jw.org, dia mitady fomba hitoriana amin’izay olona mampiasa an’iny fiteny iny ao amin’ny faritaninay izahay.

 Faly aho hoe mbola tanora dia efa niezaka nanatratra tanjona ara-panahy, fa tsy variana nifety hoatran’ny ankizy nitovy taona tamiko tamin’izany. Rehefa manao jery todika ny fiainanay izahay sy Helene, dia tsy manenina mihitsy izahay hoe nanapa-kevitra ny hanompo manontolo andro. Faly izahay hoe afaka nitsidika tany 30 mahery, dia ny masonay mihitsy no mahita hoe miely any amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny rehetra ny vaovao tsara!​—Apokalypsy 14:6.

a Fandaharana Elektronika Famoahana Boky sy Gazety Amin’ny Fiteny Maro indray no iantsoana an’io programa io amin’izao. Ampiasaina mba hamokarana lahatsoratra amin’ny endrika elektronika koa ny MEPS.