Hijery ny anatiny

Nanao ny Marina Izy

Nanao ny Marina Izy

 Nahita kitapo hadino tao amin’ny toerana fisakafoanana iray i Danielle, Vavolombelon’i Jehovah any Afrika Atsimo. Nisy vola sy karatra fitrosana tao anatiny. Nikarokaroka adiresy sy nomeraon-telefaonina tao anatin’ilay kitapo i Danielle mba hamerenana an’ilay izy amin’ny tompony. Tsy nahita anefa izy fa anaran-dehilahy iray no hitany tao. Niezaka nifandray tamin’io lehilahy io tamin’ny alalan’ny banky izy nefa tsy nisy vokany. Tsy kivy izy fa nitady hevitra hafa. Nahita rosia avy any amin’ny dokotera izy, tao anatin’ilay kitapo, dia nantsoiny ilay nomerao tao. Nanaiky ilay mpandray antso tao amin’ilay dokotera hoe homeny an’ilay rangahy ny nomeraon-telefaonin’i Danielle.

 Gaga be ilay rangahy rehefa niantso azy ny tany am-piasan’ilay dokoterany, ary nilaza hoe hitan’i Danielle ny kitapony ka tiany homena azy. Nihaona tamin’i Danielle sy ny dadany ilay rangahy rehefa haka ny kitapony. Nohararaotin’izy mianaka nohazavaina taminy hoe nahoana izy ireo no nanao izay azony natao mba hitadiavana azy. Vavolombelon’i Jehovah izy ireo ka miezaka manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Izany no mahatonga azy ireo te hanao ny marina foana.—Hebreo 13:18.

 Nandefa SMS tany amin’i Danielle sy ny dadany ilay lehilahy, ora vitsivitsy tatỳ aoriana, satria te hamerina hisaotra azy mianaka tamin’ilay kitapo. Izao no nosoratany: “Faly be aho hoe tsy nanaiky mihitsy ianareo raha tsy nahita ahy. Tiako be ny nihaona taminareo dia tsy ho hadinoko mihitsy ilay ianareo sariaka sy tsara fanahy. Te hanome vola anareo aho mba ho mariky ny fisaorako anareo. Ianareo mantsy mahafoy tena be rehefa manompo an’Andriamanitra. Hita amin’ny zavatra ataonareo hoe olo-marina ianareo. Porofon’izany ireny nataon’i Danielle ireny. Mamerina ny fisaorana anareo, dia hotahin’Andriamanitra anie ianareo!”

 Tafaresaka tamin’ilay rangahy indray ny dadan’i Danielle, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Notantarain’ilay rangahy hoe nahita poketra teo amin’ny tany izy vao haingana, rehefa niantsena. Nitady ny tompony koa izy ary nomeny azy ilay poketra. Nohazavainy tamin’ilay vehivavy tompon’ilay poketra hoe naveriny taminy ilay izy satria nisy olo-marina namerina ny kitapony koa, vao haingana. Hoy izy avy eo: “Olona iray no manao ny marina sy tsara fanahy, dia lasa manao hoatr’izany koa ny hafa ka lasa mihatsara ny fiainana eo amin’ny fiaraha-monina.”