Hijery ny anatiny

Nanatsotra Fiainana Izahay

Nanatsotra Fiainana Izahay

 Nipetraka tany Medellín, any Kolombia, i Madián sy Marcela ary nanankarena be izy mivady. Tsara karama i Madián ka afaka nipetraka tao amin’ny trano tsara tarehy izy ireo. Nisy zavatra nampieritreritra azy mivady anefa, indray mandeha, ka nahatonga saina azy ireo hoe inona no tokony hataony loha laharana eo amin’ny fiainany satria mpanompon’i Jehovah Andriamanitra izy ireo. Hoy izy mivady: “Nisy an’ilay fivoriambe manokana iray andro hoe ‘Aoka ho Tsotra Foana ny Masonao’, tamin’ny 2006. Niverimberina tamin’ny lahateny tao hoe mila manatsotra fiainana isika raha te hanompo an’Andriamanitra amin’ny fomba feno kokoa. Tsapanay, taorian’iny fivoriambe iny, hoe tsy izany mihitsy no nataonay. Tia nividividy zavatra izahay na dia tsy ampy aza ny volanay, dia lasa nidi-trosa be izahay.”

 Ireny lahateny teny amin’ny fivoriambe ireny no nahatonga saina an’i Madián sy Marcela hoe mila miova izy mivady. Nanomboka nanatsotra fiainana àry izy ireo. Nitantara izy mivady hoe: “Nanomboka nitsitsy vola izahay, nifindra tamin’ny trano kely kokoa, nivarotra ny fiaranay, dia nividy moto.” Tsy nankany amin’ny toerana mety haka fanahy hividividy zavatra koa izy mivady. Nampitomboiny ny fotoana niresahany momba ny Baiboly tamin’ny olona. Nalainy ho namana akaiky koa ny olona mazoto manompo an’i Jehovah Andriamanitra, ohatra hoe tamin’ny mpisava lalana manokana. a

 Nanapa-kevitra i Madián sy Marcela, tsy ela taorian’izay, hoe hifindra any amin’ny fiangonana ambanivohitra iray mila fanampiana. Te hampitombo ny fanompoany mantsy izy mivady. Niala tamin’ny asany àry i Madián. Tsy azon’ilay mpampiasa azy hoe maninona izy no te hiala amin’ilay asa tsara karama. Nanontanian’i Madián àry izy hoe: “Ianao izao manam-bola be, nefa sambatra ve ianao?” Niaiky ilay madama hoe manana olana be dia be izy fa tsy sambatra. Namaly azy àry i Madián hoe: “Tsy ny vola izany no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana, fa hoe inona no mahasambatra anao. Ny mampianatra momba an’Andriamanitra no mahasambatra anay mivady. Mbola te ho sambatra kokoa izahay dia izany no mahatonga anay hanokana fotoana misimisy kokoa hampianarana ny olona.”

 Tena afa-po sy mahatsiaro ho sambatra i Madián sy Marcela satria ny manompo an’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra amin’izy ireo. Nanampy fiangonana maro any amin’ny faritra avaratrandrefan’i Kolombia izy mivady tato anatin’ny 13 taona. Manana tombontsoa ho mpisava lalana manokana izy ireo izao.

a Ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah no manendry ny mpisava lalana manokana mba hitory manontolo andro ao amin’ny toerana iray. Mahazo vola fanampiana kely izy ireo mba hikarakarany ny zavatra ilainy.