Hijery ny anatiny

Diamondra Hafakely Tany Botswana

Diamondra Hafakely Tany Botswana

Any Botswana no misy ny diamondra lafo indrindra eran-tany. Diamondra hafa mihitsy anefa no nasehon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany, nandritra ny foara iray tamin’ny 22 Aogositra ka hatramin’ny 28 Aogositra 2016. Ireto avy no hita teo amin’ny trano hevan’izy ireo: Boky sy gazety miresaka an’izay lazain’ny Baiboly, ilay tranonkala jw.org, ary video manampy ny fianakaviana hifankatia kokoa.

Naseho teo amin’ilay trano heva, ohatra, ireo video hoe Ataovy Namanao i Jehovah. Variana ny ray aman-dreny sy ny ankizy rehefa nahita an’ilay izy. Atoro ao amin’izy ireny hoe ahoana no ampiharana ny toro lalan’ny Baiboly. Misy amin’ny fiteny setswana, fiteny ofisialy any Botswana, ny video sasany, ka maro no nanontany hoe ahoana no hahazoana azy ireo.

Avy any amin’ny faritra rehetra ao Botswana ireo mpitsidika, ary boky sy gazety 10 000 teo ho eo no nozaraina tamin’izy ireo. Nisy olona 120 koa nangataka hoe hampianarina Baiboly maimaim-poana. Maro no gaga rehefa nahita fa niara-niasa tsara ny Vavolombelon’i Jehovah miteny anglisy sy ireo miteny setswana nandritra an’ilay foara.

Notsaraina avy eo ireo trano heva sy ny fampirantiana hafa, ka ny Vavolombelon’i Jehovah no nahazo ny loka voalohany.