Hijery ny anatiny

Sendra Olona Malefaka ny Mpitondra Fivavahana Romotra

Sendra Olona Malefaka ny Mpitondra Fivavahana Romotra

 Nitsidika fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah i Artur, mpiandraikitra ny faritra any Armenia. Hitany, tamin’izay, hoe mbola tsy nanao fampirantiana mihitsy ilay fiangonana, izany hoe mbola tsy nampiasa an’ilay tabilao fampirantiana misy boky ara-baiboly. Mba hampirisihana an’ilay fiangonana àry, dia nanao fampirantiana tao amin’ny tanàna kely iray i Artur sy Anna vadiny, ary ny mpitory iray hafa antsoina hoe Jirayr. Nataon’izy ireo teo amin’ny toerana be mpandeha an-tongotra ilay izy.

 Tonga dia nahaliana ny mpandalo ilay izy ary maro no naka boky sy gazety teo. Voamariky ny mpanohitra koa anefa ilay fomba fitory vaovao. Nisy mpitondra fivavahana roa nanatona an’ilay fampirantiana sady nandaka an’ilay izy ny iray tamin’izy ireo. Nofelahiny tehamaina koa i Artur ary nilatsaka tamin’ny tany ny solomasony. Niezaka nampitony an’ireo mpitondra fivavahana ihany izy telo nefa tsy azo natao na inona na inona mihitsy izy ireo. Nohitsakitsahin’izy ireo ilay fampirantiana ary niparitaka ny boky sy gazety. Nandeha izy ireo rehefa avy niteny ratsy sy nandrahona an’ireo Vavolombelon’i Jehovah.

 Nametraka fitarainana tany amin’ny paositry ny polisy i Artur sy Anna ary Jirayr. Nohazavain’izy ireo izay nitranga sady niresaka kely momba ny Baiboly tamin’ny polisy maromaro sy ny olon-kafa tao izy ireo. Nentina tao amin’ny biraon’ny lehiben’ny polisy izy telo mianadahy avy eo. Te hahafantatra ny zava-nisy fotsiny ilay rangahy, tamin’ny voalohany. Gaga anefa izy rehefa fantany hoe tsy namaly i Artur tamin’izy voafelaka. Vaventy sy ranjanana mantsy i Artur. Tsy nanontany momba an’izay nitranga intsony àry izy fa nanontany momba ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nitohy adiny efatra ny resak’izy ireo. Gaga be ilay polisy ka niteny hoe: “Tsara kosa izany fivavahana izany. Marina aho raha tsy ho any koa?”

Artur sy Anna

 Nisy rangahy nanatona an’i Artur ny ampitson’iny, rehefa niverina nanao fampirantiana izy. Hitan’io rangahy io mantsy ny nataon’ny mpitondra fivavahana taminy. Noderainy i Artur satria tony sady tsy namaly faty. Nilaza koa izy fa tsy nampoiziny hoe olona nohajainy be no nahavita an’ireny.

 Nasain’ilay lehiben’ny polisy nankany amin’ny biraony indray i Artur, ny harivan’iny. Tsy niresaka momba an’ilay zava-nitranga izy fa nametraka fanontaniana hafa momba ny Baiboly. Nisy polisy roa koa nandray anjara tamin’ilay resadresaka.

 Niverina tany amin’ilay lehiben’ny polisy i Artur ny ampitso, ary nampiseho video ara-baiboly. Nantsoin’ilay lehiben’ny polisy koa ny mpiara-miasa aminy mba hijery an’ireo video.

 Nisy vokany tsara ny zavatra tsy nety nataon’ireo mpitondra fivavahana. Afaka nitory tamin’ny polisy mbola tsy naheno ny vaovao tsara mihitsy mantsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Hitan’ny polisy hoe tena tsara ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah.