Hijery ny anatiny

Ilay Telefaonina Fampiasan’ny Besinimaro no Nampiasain-dry Zareo Hampianarana Baiboly

Ilay Telefaonina Fampiasan’ny Besinimaro no Nampiasain-dry Zareo Hampianarana Baiboly

 Vavolombelon’i Jehovah i Daiane, ary mpitory manontolo andro any Brezila. Tafaresaka tamina mpivady tanora anankiray izay izy indray mandeha, rehefa nitory an-telefaonina. Tena nahaliana azy mivady ilay resaka. Nilaza anefa ry zareo hoe hifindra any amin’ny tanàna kely mitokana, ary tsy misy jiro any sady tsy misy Internet. Tsy misy Vavolombelon’i Jehovah koa mipetraka any. Ahoana àry no nataon-dry zareo mba hanohizana an’ilay dinidinika ara-baiboly? Nomen’izy mivady an’i Daiane ny nomeraon’ilay telefaonina fampiasan’ny besinimaro tao amin’ilay tanàna, dia nifanao fotoana ry zareo hoe hifampiantso amin’io telefaonina io.

 Rehefa tonga ilay fotoana, dia niantso an’ilay nomerao i Daiane. Dia tena nandray an’ilay antso izy mivady! Intelo ry zareo no nifampiresaka momba ny Baiboly tao anatin’ny tapa-bolana.

 Tsy nandray antso intsony anefa izy mivady taorian’izay. Tsy kivy i Daiane fa niantso foana intelo isan-kerinandro, dia izay olona sendra nandray an’ilay telefaonina no nitoriany. Inona no vokany? Nisy olona maromaro tao amin’ilay tanàna nanaiky hampianariny Baiboly.

 Nampianatra Baiboly tovolahy iray i Daiane sy ny vadiny indray mandeha, ary ilay telefaonina fampiasan’ny besinimaro no nifampiresahan-dry zareo. Henon’ny mpitondra fivavahana anankiray ny resak’izy ireo, dia nandeha nijoro teo akaikin’ilay tovolahy izy satria te haheno tsara kokoa. Nangataka hiresaka tamin-dry Daiane izy avy eo. Tiany be mantsy ny zavatra henony dia lasa te hianatra Baiboly koa izy!

 Lasa nanana fampianarana Baiboly enina tao amin’io tanàna mitokana io i Daiane sy ny vadiny, ary tamin’ilay telefaonina fampiasan’ny besinimaro daholo ilay izy no natao. Efa nanatrika fivoriana tamin’ny alalan’io telefaonina io koa ny sasany tamin’ireo olona ireo. Nanamboatra seza lava mihitsy ny anankiray tamin-dry zareo mba hipetrahan-dry zareo rehefa mianatra Baiboly.

 Tena faly i Daiane sy ny vadiny hoe afaka nitory ny hafatra momba an’ilay Fanjakana tany amin’io tanàna mitokana io. Izao no nolazain’i Daiane: “Vitan’i Jehovah ny manao izay hahafantaran’ny olona rehetra ny vaovao tsara, na dia mipetraka any amin’ny toerana mitokana aza ilay olona.”