Hijery ny anatiny

Tondra-drano Iray Nahatonga Olona Maro Hahafantatra ny Vaovao Tsara

Tondra-drano Iray Nahatonga Olona Maro Hahafantatra ny Vaovao Tsara

 Nanao dia lavitra avy any amin’ny Morontsirak’i Mosquito, any Nikaragoà, ny Vavolombelon’i Jehovah 12 tamin’ny 2017. Nandeha sambo izy ireo, ary Sturi Yamni no anaran’ilay sambo nentin’izy ireo. Hoy i Stephen, anisan’ny nandeha tamin’ilay sambo: “Handeha hampahery Vavolombelona vitsivitsy nipetraka tany amin’izay toerana mitokana izay ny tanjonay tamin’izay. Handeha hanampy an-dry zareo hitory ny vaovao tsara koa no nalehanay tany satria midadasika be ny faritanin-dry zareo.”

 Niainga avy tao Pearl Lagoon ilay sambo nentin’ireo Vavolombelona 12 ireo, dia nandeha 200 kilaometatra nanavatsava an’ilay renirano atao hoe Río Grande de Matagalpa. Midika hoe “Vaovao Tsara” ny anaran’ilay sambon’izy ireo amin’ny teny Miskito. Tsy noeritreretin’izy ireo mihitsy hoe hisy dikany be amin’ny olona nipetraka teny amoron’ilay renirano io anarana io. Tonga tany amin’ny toerana tiany haleha izy ireo, izany hoe tao amin’ny tanànan’i La Cruz de Río Grande, rehefa avy nandeha nandritra ny adiny 12, sy natory indray alina tany amin’ny toerana anankiray. Tonga nitsena azy ireo sy niarahaba azy tonga soa ireo rahalahy sy anabavy enina tao amin’ilay tanàna.

Efitrano Fanjakana tratran’ny tondra-drano, any La Cruz

 Nisy rivo-doza mahery ny alin’iny. Nivatravatra be mihitsy ny orana, dia tondraka ny loharanon’i Río Grande de Matagalpa. Ora vitsivitsy taorian’izay, dia tondraka ilay renirano, ary tsy nitsahatra niakatra ny rano, nandritra ny roa andro. Tratran’ny tondra-drano ny Efitrano Fanjakana sy ny trano maromaro tao La Cruz. Nanampy ny olona tao an-toerana hiala tao amin’ny tranony ireo Vavolombelona 12 tonga tany. Nisy anabavy iray nanana trano misy rihana, dia tao no natory ny ankamaroan’ny olona tsy nanan-kialofana, nandritra ny roa alina.

 Nankany amin’ireo Vavolombelona vao tonga ireo ny ben’ny tanànan’i La Cruz ny alina nanaraka. Nisy toerana hafa koa mantsy tratran’ilay tondra-drano, dia te handefa mpamonjy voina ho any izy. Ilay sambo atao hoe Sturi Yamni ihany anefa no mba natanjaka sy afaka nandeha teny amin’ilay renirano efa tondraka, dia niangavy an’ireo Vavolombelona izy raha mba azo nitondrana an’ireo mpamonjy voina ilay izy. Nanaiky ireo Vavolombelona.

 Ny ampitson’iny, dia nisy rahalahy telo nandeha niaraka tamin’ireo ekipa mpamonjy voina ireo. Hoy i Stephen: “Mbola nahery be mihitsy ilay rano, tamin’izay. Feno hazo ngezabe nitsingevana teny ambonin’ilay renirano sady nisy rano nitambolombolona be dia be. Nahatratra 18 kilaometatra mahery isan’ora koa ny hafainganam-pandehan’ilay renirano.” Na dia nampatahotra hoatr’izany aza teny an-dalana, dia tonga soa aman-tsara tany amin’ireo tanàna telo tiany haleha ihany ry zareo.

 Nanararaotra nampahery ny olona tany amin’ireny tanàna ireny ireo rahalahy telo ireo. Nizara an’ilay Mifohaza! hoe “Inona no Azo Atao mba ho Voaro Amin’ny Loza?”, nivoaka tamin’ny 2017, koa ry zareo. Tena tonga ara-potoana ilay gazety!

 Faly be ny mponina tany amin’ireny tanàna ireny. Tsy vitan’ny hoe nanampy an-dry zareo fotsiny mantsy ireo Vavolombelona telo tonga tany ireo, fa mbola nampahery an-dry zareo tamin’ny alalan’ny Baiboly koa. Hoy ny olona sasany: “Tena vonona ny hanampy ao anatin’ny sarotra ry zareo.” Hoy koa ny olona hafa: “Tena tia olona ry zareo.” Rehefa hitan’ny olona tany amin’ireny tanàna ireny hoe niezaka be ireo Vavolombelona ireo nanampy ny mpiara-mivavaka taminy sy ny olon-kafa, dia lasa mazoto mihaino ry zareo rehefa misy olona mitory any aminy.

Marco, anisan’ny nandeha tamin’ilay sambo, nivoaka avy ao amin’ny Sturi Yamni mba hitory ny vaovao tsara amin’ny mponina ao amin’ny tanàna iray

Ilay sambo atao hoe Sturi Yamni miantsona eo amin’ny tanàna iray tratran’ny tondra-drano